- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpianatra voasambotra tany Balochistan noho ny fitakiana ny fahazoana miditra amin'ny aterineto 

Sokajy: Azia Atsimo, Pakistana, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, COVID-19, GV Mpisolovava

 

Kids in Baluchistan. Image via Flickr bu Beluchistan. CC BY-SA 2.0. [1]

Ankizy any Balochistan. Sary tao amin'ny Flickr avy amin'i Beluchistan [1]. CC BY-SA 2.0 [2].

Nanao fihetsiketsehana [3]hanoherana ny fianarana ampitain-davitra nokarakarain'ny kolejy sy ny oniversite noho ny fihibohana COVID-19 ireo mpianatra manerana an'i Pakistan. Tsy hoe tsy te hianatra izy ireo fa tsy afaka miditra amin'ny aterineto mihitsy satria dia faritra maro any Pakistan no tsy manana [4] tolotra aterineto azo antoka ary tsy afaka mividy fitaovana hanamorana ny fampianarana ampitain-davitra ny ankamaroan'ny mpianatra.

Nanasongadina ny teny filamatra miaro ny fahamarinana sy ny aterineto maimaim-poana ho an'ny rehetra ny hetsi-panoherana manerana ny firenena tamin'ny 23 Jona 2020 [5]. Na izany aza, tany Quetta, Balochistan [6], mpianatra maromaro – vehivavy ny ankamaroan'izy ireo – no niharan'ny [7]herisetra, voadaroka kibay ary nosamborina, ary maro no notaritaritina nankany anaty fiaran'ny polisy:

Sary 1: Mpianatra avy any Balochistan mihanika tendrombohitra mba hahazo fifandraisana hanatrehana kilasy

Sary 2: Nosamborina ireo mpianatra tao Quetta noho ny fitakiana ny famaranana ny fampianarana an-tserasera sy ny fanomezana aterineto
Tongasoa eto Naya Pakistan!

Mampitombo ny tsy fitoviana ny valan'aretina

Vokatry ny fiparitahan'ny COVID-19 dia nangataka  [12]ireo sekoly mba hivadika amin'ny fampianarana ampitain-davitra manomboka amin'ny 1 Jona ny vaomiera misahana ny fampianarana ambony any Pakistan. Nanery ireo mpianatra monina any amin'ny trano fandraisam-bahiny hiverina tany an-tranony ny fanidiana ny sekoly manerana ny firenena ary avy any amin'ny faritra lavitra izay tsy misy ny fifandraisana aterineto  [13]3G/4G ny ankamaroany.

Ny tsy fahafahana miditra amin'ny aterineto dia nahatonga ireo mpianatra hivoaka hanao fihetsiketsehana isaky ny faritany [5], nandà tanteraka ny fanolorana ny fampianarana ampitain-davitra:

Tsy misy asa vita amin'izany antsoina hoe “fampianarana ampitain-davitra” izany ao Pakistan. ARY tampoka teo, nikasa hiditra amin'ny aterineto avokoa ny sekoly rehetra …. na dia efa fantantr'izy ireo aza ny rafitry ny aterineto ao amin'ny faritra …. ???

Tokony hanana fahafahana mianatra mitovy amin'ny alàlan'ny vola eo ampelatànany ny mpianatra rehetra. Tsy azo hanatanterahana izany araka ny zava-misy ao Pakistan ny fampianarana ampitain-davitra. Tsy afaka mividy aterineto sy ny fitaovana mba ahafahana manatrika kilasy ampitain-davitra ireo mpianatra mahantra.

Tao Balochistan [20] ihany no nitranga ny fisamborana na izany aza, izay niteraka ahiahy teo amin'ny vondrom-piarahamonina iraisampirenena ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona [21] mitranga ao. Nandritra ny taona maro, olona an'arivony maro no niharan'ny fanjavonana an-tery [22] ary tsy fantatra izay niafarany. Vetivety dia niparitaka be tao amin'ny tambajotra sosialy ilay vaovao, niaraka tamin'ny tenirohy malaza Avotsory ny mpianatra rehetra, ka niafara tamin'ny fanamelohana tamin'ny ankapobeny ny zava-tranga:

VAOVAO FARANY:
Mpianatra manodidina ny 70 no voasambotra tany Quetta noho ny fihetsiketsehana manohitra ny fampianarana ampitain-davitra. Isan'ireo voasambotra ilay mpanentana ny komitin'ny hetsika ho an'ny mpianatra, Muzammil Khan, BSO's @jiandbaloch5 [23] ary MahrangBaloch5 @MahrangBaloch5 [24] . Nampiasa herisetra tamin'ny mpianatra ihany koa ny polisy.

Nandefa horonantsary momba ny fisamborana azy i Mahrang Baloch, mpianatra mpitsabo mpandray anjara mavitrika tamin'ny politikan'ny mpianatra [27]:

Voasambotra niaraka tamin'ny mpianatra hafa nanao hetsi-panoherana milamina aho. Nanao fihetsiketsehana manohitra ny fampianarana ampitain-davitra izahay. Nodarohan'ny polisy sy nosamboriny ny mpianatra lahy sy vavy. Tsy nanova ny fitondrantenany amin'ireo firenena voageja ity fanjakana tsy mifaditrovana ity.

