Tamin'ny 6 janoary, mihoatra ny 50 ny mpikatroka nosamborina tao Hong Kong avy amin'ny lalànan'ny fiarovam-pirenena noho ny fandraisany anjara tamin'ny fifidianana savaranonandon'ny vondrona mpanohana ny demaokrasia hifaninana amin'ny fifidianana Vaomieran'ny Fanaovan-dalàna 2020 (LegCo) izay nahemotra avy eo.
Anisan'ny nosamborina ry Benny Tai, ilay nanomboka ny fifidianana savaranonando; ny mpitondratenin'ny Herin'ny Demaokrasia (andry mpandrindra ny fifidianana savaranonandro), Andrew Chiu; ary ireo mpanao lalàna teo aloha toa an-dry James To, Wu Chi-wai, Andrew Wan, Lam Cheuk-ting, Helena Wong, Au Nok-hin, Chu Hoi-dick, Alvin Yeung, Kwok Ka-Ki, Jeremy Tam ary Gary Fan. Nosamborina ihany koa ireo kandidà nandray anjara tamin'ny fifidianana savaranonando, ahitana an-dry Lester Shum, Clarisse Yeung, Tiffany Yuen, Ventus Lau, Gwyneth Ho, Fergus Leung, Owen Chow, Winnie Yu, Jeffrey Andrews, Sam Cheung ary Ben Chung.
Nosamborina ihany koa ny mpahay lalàna John Clancey, izay nanao fanompoana ho mpitahirivolan'ny Herin'ny Demaokrasia ary notafihan'ny polisy ny orinasa misy azy. Notafihana ihany koa ny tranon'i Joshua Wong, satria nandray anjara tamin'ny fifidianana savaranonando ihany koa ilay mpikatroka–izay any am-ponja amin'izao fotoana izao [mg].
Nizara tao amin'ny Twitter ny lisitr'ireo nosamborina i Holmes Chan mpanangom-baovao Freelance:
#Update 1415: This is the latest list. We haven't received reports of fresh arrests, but some names have had their status change to “verified.” I've also added supplementary info.
See source spreadsheet here: https://t.co/uJji7uCeuA pic.twitter.com/LvSUNXK2Rc
— Holmes Chan (@holmeschan_) January 6, 2021
Noankotrihina 1415: ity ny lisitra farany. Mbola tsy naharay ny tatitr'ireo fisamboarana vao haingana dia haingana izahay, saingy misy ireo anarana sasany manana sata “voamarina”. Nampiako ihany koa ny torohay fanampiny.
Jereo etsy ny takelaka nahitana izany
Ankoatra ny fisamboarana, nantsoin'ny polisy hanatrika ny famotorana ry Robert Chung sy Chung Kin-wah, PDG sy PDG-lefitra, araka ny filaharany, ao amin'ny Ivotoeram-Pikarohana ny Hevi-Bahoaka ao Hong Kong, izay nampitao ny fifidianana savananonando. Nahazo ny didin'ny fitsarana hanolotra ny antonta-taratasy mifandraika amin'ny famotoran'ny polisy ireo seha-baovao maro pro-demaokraty, ao anatin'izany ny Apple Daily News, Stand News ary inmediahk.
#HongKong police demanded independent news outlets, @StandNewsHK @inmediahk @appledaily_hk to hand over documents “in connection with national security cases within seven days.” @RSF_inter denounces this harassment and urges for full press freedom in the territory to be restored.
— RSF in English (@RSF_en) January 6, 2021
Mangataka amin'ny seha-baovao @StandNewsHK @inmediahk @appledaily_hk ny polisin'i HongKong hanolotra ireo antonta-taratasy “mifandraika amin'ny raharaham-piarovam-pirenena ao anatin'ny fito andro”. Melohin'ny @RSF_inter izao fanohintohinana izao ary ampirisihany ny hamerenana feno ny fahalalahan-gazety ao anatin'ny sisintany.
