Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Ny 29 Janoary, miaraha mivantana aminay amin'ny ‘The Milk Tea Alliance: Tolona iraisan'i Thailand, Taiwan sy Hong Kong hisian'ny demaokrasia’

Tongava hanatevina ny Global Voices amon'ny 29 Janoary amin'ny 1:00 tolakandro UTC/GMT mandritra ny andiany vaovao amin'ny GV Insights, andian-dresaka virtoaly: “Milk Tea Alliance: Ndao hisotro ho an'ny demaokrasia”— adihevitra mivaivay momba ny “Milk Tea Alliance” sy ny fiantraikan'io hetsipanoheranan'ny tanora miely amina firenena roa na vitsivitsy io any Azia Atsinanana sy any lavitra any, miaraka amin'ireo manampahaizana  manokana avy ao Hong Kong, Filipina, Taiwan ary Tailandy, hatramin'ireo mpikambana ato amin'ny vondrompiarahamonina Global Voices.

Handeha mivantana ao amin'ny Facebook Live, YouTube, ary Twitch ny fotoana.

Ny “Milk Tea Alliance” dia hetsika iray fandraisana andraikitr'ireo mpisera amin'ny aterineto nanetsika ireo tanora mpampiasa aterineto sady mpikatroka ao  Tailandy, Taiwan, ary Hong Kong tamin'ny 2020. Zavapisotro iray malaza amidy eny amoron-dàlana sy any amin'ireny ‘cafés’ ao amin'ny faritra ireny no nakàny ny anarany. Tany am-boalohany dia tao Tailandy no nipoitra ilay hetsika, ho fiarovana ireo mpitari-kevitra ao amin'ny media sôsialy izay lasibatr'ireo mpandoto rano tia tanindrazana avy any amin'ny tanibe Shina. Taty aoriana, nisy tamin'ireo mpampiasa Twitter avy ao Hong Kong sy Taiwan naneho ny firaisankinan-dry zareo tamin'ireo Tailandey ary namaly bontana an'ireo shinoa mpandoto rano. Ny fiafaràny,  lasa vovonana iray ao anatin'ny fanentanana hisian'ny fanavaozana demaokratika ilay tambajotra tsy nanara-drafitra, no sady manasongadina ny herisetra ataon'ny governemanta shinoa sy ireo mpanohana azy.

Omen'ilay kanferansa anaty aterineto antsika ny fahafahana handalina ny niandohan'ny Milk Tea Alliance; ny fiparitahany sy ny fiantraikany ao Tailandy,  Hong Kong, ary Taiwan; ny setriny avy amin'ny tanibe Shina; ny fandrakofana ataon'ny media an'ilay fanentanana; ary ny vokatra lavitra indrindra nentiny ho an'ireo faritra hafa ao Azia hatramin'izay vinavinany ho an'ny taona 2021, indrindra fa hoe ny Febroary no hanamarika ny tsingerintaonany voalohany ilay hetsika notarihan'ny tanora tao Tailandy, raha mihamafy kosa ny famoretana ao Hong-Kong sy ny fandrahonana ataon'ireo mpanohana an'i Beijing amin'ireo mpikatroka ao Taiwan.

Jereo ny Nahoana no manao hetsipanoherana ireo tanora ao Tailandy [Ang.], fanangonana ireo fandrakofana ataon'ny Global Voices an'ireo hetsipanoherana, aingampanahy avy amin'ny  Milk Tea Alliance tao Tailandy tamin'ny 2020. 

Hijerena sy hanazavana ireo hetsika tamin'ny taona lasa, ary hiresahana ny hoavin'ny hetsika, ireto manaraka ireto no vahiny mpandray fitenenana nasainay, izay hisolo tena ireo tsy miankina mpamoaka vaovao avy ao Azia anisan'ireo voalohany nanasongadina ny Alliance ary nanaraka maso akaiky ny fielezany nanerana ny faritra: 

  • Oiwan Lamtoniandahatsoratry ny Global Voices ny faritra Azia Avaratra-Atsinanana. Lam dia mpikatroka ho an'ny media, monina ao Hong-Kong, toerana nananganany fandraisana andraikitra marobe tamin'ny sehatry ny fanaovangazetin'olontsotra, isan'izany ny inmediahk.net sy ny  factchecklab.org. Mampianatra taranja MA momba ny Media Vaovao sy ny Fiarahamonina ihany koa izy, eo ambany fiahian'ny Fandaharanasa Erantany ho any Fifandraisana, ao amin'ny Oniversite Shinao ao Hong Kong.
  • Darika Bamrungchok, Thai mpanao gazety sady mpikambana ao amin'ny vovonana EngageMedia, ary koa mpandray anjara ato amin'ny Global Voices.
  • Anna Lawattanatrakul, mpanampy ny mpamoaka lahatsoratra amin'ny teny anglisy ho an'ny fanontàna ny Prachatai ao Bangkok, izay sady media mpiaramiasa amin'ny Global Voices ihany koa.
  • Brian Hioe, toniandahatsoratra mpanorina ny gazetiboky New Bloom ao Taiwan, izay mandrakotra ny faritra Taiwan sy Azia-Pasifika, amin'ny teny anglisy.

Handrindra ny adihevitra i Mong Palatino, toniandahatsoratry ny Global Voices ho an'ny faritra Azia Atsimo-Atsinanana sy Oseania, izay nitantara ireo  hetsika ihany koa.

Malalaka ny fidirana amin'ilay kaonferansa aterineto ary misokatra ho an'ny rehetra, sy ho alefa mivantana amin'ny Facebook Live, YouTube, ary  Twitch. Ho azon'ireo mpijery atao ny maneho hevitra ary mametraka fanontaniana amin'ireo mpandray fitenenana. Amin'ny fiteny anglisy no hanatontosana ny fotoana.

Manantena anareo hanjohy anay amin'ny Zoma 29 Janoary amin'ny 1:00 tolakandro GMT (potsiro eto mba hahitanao ny ora mifanaraka amin'ny toerana misy anao)!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.