Mpianatra voasambotra tany Balochistan noho ny fitakiana ny fahazoana miditra amin'ny aterineto

Ankizy any Balochistan. Sary tao amin'ny Flickr avy amin'i Beluchistan. CC BY-SA 2.0.
Nanao fihetsiketsehana hanoherana ny fianarana ampitain-davitra nokarakarain'ny kolejy sy ny oniversite noho ny fihibohana COVID-19 ireo mpianatra manerana an'i Pakistan. Tsy hoe tsy te hianatra izy ireo fa tsy afaka miditra amin'ny aterineto mihitsy satria dia faritra maro any Pakistan no tsy manana tolotra aterineto azo antoka ary tsy afaka mividy fitaovana hanamorana ny fampianarana ampitain-davitra ny ankamaroan'ny mpianatra.
Nanasongadina ny teny filamatra miaro ny fahamarinana sy ny aterineto maimaim-poana ho an'ny rehetra ny hetsi-panoherana manerana ny firenena tamin'ny 23 Jona 2020. Na izany aza, tany Quetta, Balochistan, mpianatra maromaro – vehivavy ny ankamaroan'izy ireo – no niharan'ny herisetra, voadaroka kibay ary nosamborina, ary maro no notaritaritina nankany anaty fiaran'ny polisy:
Picture 1: Students from Balochistan climbing a mountain to get signals for attending a class
Picture 2: Students in Quetta being arrested for demanding termination of online classes and provision of internet
Welcome to Naya Pakistan!#ReleaseAllStudents#SayNoToOnlineClasses pic.twitter.com/OK6B4XIcbX— Nazar Mohammad Domki (PSF) (@nazarbaloch07) June 24, 2020
Sary 1: Mpianatra avy any Balochistan mihanika tendrombohitra mba hahazo fifandraisana hanatrehana kilasy
Sary 2: Nosamborina ireo mpianatra tao Quetta noho ny fitakiana ny famaranana ny fampianarana an-tserasera sy ny fanomezana aterineto
Tongasoa eto Naya Pakistan!
Mampitombo ny tsy fitoviana ny valan'aretina
Vokatry ny fiparitahan'ny COVID-19 dia nangataka ireo sekoly mba hivadika amin'ny fampianarana ampitain-davitra manomboka amin'ny 1 Jona ny vaomiera misahana ny fampianarana ambony any Pakistan. Nanery ireo mpianatra monina any amin'ny trano fandraisam-bahiny hiverina tany an-tranony ny fanidiana ny sekoly manerana ny firenena ary avy any amin'ny faritra lavitra izay tsy misy ny fifandraisana aterineto 3G/4G ny ankamaroany.
Ny tsy fahafahana miditra amin'ny aterineto dia nahatonga ireo mpianatra hivoaka hanao fihetsiketsehana isaky ny faritany, nandà tanteraka ny fanolorana ny fampianarana ampitain-davitra:
There was zero work done on anything called “Online Class” in Pakistan. AND all of the sudden all school wants to go online …. despite they know the internet system of the region….😏😏😏
.
.#Onlineclass— Farah Jaffar (@FarahGojali) June 20, 2020
Tsy misy asa vita amin'izany antsoina hoe “fampianarana ampitain-davitra” izany ao Pakistan. ARY tampoka teo, nikasa hiditra amin'ny aterineto avokoa ny sekoly rehetra …. na dia efa fantantr'izy ireo aza ny rafitry ny aterineto ao amin'ny faritra …. 😏😏😏
All students should have equal opportunities to get their money’s worth of education. Online classes cannot deliver that in the context of Pakistan. Poor students cannot afford Internet and facilities to take online class.
#wewant3G4G
#StopOnlineClass https://t.co/mvUm3t13fI— Abdullah Gul (@WaxirAbdullah) June 21, 2020
Tokony hanana fahafahana mianatra mitovy amin'ny alàlan'ny vola eo ampelatànany ny mpianatra rehetra. Tsy azo hanatanterahana izany araka ny zava-misy ao Pakistan ny fampianarana ampitain-davitra. Tsy afaka mividy aterineto sy ny fitaovana mba ahafahana manatrika kilasy ampitain-davitra ireo mpianatra mahantra.
