- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fisamborana faobe ireo nandray anjara tamin'ny fifidianana savaranonando pro-demaokraty tao Hong Kong tamin'ny Jolay 2020

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Shina, Fahalalahàna miteny, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Zon'olombelona
[1]

Ireo 50+ nosamborina tao Hong Kong. Saripika avy amin'i Stand News. Nahazoana alalana.

Tamin'ny 6 janoary, mihoatra ny 50 ny mpikatroka nosamborina [2] tao Hong Kong avy amin'ny lalànan'ny fiarovam-pirenena [3] noho ny fandraisany anjara tamin'ny fifidianana savaranonandon'ny vondrona mpanohana ny demaokrasia hifaninana amin'ny fifidianana Vaomieran'ny Fanaovan-dalàna 2020 (LegCo) izay nahemotra [4] avy eo.

Anisan'ny nosamborina ry Benny Tai, ilay nanomboka ny fifidianana savaranonando; ny mpitondratenin'ny Herin'ny Demaokrasia (andry mpandrindra ny fifidianana savaranonandro), Andrew Chiu; ary ireo mpanao lalàna teo aloha toa an-dry James To, Wu Chi-wai, Andrew Wan, Lam Cheuk-ting, Helena Wong, Au Nok-hin, Chu Hoi-dick, Alvin Yeung, Kwok Ka-Ki, Jeremy Tam ary Gary Fan. Nosamborina ihany koa ireo kandidà nandray anjara tamin'ny fifidianana savaranonando, ahitana an-dry Lester Shum, Clarisse Yeung, Tiffany Yuen, Ventus Lau, Gwyneth Ho, Fergus Leung, Owen Chow, Winnie Yu, Jeffrey Andrews, Sam Cheung ary Ben Chung.

Nosamborina ihany koa [5] ny mpahay lalàna John Clancey, izay nanao fanompoana ho mpitahirivolan'ny Herin'ny Demaokrasia ary notafihan'ny polisy ny orinasa misy azy. Notafihana ihany koa ny tranon'i Joshua Wong, satria nandray anjara tamin'ny fifidianana savaranonando ihany koa ilay mpikatroka–izay any am-ponja amin'izao fotoana izao [6] [mg].

Nizara tao amin'ny Twitter ny lisitr'ireo nosamborina i Holmes Chan mpanangom-baovao Freelance:

Noankotrihina 1415: ity ny lisitra farany. Mbola tsy naharay ny tatitr'ireo fisamboarana vao haingana dia haingana izahay, saingy misy ireo anarana sasany manana sata “voamarina”. Nampiako ihany koa ny torohay fanampiny.
Jereo etsy ny takelaka nahitana izany

Ankoatra ny fisamboarana, nantsoin'ny polisy hanatrika ny famotorana ry Robert Chung sy Chung Kin-wah, PDG sy PDG-lefitra, araka ny filaharany, ao amin'ny Ivotoeram-Pikarohana ny Hevi-Bahoaka ao Hong Kong, izay nampitao ny fifidianana savananonando. Nahazo ny didin'ny fitsarana hanolotra ny antonta-taratasy mifandraika amin'ny famotoran'ny polisy ireo seha-baovao maro pro-demaokraty, ao anatin'izany ny Apple Daily News, Stand News ary inmediahk.

Mangataka amin'ny seha-baovao @StandNewsHK [12] @inmediahk [13] @appledaily_hk [14] ny polisin'i HongKong hanolotra ireo antonta-taratasy “mifandraika amin'ny raharaham-piarovam-pirenena ao anatin'ny fito andro”. Melohin'ny @RSF_inter [15] izao fanohintohinana izao ary ampirisihany ny hamerenana feno ny fahalalahan-gazety ao anatin'ny sisintany.

Mihoatra ny 600.000 ireo Hongkongers nandrotsa-bato tamin'ny fifidianana savaranonando tamin'ny jolay 2020 hifantenana izay kandidà hifaninana amin'ny fifidianana LegCo amin'ny Septambra. Nokendren'ny vondrona pro-demaokraty ny hahazo toerana mihoatra ny 35 ao amin'ny LegCo mba ahafahan'ny solotenan-dry zareo manana hery hitsipaka tsy azo ivalozana ny tetibolan'ny governemanta.

Taorian'ny fifidianana savaranonando, nametraka [17] ny Lehiben'ny Mpanatanteraka ao Hong Kong, Carrie Lam fa noho ny tanjon'ny fifidianana savaranonando hanao izay hanakanana ny fametrahana ny politikan'ny governemanta, ny fihetsika dia heverina ho “fanozongozonana” araka ny lalànan'ny fiarovam-pirenena vao nampiharina.

Namoaka fanambarana ihany koa ny Biraon'ny Fifandraisan'i Beijing ao Hong Kong, miampanga an'i Benny Tai ho mikotrika haka an-keriny ny fahefan'ny governemanta. Nampiasain'i Carrie Lam taty aoriana ny fahefan'ny hamehana COVID-19 hanemorana ny fifidianana.

