- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arzatina : Raikitra indray ny fitakiana hanaovana ny fanalànjaza ho ara-dalàna, miaraka amin'ny fanantenana vao

Sokajy: Arzantina, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

(Fanamarihana:Lahatsoratra espaniôla nivoaka tamin'ny 08 Martsa 2020)

Fijery avy eny ambony ny hetsipanoherana #19F teo anoloan'ny Kaongresy arzantina. Sary ho an'ny daholobe an'ny Dronera [1].

[Raha tsy asiana fanamarihana manokana dia mitondra ho any amin'ny lahatsoratra amin'ny fiteny espaniôla ny rohy rehetra ato]

An'aliny maro ireo olona nanao fihetsiketsehana fanohanana ny hanaovana ny fanalànjaza ho ara-dalàna, teo anoloan'ny Kaongresy nasiônalin'ny Arzantina ao Buenos Aires, renivohitra, ny 19 Febroary 2020 lasa teo.

Tsy ara-dalàna [2] ao Arzantina ny fanalànjaza, ary mety hidirana am-ponja, raha tsy vokatry ny fanolànana na hoe tandindonin-doza ny ain'ilay vehivavy.

Fihetsiketsehana iray nokarakarain'ny Fanentanana nasiônaly ho amin'ny zo hanao fanalànjaza araka ny lalàna, azo antoka ary maimaimpoana [3], nafantoka tamin'ny fandaniana volavolan-dalàna iray efa fanintsiviny izao no natolotra tao amin'ny parlemanta [4]. Tanjon'io volavolan-dalàna io ny hamadihana ho ara-dalàna ny fampitsaharana an-tsitrapo ny fitondrana vohoka sy hanafoanana izay rehetra sakantsakana [5] tsy ahafahana manao fanalànjaza izay efa ny lalàna no miantoka azy.

Efa azo ambara ho nekena ilay lalàna [6] [fr] tamin'ny 2018 — neken'ny tao amin'ny Antenimieran'ireo solombavambahoaka ilay izy, saingy nolavin'ireo Loholona tamina vato 7 nanohitra, nataon'ireo loholona mpifikitra amin'ny nentindrazana, avy amina antoko politika marolafy. Noravàn'ny [7] olan'ny fanalànjaza ireo efitrefitra rehetra nentim-paharazana nisy teo amin'ireo antoko pôlitika misy ao amin'ny firenena.

Ny 2019, naverina natolotra indray [8] [fr] ilay volavolan-dalàna, saingy tsy nodinihana tamin'izany fotoana izany satria nisy ihany koa ireo fifidianana voalahatra hatao tamin'io taona io, ary safidy noraisin'ireo kandidà ny tsy hiresaka lohahevitra maha-be adihevitra. [9]

Tamin'ny 2020, niverina nidina an'arabe indray ireo mpiaro ny zon'ny vehivavy ary nanoloana ny parlemanta, niaraka tamina fanantenana vaovao sy ny teny faneva hoe « midina an-dalambe ilay volavolan-dalàna » (« El proyecto está en las calles »).

Arahaaaaaba !
Ahoana no hitondrantsika azy?
 #19F: http://bit.ly/36TqEAW
ETO AMIN'NY FIRENENA SY ERAN'IZAO TONTOLO IZAO

Mba hiarovana ny zontsika, ety an-dalamba isika androany, ety no misy ny volavolan-dalànantsika #FanalànjazaAraDalàna2020 

Nandritra ity hetsika ity, nomena anarana hoe #19F tao amin'ny aterineto, afaka re tao ireo fangatahana mba hametrahana fepetra mahakasika ny tsy fitoviana eo amin'ny lahy sy ny vavy, ny herisetra, ny famonoana vehivavy, ny fankahalàna ireo olona mitovy nefa mifanambady, ny fankahalàna ireo nanova fananahana ary ny fandaharanasa fanabeazana feno momba ny fananahana (amin'ny fiteny espaniôla) [15]. Tsy maintsy arahana any amin'ireo sekoly ao Arzantina, maro ny fahasarotana nosedrain'io fandaharanasa io tamin'ny fampiharana azy noho ny fanoheran'ireo hetsika mpifikitra amin'ny nentindrazana sy ireo mpitondra fivavahana mpanao hiringiriny.

Teo ambony sehatra iray nanoloana ny Kianjan'ny Kaongresy tao Buenos Aires, nisy ireo mpandray fitenenana naneho hevitra momba ilay fanentanana [3], ary tonga teo ihany koa ny mpikambana telo avy amin'ny fiarahamientana shiliàna Las Tesis [16]. Nohirain'izy ireo ny dika nasiana fanamboarana avy amin'ilay hira malaza hoe  «Misy mpanolana eo amin'ny làlanao » [17] [fr] nentina nanao resaka tsy loabody momba ireo fanalànjaza an-tsokosoko sy ireo tanora vehivavy voatery ho lasa reny tsy satry :

Nandritra ny herinandro, ireo media sôsialy dia tondraky ny tenifototra #19F [18]#Pañuelazo [19] (anondroana ireo mosoara nasandratra nandritra ireo fihetsiketsehana) sy ny  #AbortoLegal2020 [20] (#FanalànjazaAraDalàna2020).