Tao Balochistan ihany no nitranga ny fisamborana na izany aza, izay niteraka ahiahy teo amin'ny vondrom-piarahamonina iraisampirenena ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona mitranga ao. Nandritra ny taona maro, olona an'arivony maro no niharan'ny fanjavonana an-tery ary tsy fantatra izay niafarany. Vetivety dia niparitaka be tao amin'ny tambajotra sosialy ilay vaovao, niaraka tamin'ny tenirohy malaza Avotsory ny mpianatra rehetra, ka niafara tamin'ny fanamelohana tamin'ny ankapobeny ny zava-tranga:
BREAKING:
Around 70 students arrested in Quetta for protested against online classes. Convenor of Students Action Committee, Muzammil Khan, BSO’s @jiandbaloch5 and @MahrangBaloch5 among the arrested ones. Police also used brutal force against the studnets. pic.twitter.com/Qx1oquKTVS— Haider Kaleem (@HaiderKaleemB) June 24, 2020
VAOVAO FARANY:
Mpianatra manodidina ny 70 no voasambotra tany Quetta noho ny fihetsiketsehana manohitra ny fampianarana ampitain-davitra. Isan'ireo voasambotra ilay mpanentana ny komitin'ny hetsika ho an'ny mpianatra, Muzammil Khan, BSO's @jiandbaloch5 ary MahrangBaloch5 @MahrangBaloch5 . Nampiasa herisetra tamin'ny mpianatra ihany koa ny polisy.
Nandefa horonantsary momba ny fisamborana azy i Mahrang Baloch, mpianatra mpitsabo mpandray anjara mavitrika tamin'ny politikan'ny mpianatra:
I am arrested along with other Peaceful students .we were protesting against online classes.police has beaten and arrested male and female students.This barbaric state doesn’t changed its behaviour towards oppressed nations .#SayNoToOnlineClasses pic.twitter.com/2VLfcQTG2E
— Mahrang Baloch (@MahrangBaloch5) June 24, 2020
Voasambotra niaraka tamin'ny mpianatra hafa nanao hetsi-panoherana milamina aho. Nanao fihetsiketsehana manohitra ny fampianarana ampitain-davitra izahay. Nodarohan'ny polisy sy nosamboriny ny mpianatra lahy sy vavy. Tsy nanova ny fitondrantenany amin'ireo firenena voageja ity fanjakana tsy mifaditrovana ity.
Araka ny tatitry ny polisy, voampanga ho nikarakara fihetsiketsehana nandritra ny fihibohana ireo mpianatra ireo. Mandrara tanteraka ny famoriam-bahoaka noho ny COVID-19 ny andininy faha 144 amin'ny fehezan-dalàna ady heloka bevava ao Pakistan (CrPC).
Nanambara ny mpitondratenin'ny Governemanta ao Balochistan, Liaqat Shahwani fa: “Notazonina vonjimaika ny mpianatra noho ny fiarovana azy ireo manoloana ny COVID-19 ary ho afahana tsy ho ela.” Na izany aza, nisioka ny Lehiben'ny Minisitra Balochistan, Jam Kamal Khan fa tsy nanome baiko ny polisy hisambotra ireo mpianatra ny governemanta ary tokony afahana avy hatrany izy ireo. Navoaka taorian'izay ny mpianatra rehetra .
Nanameloka ny fisamborana ihany koa ny Amnesty International Azia Atsimo.
Mandritra izany fotoana izany, namoaka ny olan'ny fampianarana ampitain-davitra ao Balochistan tao amin'ny Antenimieram-pirenena i Akhtar Mengal avy amin'ny Antokom-pirenena Balochistan , satria tsy misy tolotra 3G na 4G any amin'ny faritany.
Tsy misy aterineto mety amin'ny fampianarana ampitain-davitra
Zo fototra ny fidirana amin'ny aterineto- saingy raha araka ny DataReportal dia 76,38 tapitrisa fotsiny no mpikirakira aterineto ao Pakistan. 212 tapitrisa ny isan'ny mponina ao amin'ny firenena, hatramin'ny volana Janoary 2020.
Raha ny marina, tsy misy any amin'ny faritra maro ao Pakistan ny tolotra 3G/4G, anatin'izany ireo faritra misy foko, ary koa tsy afaka mividy solosaina na finday avo lenta ny tsirairay. Misy ihany koa ny elanelana eo amin'ny lahy sy vavy: raha ampitahaina amin'ny lehilahy, vitsy ny vehivavy no manana fifandraisana amin'ny aterineto.