Araka ny tatitry ny polisy, voampanga ho nikarakara fihetsiketsehana nandritra ny fihibohana ireo mpianatra ireo. Mandrara tanteraka ny famoriam-bahoaka [30] noho  ny COVID-19 ny andininy faha 144 [31] amin'ny fehezan-dalàna ady heloka bevava ao Pakistan (CrPC).

Nanambara ny mpitondratenin'ny Governemanta ao Balochistan, Liaqat Shahwani fa: “Notazonina vonjimaika ny mpianatra noho ny fiarovana azy ireo manoloana ny COVID-19 ary ho afahana tsy ho ela [32].” Na izany aza, nisioka [33] ny Lehiben'ny Minisitra Balochistan, Jam Kamal Khan fa tsy nanome baiko ny polisy hisambotra ireo mpianatra ny governemanta ary tokony afahana avy hatrany izy ireo. Navoaka [34] taorian'izay ny mpianatra rehetra .

Nanameloka ny fisamborana ihany koa ny Amnesty International [35] Azia Atsimo.

Mandritra izany fotoana izany, namoaka ny olan'ny fampianarana ampitain-davitra ao Balochistan tao amin'ny Antenimieram-pirenena i Akhtar Mengal avy amin'ny Antokom-pirenena Balochistan [36] , satria tsy misy tolotra 3G na 4G any amin'ny faritany [37].

Tsy misy aterineto mety amin'ny fampianarana ampitain-davitra

Zo fototra ny fidirana amin'ny aterineto- saingy raha araka ny DataReportal [38] dia 76,38 tapitrisa fotsiny no mpikirakira aterineto ao Pakistan. 212 tapitrisa ny isan'ny mponina [39] ao amin'ny firenena, hatramin'ny volana Janoary 2020.

Raha ny marina, tsy misy any amin'ny faritra maro ao Pakistan ny tolotra 3G/4G, anatin'izany ireo faritra misy foko, ary koa tsy afaka mividy solosaina na finday avo lenta ny tsirairay. Misy ihany koa ny elanelana eo amin'ny lahy sy vavy: raha ampitahaina amin'ny lehilahy, vitsy ny vehivavy [40] no manana fifandraisana amin'ny aterineto.

Nisioka momba ny maha-zava-dehibe ny “aterineto ho an'ny rehetra” i Nighat Daad avy amin'ny Fondation Digital Rights:

Hianika tendrombohitra ve ianao mba hidiranao amin'ny aterineto ? Manao izany isan'andro mba hanatrehana fampianarana ampitain-davitra ny mpianatra sasany ao amin'ny FATA teo aloha. Tsy tokony hifantoka amin'ny fanomezana aterineto ho an'ny rehetra ve aloha ny minisiteran'ny Teknolojia mandritra ny valan'aretina fa tsy hifantoka amin'ny fampiharana ny lalàna vaovao ?

Tamin'ny herinandro faharoa tamin'ny volana Jona 2020, nikarakara fanentanana an-tserasera [44] ny mpianatra manerana an'i Pakistan niaraka tamin'ny tenirohy #OnlineJaloos [45] (filaharana an-tserasera). Namorona tenirohy mba hanehoana ireo fanamby atrehin'ireo mpianatra amin'ny fanatrehana ny fampianarana ampitain-davitra ny Voicepk.net [46], sehatra misokatra natokana hanasongadinana ny olan'ny zon'olombelona ao Pakistan – ao anatin'izany ny fiakarana tendrombohitra [47] mba hahazoana fifandraisana fotsiny.

Nampiaka-peo [48] ihany koa ireo   [48]mpianatra monina amin'ny faritra misy ny foko ao Pakistan mba hisarihana ny sain'ny governemanta amin'ity olana ity:

Niteny tao amin'ny #OnlineJaloos, nilaza i Amir Ali avy ao amin'ny distrikan'i Chiniot fa tsy afaka manatrika ny fampianarana ampitain-davitra izy satria tsy manana solosaina sady tsy manana fitaovana hafa hidirana amin'ny aterineto ao an-tranony. Mitaky politikam-panabeazana iraisana bebe kokoa avy any amin'i @Shafqat_Mahmood izy.

Nilaza i Haris Shinwari avy ao amin'ny distrikan'i Khyber fa mbola tsy niverina tamin'ny laoniny ny tolotra aterineto any amin'ny faritra misy azy nanomboka ny volana Jona 2016 na dia teo aza ny fampanantenana sy ny fanambarana nataon'i @IMMahmoodKhan. Mbola terena izy ireo hanatrika fampianarana ampitain-davitra izay tsy azon'izy ireo atao akory.

Tamin'ny 16 Jona 2020, nanao fihetsiketsehana [57] teo ivelan'ny biraon'ny Vaomieran'ny Fampianarana Ambony (HEC) ny mpianatra tao Islamabad haneho ny ahiahin'izy ireo amin'ny fanakatonana ireo sekoly sy ny fivadihana mankany amin'ny fampianarana ampitain-davitra sy ny fanadinana vokatr'izany.

Nanao fivoriana tao amin'ny foibeny niaraka tamin'ny solontenan'ny mpianatra ny tompon'andraikitra ao amin'ny HEC ary nanome toky azy ireo fa hijery ny olan'izy ireo ny vaomiera. Na izany aza, nilaza ny iray tamin'ireo mpanatrika ny fivoriana fa na dia nanome toky an'ireo mpianatra [57] aza ny tompon'andraikitra ao amin'ny HEC fa ho vahana ny olan'izy ireo dia nanitrikitrika izy fa tsy azo foanana ny fanadinana.