Satria anay ny vatana.
Satria zonay izany.
Satria tsy ara-dalàna izy ireny, dia ho an-tsokosoko.
Satria na ho ela na ho haingana : izany no ho lalàna? #FanalànjazaAraDalàna #19F

Fanohanana ho an'ireo arzantina rahavavinay, #panuelazo manohana ny fanaovana ho ara-dalàna ny fanalànjaza! ???

ANDROANY  ANDROANY ANDROANY ANDROANY ANDROANY ANDROANY ANDROANY #panuelazo Fanabeazana ara-pananahana mba handraisana fanapahankevitra – fihinanana fanafody mba tsy hidirana amin'ny fanalànjaza ary #FanalànjazaAraDalànaAzoAntokaSyMaimaimpoana mba tsy hamoizana aina. #FanalànjazaAraDalàna2020 ?

Tsy te-hamaky vaovao tahaka izao intsony izahay. Tsy misy intsony vehivavy tokony hamoy ny ainy ao anatin'ny tahotra ny tsiambaratelo. Aoka tsy hody fanina isika. Resaka fahasalam-bahoaka ny  #FanalànjazaAraDalànaAzoAntokaSyMaimaimpoana

Na ho ela na ho haingana, #HoLalànaIzany ? #FanalànjazaAraDalàna2020

 Firaisankina Erantany

Ilay mosoara (pañuelazo) maitso, famantarana ny hetsika #19F,  no nasandratra nandritra ilay fihetsiketsehana ho fanohanana tao Arzantina ary tany amin'ireo tanàndehibe maro nanerana izao tontolo izao [32] :

Ny heriko rehetra no alefako ho an'ireo anabavy / rahavavy ao Arzantina. Averiko matetika: mianatra zavatra betsaka avy aminareo izahay. Ho vitanareo io.

?? ? #FanalànjazaAraDalàna2020

Manàla zaza ireo vehivavy Kôlômbiàna. Zavamisy izany, na ara-dalàna na tsia.

Tianay mba ho anaty fahatoniana, tsy manohintohina ny ain-dry zareo, no anaovany izany.

Fanabeazana ara-pananahana mba handraisana fanapahankevitra – fihinanana fanafody mba tsy hidirana amin'ny fanalànjaza ary #FanalànjazaAraDalànaAzoAntokaSyMaimaimpoana mba tsy hamoizana aina. #FanalànjazaAraDalàna2020  ?

Taona roa lasa izay no teraka ny #pañuelazo ary nanomboka ny adihevitra araka ny lalàna tamin'ny 2018 momba ny fanaovana ho ara-dalàna ny IVG ao Arzantina. #19F ho an'ny zo ho afaka hanàla zaza ara-dalàna, azo antoka sy maimampoana manerana an'i Amerika Latina.

« Na hanàla zaza aho natsia, safidiko izany. » ?

Mila mahatsapa ny fanohanantsika ireo rahavavy / anabavy ao Arzantina, amin'ny fampiasàna ny tenifototra #FanalànjazaAraDalàna2020. Resy lahatra izahay fa ho ara-dalàna io, tohizo ny tolona, tsy irery ianareo. 

Ankasitrahan'ny filoha vaovao ny hanao izany tsy ho heloka

Ny Desambra 2019, rehefa nandray  ny asany ny governemanta vaovaon'ny filoha Alberto Fernández [40] [fr] sy ny filoha lefitra Cristina Fernández de Kirchner [41] [fr] avy amin'ny vovonana Frente de Todos [42], nohamafisin'ny tao amin'ny fitondràna fa hodinihana amin'ny 2020 ilay volavolan-dalàna. 

Ny tenan'ny filoha Fernández mihitsy no nilaza imasom-bahoaka fa mankasitraka [43] ny fanaovana ho ara-dalàna ny fanalàna zaza, ary nanambara fa ny mpanatanteraka dia hanolotra volavolan-dalàna iray amin'ity volana ity [44] hanovàna izany ho tsy heloka intsony [45].  Fanapahana tadimpoitra amin'ilay governemantan'i  Mauricio Macri [46] [fr] (2015-2019) teo aloha izany, izay voalohany niresaka momba ny IVG tamin'ny 2018, saingy somary nitongilana nankany amin'ny mpifikitra amin'ny nentindrazana kokoa tamin'ny sehatra pôlitika.

Mitovy amin'ny tamin'ny roa taona lasa hany ny firafitry ny parlemanta arzantina, saingy betsaka ireo miaraka manantena ny hisian'ny fiovàna fomba fijery [47] ao anatin'ny tontolo pôlitika vaovao 2020. Araka ny fitsapankevitra, ny ankamaroan'ire [48]o ao Arzantina dia mankasitraka avokoa ny famadihana ho ara-dalàna ny fanalàna zaza.

Hatreto, tsy mbola nampahafantarina ny rehetra ny pitsopitsony amin'ireo volavolan-dalàna tsirairay sy ireo dingana natao tamin'ny fandrafetana azy ireny. Na inona na inona zavatra hiseho, hotohizan'ireo feminista arzantina ny tolony mandra-panoratra ao anatin'ny lalàna ny zo ho afaka manàla zaza [49].