Mihoatra ny 600.000 ireo Hongkongers nandrotsa-bato tamin'ny fifidianana savaranonando tamin'ny jolay 2020 hifantenana izay kandidà hifaninana amin'ny fifidianana LegCo amin'ny Septambra. Nokendren'ny vondrona pro-demaokraty ny hahazo toerana mihoatra ny 35 ao amin'ny LegCo mba ahafahan'ny solotenan-dry zareo manana hery hitsipaka tsy azo ivalozana ny tetibolan'ny governemanta.
Taorian'ny fifidianana savaranonando, nametraka ny Lehiben'ny Mpanatanteraka ao Hong Kong, Carrie Lam fa noho ny tanjon'ny fifidianana savaranonando hanao izay hanakanana ny fametrahana ny politikan'ny governemanta, ny fihetsika dia heverina ho “fanozongozonana” araka ny lalànan'ny fiarovam-pirenena vao nampiharina.
Namoaka fanambarana ihany koa ny Biraon'ny Fifandraisan'i Beijing ao Hong Kong, miampanga an'i Benny Tai ho mikotrika haka an-keriny ny fahefan'ny governemanta. Nampiasain'i Carrie Lam taty aoriana ny fahefan'ny hamehana COVID-19 hanemorana ny fifidianana.
Naneho ny heviny tamin'ny fisamborana faobe ny sekreteran'i Hong Kong misahana ny Fiarovana, John Lee, izay mbola namerina ny fanambaràna teo aloha avy amin'i Carrie Lam sy ny any Beijing. Tamin'ny fanononana ny fanehoan-kevitr'i Benny Tai tao amin'ny Apple Daily momba ny fivoarana ara-politika 2020-2022, niteny i Lee :
The people involved are suspected of making use of what they call a 35+ plan and a ten-step mutual destruction scheme to someway [sic] paralyse the Hong Kong government.
Ireo olona voasaringotra dia ahiahiana ho mampiasa ireo lazainy no tetika 35+ sy ny paikan'ny dingana folo ifamotehana mba tsy ahafahan'ny governemantan'i Hong Kong mihetsika.
Efa nanambara mialoha i Benny Tai tamin'ny Avrily 2020 fa tsy ho ampiharina ny lalànan'ny fiarovam-pirenena mandra-pahatapitry ny taona 2021, saingy nolanian'i Beijing 18 volana mialoha ny lalàna hamoretana ny hery demaokratika ao Hong Kong.
Nosoritan'ny filohan'ny Antoko Sivika Alan Leong tao amin'ny valan-dresaka ho an'ny gazety fa zo ara-dalàmpanorenana ananan'ny mpanao lalàna ny mifidy manohitra ny tetibola. Nasehon'ny filohan'ny Antoko Demaokratika, Lo Kin-hei, ihany koa ny finoana fa ny fisamborana dia ho famaliana faty ireo politisianina nahazo fanohanana avy amin'ny vahoaka.
#HongKong‘s pro-democracy camp say the authorities are clearly just taking revenge on politicians that have the support of the people, asking why the police took so many months to respond to their Legco primaries if they amounted to such a serious crime. https://t.co/XKsYTES5TL
— RTHK English News (@rthk_enews) January 6, 2021
Milaza ny vondrona pro-demaokrasian'i Hong Kong fa hita miharihary ny manampahefana fa mamaly faty amin'ireo politisianina nahazo ny fanohanan'ny vahoaka, nanontany hoe nahoana ny polisy no mila volana maromaro hamaliana ny savaranonandon'ny LegCo raha lazainy ho tena bevava ny heloka.
Naneho hevitra i Maya Wang mpanao fikarohana momba an'i Shina ao amin'ny Human Rights Watch:
The red line has moved so significantly in #HongKong already to arresting lawyer and raiding law firm. 2021 will be a long one. https://t.co/P8xmR5k2YW
— Maya Wang 王松莲 (@wang_maya) January 6, 2021
Nikisaka haingana dia haingana ny tsipika mena ao Hong Kong ka nahatonga ny fisamborana mpahay lalàna sy fanafihana ny orinasa misahana lalàna. Ho lava tokoa ity taona 2021 ity.