Nisioka momba ny maha-zava-dehibe ny “aterineto ho an'ny rehetra” i Nighat Daad avy amin'ny Fondation Digital Rights:
Would you scale a mountain to get access to Internet? Some students in former FATA do this every day in order to attend online classes. May be IT ministry should first focus on providing internet to all during pandemic instead of focusing on enacting new laws? #InternetForAll pic.twitter.com/soJqHwL5Nt
— Nighat Dad (@nighatdad) June 22, 2020
Hianika tendrombohitra ve ianao mba hidiranao amin'ny aterineto ? Manao izany isan'andro mba hanatrehana fampianarana ampitain-davitra ny mpianatra sasany ao amin'ny FATA teo aloha. Tsy tokony hifantoka amin'ny fanomezana aterineto ho an'ny rehetra ve aloha ny minisiteran'ny Teknolojia mandritra ny valan'aretina fa tsy hifantoka amin'ny fampiharana ny lalàna vaovao ?
Tamin'ny herinandro faharoa tamin'ny volana Jona 2020, nikarakara fanentanana an-tserasera ny mpianatra manerana an'i Pakistan niaraka tamin'ny tenirohy #OnlineJaloos (filaharana an-tserasera). Namorona tenirohy mba hanehoana ireo fanamby atrehin'ireo mpianatra amin'ny fanatrehana ny fampianarana ampitain-davitra ny Voicepk.net, sehatra misokatra natokana hanasongadinana ny olan'ny zon'olombelona ao Pakistan – ao anatin'izany ny fiakarana tendrombohitra mba hahazoana fifandraisana fotsiny.
Nampiaka-peo ihany koa ireo mpianatra monina amin'ny faritra misy ny foko ao Pakistan mba hisarihana ny sain'ny governemanta amin'ity olana ity:
Speaking at the #OnlineJaloos, Amir Ali from district Chiniot says he cannot benefit from online education because he does not have a laptop or any access to the internet at home. He demands a more inclusive education policy from @Shafqat_Mahmood.#RightToEducation pic.twitter.com/7C45M3UMNJ
— Voicepk.net (@voicepkdotnet) June 9, 2020
Niteny tao amin'ny #OnlineJaloos, nilaza i Amir Ali avy ao amin'ny distrikan'i Chiniot fa tsy afaka manatrika ny fampianarana ampitain-davitra izy satria tsy manana solosaina sady tsy manana fitaovana hafa hidirana amin'ny aterineto ao an-tranony. Mitaky politikam-panabeazana iraisana bebe kokoa avy any amin'i @Shafqat_Mahmood izy.
Haris Shinwari from Khyber district says internet services have not been restored in his area since June 2016 despite promises and announcements by @IMMahmoodKhan. They are still forced to take online classes which is impossible for them.#OnlineJaloos #RightToEducation pic.twitter.com/V4S9s7jA8S
— Voicepk.net (@voicepkdotnet) June 9, 2020
Nilaza i Haris Shinwari avy ao amin'ny distrikan'i Khyber fa mbola tsy niverina tamin'ny laoniny ny tolotra aterineto any amin'ny faritra misy azy nanomboka ny volana Jona 2016 na dia teo aza ny fampanantenana sy ny fanambarana nataon'i @IMMahmoodKhan. Mbola terena izy ireo hanatrika fampianarana ampitain-davitra izay tsy azon'izy ireo atao akory.
Tamin'ny 16 Jona 2020, nanao fihetsiketsehana teo ivelan'ny biraon'ny Vaomieran'ny Fampianarana Ambony (HEC) ny mpianatra tao Islamabad haneho ny ahiahin'izy ireo amin'ny fanakatonana ireo sekoly sy ny fivadihana mankany amin'ny fampianarana ampitain-davitra sy ny fanadinana vokatr'izany.
Nanao fivoriana tao amin'ny foibeny niaraka tamin'ny solontenan'ny mpianatra ny tompon'andraikitra ao amin'ny HEC ary nanome toky azy ireo fa hijery ny olan'izy ireo ny vaomiera. Na izany aza, nilaza ny iray tamin'ireo mpanatrika ny fivoriana fa na dia nanome toky an'ireo mpianatra aza ny tompon'andraikitra ao amin'ny HEC fa ho vahana ny olan'izy ireo dia nanitrikitrika izy fa tsy azo foanana ny fanadinana.
Zahao ny pejy manokan'ny Global Voices amin'ny fiantraikan'ny COVID-19 amin'ireo fokonolona manerana izao tontolo izao Lahatsoratra rehetra
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Zahao ny pejy manokan'ny Global Voices amin'ny fiantraikan'ny COVID-19 amin'ireo fokonolona manerana izao tontolo izao Lahatsoratra rehetra
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...