Nandresy tamin'ny safidin'ny olona tamin'ny loka Beazley Designs ny ‘Andohalambom-biriky’ nataon'ny mpanao fihetsiketsehan'i Hong Kong

Andohalambom-biriky. Saripika avy amin'ny Stand News. Nahazoana alalana.

Ity tantara ity dia nivoaka voalohany tamin'ny teny Shinoa tao amin'ny Stand News tamin'ny 21 Janoary 2021. Ny endrika amin'ny teny anglisy [ary avy eo nadika ho amin'ny teny malagasy] dia nosoratan'i Jonathan Neris ary navoaka ato amin'ny Global Voices araka ny fifanarahana fiaraha-miombon'antoka ara-botoaty.

Ny “Brick Arches” [Andohalambom-biriky] rafitrasa an-dalambe nataon'ireo mpanao fihetsiketsehana ao Hong Kong no nahazo ny lokan'ny safidin’ny olona [vahoaka] amin'ny Beazley Designs of the Year [Beazley Designs an'ny taona], loka fanao isa-taona sy fampirantiana velomin'ny London's Design Museum [Mozean'ny Tefiendrika ao Londra].

Ny safidin'ny mpitsara hahazo fandresena amin'ny lafiny rehetra amin'ny Beazley Designs taona 2020 ity dia ny “Teeter-Totter Wall” any amin'ny sisintany manasaraka an'i Etazonia an'i Meksika.

Nambaran'ny kaonty Twitter Design Museum tamin'ny 20 janoary teo ny mpandresy tamin'ny safidin'ny olona [vahoaka]:

Maro aminareo no nandrotsa-bato ka ireto ary ny vokatra… ?? | ny loka safidim-bahoaka amin'ny #BeazleyDesignsoftheYear dia mankany amin'ny … Andohalambom-biriky, barazin-dalana manana haavo hakiho, narafitry ny mpanao fihetsiketsehana tao Hong Kong. ? Io ve ny safidinareo?

Niara-nipongatra tany amin'ireo toerana lehibe nanaovana fihetsiketsehana tao Hong Kong nanodidina ny volana novambra 2019 mba ho fitaovana hanakanana ny fiaran'ny polisy tsy hiditra any amin'ny toeram-pihetsiketsehana ny “Brick Arches” [andohalambom-biriky]. Manana fanazavana fohifohy momba ilay tefiendrika ny tranonkalan'ny Beazley Designs of the Year:

Made from ordinary bricks, these small but powerful structures were used by Hong Kong protestors from the pro-democracy movement as roadblocks to slow down police vehicles.
When struck by a wheel, the top block falls away leaving the two remaining bricks, which together form a buttress that prevents the wheel from moving forward. These arches were referred to locally as ‘mini-Stonehenges’ or ‘brick battlegrounds’.
Easier to make and more difficult to clear than ordinary roadblocks, they became widespread when the protests escalated in November 2019.

Natao tamin'ny biriky mahazatra ireo rafi-panoheranana kely saingy matanjaka nampiasain'ny mpanao fihetsiketsehana mpanohana ny demaokrasia ireo ho fanakanan-dalana hampiadana kokoa ny fandehan'ny fiaran'ny polisy. Raha voadonan'ny kodiarana, mianjera ny vainga eo ambony indrindra ary mbola mijanona ny biriky roa ambiny, izay lasa andry mampisoroka ny kodiarana tsy handroso. Ireny andohalambo ireny no tondroina ao an-toerana ho ‘mini-Stonehenges’ na ‘biriky an-tany fiadiana’.
Mora atsangana kokoa ary saotra ravàna kokoa noho ire ofanakanan-dalana tsotra mahazatra, nieli-patrana izy ireny rehefa nihanafana ny hetsi-panoherana tamin'ny novambra 2019.

Voafantina hifaninana ao amin'ny sokajy fitaterana amin'ny Beazley Desings ny taona 2020 ny “Brick Arches”. Araka ny nambaran'ny mpanomana ireo tafiditra famaranana tamin'ny herintaona, nahasarika ny fifantohan'ny maro ny “Brick Arches” ary nanapa-kevitra ny mpikarakara hanampy “People’s Choice Winner” [Mpandresy amin'ny safidin'ny vahoaka]. Nanaraka izany, nihoatra ny 35.000 ny olona an-jotra no nandrotsa-bato ho an'ny “Brick Arches” [Andohalambom-biriky].

Naneho ny fankasitrahany ny mpikarakara ny loka i @antielabhk, kaontin'ny mpikatroka iray ao Hong Kong:

Te-haneho fankasitrahana ny komity sy ny mpifidy izay nanome loka ny rahalahy sy ny anabavinay [na anadahy sy rahavavinay] izahay Hongkongers – Safidin'ny vahoaka amin'ny Beazley Degigns an'ny taona – Andohalambom-biriky. Nampiasain'ny mpanao fihetsiketsehana tao Hong Kong ho fanakanan-dalana hampandehanana mora ny fiaran'ny polisy ireny rafitra kely fa matanjaka ireny.

Ny safidin'ny mpitsara ho mpandresy [amin'ny sokajy rehetra] amin'ny Beazley Designs ny taona 2020 dia ny “Teeter-Totter Wall”, fanorenana notefen'i Ronald Rael sy Virginia San Fratello niaraka tamin'ny Colectivo Chopeke. Ny andiana balansoara miloko raozy dia naorina teo amin'ny rindrina manasaraka ny sisintanin'i Etazonia amin'i Meksika ao amin'ny Sunland Park (New Mexico, Etazonia) sy Ciudad Juarez (Meksika) mamela ny ankizy avy amin'ny andaniny sy ankilany hiaraka milalao na dia misy rindrina manasaraka azy ireo aza.

“Lasa fanoitra ara-bakinteny eo amin'ny fifandraisan'i Etazonia sy i Meksika ilay rindrina”. Notondroin'ny @DesignMuseum ho Tefiendrika @BeazleyGroup tamin'ny taona 2020 ny ‘Teeter-Totter Wall’ an'i @CChopeke

Nilaza ny Teeter-Totter Wall ny Lehiben'ny Mpanatanteraka sady talen'ny Mozea Design, Tim Marlow, ho mandrisika fomba vaovao ifandraisan'ny olombelona ary “mitoetra ho fampahatsiahivana nanaovam-pikarohana sy mafonja izany amin'ny ahafahan'ny olombelona mihoatra ireo hery mitady hampisaraka antsika.”

Niorina tamin'ny taona 2008 ny Beazley Designs of the Year izay mifantina “ireo tefiendrika manavao zavatra sy manome aingam-panahy indrindra” isa-taona avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao ao anaty sokajy ahitana ny lamaody, maritrano sy fotodrafitrasa, an-tsivalo [dizitaly], fitaterana, vokatra ary sary-soritra. Tamin'ity taona ity ny nandresy teo amin'ny sokajy sary-soritra (graphics) dia ny fanaovana ny SARS-CoV-2 ho 3D [telorefy].

Ny fanaovana ny coronavirus ho amin'ny endrika telorefy [3D], noforonin'i Alissa Eckert sy Dan Higgins, ity no voatondron'ny @DesignMuseum ho tefiendrika tsara indrindra taona 2020. “Ny fampiasana ny hazavana, ny soritsoritra, mazava/maloka ary loko no nanome endrika kanto nefa mahafaty an'ilay viriosy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.