Naneho ny heviny tamin'ny fisamborana faobe ny sekreteran'i Hong Kong misahana ny Fiarovana, John Lee, izay mbola namerina ny fanambaràna teo aloha avy amin'i Carrie Lam sy ny any Beijing. Tamin'ny fanononana ny fanehoan-kevitr'i Benny Tai tao amin'ny Apple Daily momba ny fivoarana ara-politika 2020-2022, niteny [18] i Lee :

The people involved are suspected of making use of what they call a 35+ plan and a ten-step mutual destruction scheme to someway [sic] paralyse the Hong Kong government.

Ireo olona voasaringotra dia ahiahiana ho mampiasa ireo lazainy no tetika 35+ sy ny paikan'ny dingana folo ifamotehana mba tsy ahafahan'ny governemantan'i Hong Kong mihetsika.

Efa nanambara mialoha i Benny Tai tamin'ny Avrily 2020 fa tsy ho ampiharina ny lalànan'ny fiarovam-pirenena mandra-pahatapitry ny taona 2021, saingy nolanian'i Beijing 18 volana mialoha ny lalàna hamoretana ny hery demaokratika ao Hong Kong.

Nosoritan'ny filohan'ny Antoko Sivika Alan Leong tao amin'ny valan-dresaka ho an'ny gazety [19] fa zo ara-dalàmpanorenana ananan'ny mpanao lalàna ny mifidy manohitra ny tetibola. Nasehon'ny filohan'ny Antoko Demaokratika, Lo Kin-hei, ihany koa ny finoana fa ny fisamborana dia ho famaliana faty ireo politisianina nahazo fanohanana avy amin'ny vahoaka.

Milaza ny vondrona pro-demaokrasian'i Hong Kong fa hita miharihary ny manampahefana fa mamaly faty amin'ireo politisianina nahazo ny fanohanan'ny vahoaka, nanontany hoe nahoana ny polisy no mila volana maromaro hamaliana ny savaranonandon'ny LegCo raha lazainy ho tena bevava ny heloka.

Naneho hevitra i Maya Wang mpanao fikarohana momba an'i Shina ao amin'ny Human Rights Watch:

Nikisaka haingana dia haingana ny tsipika mena ao Hong Kong ka nahatonga ny fisamborana mpahay lalàna sy fanafihana ny orinasa misahana lalàna. Ho lava tokoa ity taona 2021 ity.

Maro, ao anatin'izany ny artista-mpikatroka Baidiucao, nitsikera ny Vondrona Eoropeana tamin'ny fanasoniavana fifampiraharahana ara-pampiasambola nifanaovana tamin'i Shina [24] ka nampisy ny famoretana ara-politika nataon'i Beijing tao Hong Kong:

Raha tsy misy ny fanomezan-tokin'ny Vondrona Eoropeana an'i Beijing, dia tsy ho nisy ny fisamborana faobe ireo olo-malazan'ny demaokrasia mihoatra ny 50 isa.

Namoaka antso ho an'ny Parlemanta Eoropeana ny mpikatroka an-tsesitany Nathan Law:

Ho setrin'ny famoretana ara-politika tao Hong Kong, mandrisika ny Parlemanta Eoropeana aho hampitsahatra ny fifampiraharahana ara-pandraharahana ifanaovan'ny UE amin'i Shina sy hanasazy ireo tompon'andraikitra amin'ny fisamborana. Retweet raha mitovy hevitra ianao hoe tokony hanao VETO ny volavolan-dalàna ny MEP ary tokony hihetsika ny UE

Antony Blinken, tinendrin'ny Filoha-voafidy Biden ao Etazonia handray ny toeran'ny Sekreteram-panjakana, no faingana tamin'ny fiantohana ny fanohanana ara-pitantanam-panjakana avy amin'i Biden-Harris ho an'ny vahoakan'i Hong Kong :

Ny fisamborana faobe ny mpanao fihetsiketsehana mpanohana ny demaokrasia dia famelezana ireo mahasahy manao angoa-tenda hiaro ny zo manerantany. Ny fitondram-panjakana Biden-Harris dia hijoro miaraka amin'ny vahoakan'i Hong Kong ho fanoherana famoretana ataon'i Beijing amin'ny demaokrasia.

Ary manoritsoritra ny fampitahana eo amin'ny famoretana ny demaokrasia sy ny valan'aretina ny mpikatroka-mpampiasa vola David Webb:

Tsy mbola nihevitra mihitsy hoe hisy ny andro eto HK ka maro kokoa noho ny trangan'ny tratran'ny valan'aretina ny isan'ny vondrona demaokraty nosamborina. Saingy raha ho zero no tanjon'ny governemanta, ny olana dia efa tratra ny ankamaroan'ny vahoaka ary tsy misy ny vaksiny fanefitry ny demaokrasia.

Tamin'ny 6 Janoary 2021, dia 20 ny isan'ny olona voamarina fa vao tratran'ny COVID-19.