Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Mandraisa anjara

Screen grab from a video taken on January 25, 2015 at the Global Voices 2015 Summit in Cebu, Philippines. Video by Global Voices and PR Works.

Vondrom-piarahamonina Global Voices ny 25 Janoary 2015 tany amin'ny Vovonana Global Voices 2015 tany Cebu, Filipina. pikantsary avy amin'ny lahatsarin'ny Global Voices sy PR Works.

Miankina amin'ny vondrom-piarahamoninay ny herinay. Mitondrà fiovana amin'ny fifanakalozan-kevitra manerantany amin'ny alalan'ny fanatevenan-daharana ny ekipanay ho mpandray anjara na mpandika teny an-tsitrapo. Raha fikambanana ianao dia manasa anao hiditra ho mpiara-miombon'antoka amin'ny Global Voices .

Mpanoratra

Manana mpanoratra mpilatsaka an-tsitrapo an-jatony izahay manao tatitra any amin'ny firenena miisa 160 mahery manerana an'izao tontolo izao. Ianao ve mpandalina liana tambajotra sosialy, na fampitam-baovao tsy miankina na bilaogy momba ny faritra iray izay hodiana tsy fantatra na soketain'ny fampitam-baovao mahazatra ? Miangavy anao hisoratra anarana mba hanatevin-daharana ny ekipanay mpanoratra mpilatsaka an-tsitrapo amin'ny alalan'ny famenoana ity takelaka ity.

Mpandika teny

Tongava manatevin-daharana ny ekipan'ny mpandika teny iraisam-pirenena manan-danja ary fenoy ity takelaka ity ! Voadika amin'ny fiteny am-polony ny tantara ! Tsy hita ao ve ny fiteninao ? Misorata anarana amin'ny fanokafana tranokala vaovao !

Mpiara-miombon'antoka

Hatramin'ny taona 2004, niara-niasa tamin'ny fikambanana am-polony izahay hanamafisana ny fifanakalozan-kevitra manerantany. Ireto ny sasany amin'ireo mpiara-miasa aminay ankehitriny: The Guardian, PRI.org, Deutsche Welle, Slate, La Stampa, Meedan, 350.org, Witness, ary Syria Deeply. Taloha dia niara-niasa tamin'ny BBC, Reuters ary The Economist izahay. Fampahafantarana bebe kokoa ato.

Fitaovan'ny mpandray anjara

  • Welcome to GV: Ity pejy ity ny manazava ny iraka ataonay sy ny fomba fiasan'ny vondrom-piarahamoninay.
  • How to Write for GV: Fanazavana ny fomba tsara indrindra amin'ny fanoratana sy fanaovana tatitra ny tantara ato amin'ny GV. Tafiditra ao anatin'izany ny lafiny fanoratam-baovao mahomby sy ny fanazavana ny firafitry ny tantaranay tonga lafatra miaraka amin'ny torohevitra momba ny lohateny maha te hizara sy mora karohana ary ny teny fampidirana, ny fanamarinana lahatsary na sary na fanehoan-kevitra ary ny fanampiana ny hevi-dehibe .
  • Style Guide : Torolàlana ho an'ny fenitra fanatsaran'endrika GV.
  • GV Story Checklist : Fomba mora ampiasaina ahitana ireo singa tsy maintsy ananan'ny tantara iray.
  • News Writing Checklist : Torolàlana hafa ilaina momba ny singa manan-danja amin'ny fanoratana vaovao.
  • Posting Guide : Ity torolàlana ity no manazava ny lafiny teknika amin'ny fanoratana ny tantaran'ny Global Voices amin'ny WordPress. Miditra amin'ny antsipiriany momba ny fandrafetana lahatsoratra sy ny fomba hanampiana lahatsary, sary, ary fanehoan-kevitra avy ao amin'ny tambajotra sosialy miaraka amin'ny mombamomba ny zon'ny mpamorona sy fampahalalana hafa, miaraka amin'ireo sokajy sy ny santionany amin'ireo tantarantsika.
  • Global Voices Translation Guide: Atolotra ireo mpandika teny vaovao ity torolàlana ity miaraka amin'ny fampahalalana hizàran'izy ireo ny GV ary manolotra torohevitra ara-teknika amin'ny fampiasana WordPress hanaovana ny fandikan-teny, mamaritra araka ny toerana misy ny votoaty, mandika lahatsoratra tsy amin'ny teny Anglisy ary torohevitra hafa momba ny fandrafetana.
  • Edit Request Form: Raha misy mpanoratra na mpandika teny nanao hadisoana amin'ny lahatsoratra na te-hanisy fanovana amin'ny lahatsoratr'izy ireo aorian'ny famoahana izany dia mila mameno ity takelaka ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.