
Sary fanehoana ny viriosy COVID-19, avy amin'i Robert Couse-Baker tao amin'ny Flickr, CC BY 2.0
Trinidad & Tobago, izay nahavita hatreto ny nitantana tsara ny resaka valanaretina, 7.450 ny fitambaran'ireo tranga rehetra teo anelanelan'ny Martsa 2020 ka hatramin'izao, 343 no mbola mitondra ny otrikaretina ary 133 ireo namoy ny ainy, dia nahitàna ny tranga COVID-19 Variant B117 voalohany nisy tao aminy, nentina olompirenena iray avy nivahiny tany amin'ny Fanjakana Mitambatra (UK).
Nilaza ny ‘ Centers for Disease Control (CDC)’ (Foibe Fanarahamaso ny Valanaretina) ao Etazonia fa ity karazany manokana amin'ny tebiteby nivoaka avy ao UK ity, izay novinavinaina ho manana taham-pifindràna 70% mora lavitra, dia mety ho lasa ny sosona COVID-19 hibahan-toerana indrindra hatramin'ny Martsa 2021.
Mba hanampiana amin'ny fampihenana ny mety ho fitsofohana ao aminy, tsy ela akory izay no nohavaozin'ny governemanta ao Trinidad & Tobago ny politikan'ny fanomezany alàlana sy ny fanokana-monina an'ireo izay mpivahiny avy any UK. Hatramin'ny 22 Desambra, ho fanampin'ny fitiliana ‘PCR miiba’, izay rehetra tonga avy any UK dia tsy maintsy atoka-monina mandritra ny 14 andro – izany hoe miampy herinandro miohatra amin'ilay notakiana taloha.
Fepetra iray tena ilaina io hoy ireo marobe mpampiasa media sôsialy, indrindra fa hatramin'ny nahitàna fihenana nitohitohy amin'ny tondro (PCR) maneho ny tranga ho an'ilay Karazana B117 , izay atao 72 ora mialohan'ny fiaingàna:
So a returned national from the #UnitedKingdom has brought in the #COVID19 variant B117 to #TrinidadandTobago
As required, the national’s PCR test was negative 72 hours before travelling. Don’t assume. ??#MaskUp #Sanitize #WashHands #PhysicalDistance ?— Maria Rivas-McMillan (@Panyol) January 21, 2021
Araka izany dia teratany iray niverina avy any #UnitedKingdom no nitondra niditra ny karazana B117 amin'ny #COVID19 tao #TrinidadandTobago
Araka ny notakiana, dia niiba ny fitiliana PCR natao 72 ora talohan'ny niaingàna. Aza mikinanga. ??#ManaovaMaska #ManaovaMadio #SasaoNyTanana #HajaoNyElanelana ?— Maria Rivas-McMillan (@Panyol) 21 Janoary 2021
Tamin'ny fahatongavany tao Trinidad & Tobago, napetraka tany amin'ny tranom-panjakàna iray fanokàna-monina ilay marary, ary vantany vao nivaly hoe ‘positif’ ny fitiliana COVID-19 , dia nafindra tany amin'ny hopitalim-panjakana tao Trinidad no sady natoka-monina. Fitiliana antsoina hoe “genome sequencing testing” teo ambany fitarihan'ny Oniversiten'ny Antilles.
Takiana hitoka-monina mandritra ny herinandro, miampy herinandro iray hafa tsy mahazo mivoaka ny trano, ireo mpivahiny avy any amn'ny firenena hafa, ary valina fitiliana “PCR négatif” natao 72 ora talohan'ny niaingana.
Nandritra iny herinandro lasa iny, nahitàna teo amin'ny tranga COVID-19 miisa 20 isanandro tao Trinidad & Tobago.
Na ohatra aza neken'ny ankamaroan'ny olona ny maha-tsy azo nihodivirana ny fahatongavan'ilay sosona vaovao tao Trinidad & Tobago, nizarazara be ihany ny setrin'ilay vaovao tety anaty tambajotra, ny sasany tamin'ireo mpampiasa aterineto nitehaka ny fahombiazan’ireo manampahefana, ary ireo hafa indray nitebiteby momba ho dikan'izany amin'ny olana hafa, toy ny tolokevitra hiverenan'ny sekoly hisokatra indray.
Resaka iray hafa nifanaovan'ireo marobe mpampiasa Twitter ny tsindry hamohàna indray ireo sisintanin'ny firenena. Hatramin'ny tapaky ny Martsa 2020 no nakatona ny sisantanin'i Trinidad & Tobago. Na nisy aza ireo fanomezandàlana ary natomboka ireo ezaka fampodiana, marobe tamin'ireo teratany izay nihevitra ny tenany ho toy ny “tafahitsoka” tany ivelany no nilaza hoe tsy nisosa haingana araka ny tokony ho izy ilay dingana; ny hafa nametraka fanontaniana momba ny maha-mangarahara azy io, nisy mihitsy aza ny sasany nanao dingana ara-pitsaràna nitoriana ny fanjakàna.
Etsy ankilany, ireo vaovao tonga any amin'ny morontsiraky ny firenena ka miresaka momba ilay Karazana B117 dia nanome vàhana ireo tsy mankasitraka ny fanalefahana ireo fepetra eny amin'ny sisintany:
Yeah yeah but open the borders ent???♂️ while i do sympathize with those outside it just seems impractical to do such? I’ll never understand why these people keep tryna politicize a pandemic smh https://t.co/4lacJWB0aj
— Jelani ? (@jelani_26) January 21, 2021
Eny e, eny fa vohay ny sisintany ???♂️ amin'ilay izaho miombon'alahelo amin'ireo any ivelany iny no toa tahàka ny tsy azo atao ny toy izany? Tsy ho takatro mandrakizay ny antony mahatonga ny olona hamadika ho resaka politika an'ilay valanaretina https://t.co/4lacJWB0aj
— Jelani ? (@jelani_26) 21 Janoary 2021
But some of y'all want open borders. Imagine if we didn't have the quarantine procedures we currently have in place, considering we are already seeing an uptick in numbers…. https://t.co/j2HnsmflOy
— Lady Danbury (@DzifaJ) January 21, 2021
Nefa betsaka aminareo no maniry ny hamahàna ny sisintany. Ataovy sary an-tsaina anie raha tsy nandray io fepetra fihibohana napetratsika ankehitriny io isika e, isika rahateo efa mahita sahady ny fitomboan'ny isa…. https://t.co/j2HnsmflOy
— Lady Danbury (@DzifaJ) 21 Janoary 2021
Mandritra izany fotoana izany, nolavin’ny Dokotera Roshan Parasram tao Trinidad & Tobago ny fisian'ireo tsaho hoe hijanona hikatona hatrany ny sisintany, mandrapahatongan'ny 2022, noho ny fisian'ilay sosona vaovao.
Notohizan'ny ministeran'ny fahasalamàna ao an-toerana ireo ezaka fanabeazana ny vahoaka, tamin'ny fanindriana ny maha-zavadehibe ny fametahana maska, ny fanasàna tànana ary ny fanajàna ny elanelana mba hanampy amin'ny fiarovana tsy ho tratr'ilay viriosy, ary hisy kaonferansa virtoaly hokarakarainy ny 22 Janoary mba hanomezana fanampim-panazavàna ho an'ny vahoaka.