Maro, ao anatin'izany ny artista-mpikatroka Baidiucao, nitsikera ny Vondrona Eoropeana tamin'ny fanasoniavana fifampiraharahana ara-pampiasambola nifanaovana tamin'i Shina ka nampisy ny famoretana ara-politika nataon'i Beijing tao Hong Kong:
Without EU?? assurance to Beijing recently, there won’t b today’s HK massive arrest on 50+ pro democracy figures.
— 巴丢草 Badiucao (@badiucao) January 6, 2021
Raha tsy misy ny fanomezan-tokin'ny Vondrona Eoropeana an'i Beijing, dia tsy ho nisy ny fisamborana faobe ireo olo-malazan'ny demaokrasia mihoatra ny 50 isa.
Namoaka antso ho an'ny Parlemanta Eoropeana ny mpikatroka an-tsesitany Nathan Law:
In response to Hong Kong's political crackdown, I urge the European Parliament to halt the EU-China investment deal and EU to sanction China&HK officials who are responsible to the arrests.#Retweet if you agree MEP should VETO the bill and EU should act.#StandwithHongKong
— Nathan Law 羅冠聰 ? (@nathanlawkc) January 6, 2021
Ho setrin'ny famoretana ara-politika tao Hong Kong, mandrisika ny Parlemanta Eoropeana aho hampitsahatra ny fifampiraharahana ara-pandraharahana ifanaovan'ny UE amin'i Shina sy hanasazy ireo tompon'andraikitra amin'ny fisamborana. Retweet raha mitovy hevitra ianao hoe tokony hanao VETO ny volavolan-dalàna ny MEP ary tokony hihetsika ny UE
Antony Blinken, tinendrin'ny Filoha-voafidy Biden ao Etazonia handray ny toeran'ny Sekreteram-panjakana, no faingana tamin'ny fiantohana ny fanohanana ara-pitantanam-panjakana avy amin'i Biden-Harris ho an'ny vahoakan'i Hong Kong :
The sweeping arrests of pro-democracy demonstrators are an assault on those bravely advocating for universal rights. The Biden-Harris administration will stand with the people of Hong Kong and against Beijing’s crackdown on democracy. https://t.co/nSj8dr3OEg
— Antony Blinken (@ABlinken) January 6, 2021
Ny fisamborana faobe ny mpanao fihetsiketsehana mpanohana ny demaokrasia dia famelezana ireo mahasahy manao angoa-tenda hiaro ny zo manerantany. Ny fitondram-panjakana Biden-Harris dia hijoro miaraka amin'ny vahoakan'i Hong Kong ho fanoherana famoretana ataon'i Beijing amin'ny demaokrasia.
Ary manoritsoritra ny fampitahana eo amin'ny famoretana ny demaokrasia sy ny valan'aretina ny mpikatroka-mpampiasa vola David Webb:
Never thought I'd see the day in #HK when more pan-democrats are arrested than there are pandemic cases. But then the Government's target is zero, after all. The problem is that the majority of the population has already been infected and there's no vaccine for democracy.
— Webb-site (@webbhk) January 6, 2021
Tsy mbola nihevitra mihitsy hoe hisy ny andro eto HK ka maro kokoa noho ny trangan'ny tratran'ny valan'aretina ny isan'ny vondrona demaokraty nosamborina. Saingy raha ho zero no tanjon'ny governemanta, ny olana dia efa tratra ny ankamaroan'ny vahoaka ary tsy misy ny vaksiny fanefitry ny demaokrasia.
Tamin'ny 6 Janoary 2021, dia 20 ny isan'ny olona voamarina fa vao tratran'ny COVID-19.