- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

2020, nakaton'i Arzantina tamin'ny latsabato manan-tantara naneken'ireo Loholona ny fanalànjaza.

Sokajy: Arzantina, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

“Tombotsoan-tsaranga ny fahatafavoahana velona amin’ny fanalànjaza.” Fiaretantory (fiambenana) tao Buenos Aires nandritra ny adihevitry ny Kaongresy momba ny fanalànjaza tamin'ny taona 2018. Saripika an'i Juan Diez tao amin'ny Wikimedia Commons [1] (CC BY-SA 4.0) [2].

Tamin'ny maraimben'ny 30 Desambra, taorian'ny fivoriana naharitra 13 ora mahery, ary taorian'ny iray volana mahery nisian’ny  hevitra mifanohitra [3] , “fampielezan-kevitra maloto [4],  hetsi-panoherana [5] sy fiambenana  [6]teny an-dalambe,  nanamarika ny tantara [7] ny Loholona Amerikàna rehefa nandany ny lalàna momba ny Fampitsaharana an-tsitrapo ny fitondrana vohoka [8]. Ity lalàna ity dia manao ho ara-dàlana ny zo amin'ny fanalànjaza [9], tsy misy faneriterena na antony, ho an'ny vohoka hatramin'ny 14 herinandro. Lany tamin'ny 38 vato mpanohana, 29 vato mpanohitra, ary iray tsy naneho hevitra.

(Fanazavana ny anaty sary: Lahatsary nalaina tamin'ny vaovao an-tsary arzantina amin'ny fiteny espaniôla « Izay no lalàna – ara-dalàna ny fanalànjaza » )

Tamin'ny fandaniana io volavolan-dalàna io, i Arzantina no lasa firenena [10]  fahadimy tany Amerika Latina nanao ho ara-dalàna ny fanalànjaza  – aorian'ny Kiobà, Goiana, Pôrtô Rikô, ary Orogoay – ary lasa fahafito manerana ny kaontinanta amerikana iray manontolo.

Nampanantena [11]ny Filoha Alberto Fernàndez hatramin'ny niatombohan'ny fe-potoana fiasàny, izay nanomboka tamin'ny volana desambra 2019, fa hanolotra ilay olana ny voalohandohan'ny volana Martsa, saingy naato anefa ny zava-drehetra noho ny fepetran'ny hamehana [12]napetraka mba hampitsaharana ny fiparitahan'ny COVID-19. Taorian'ny fanerena [13] avy amin'ireo fikambanam-behivavy manerana ny firenena , dia nandefa ilay volavolan-dalàna ho any amin'ny Kongresy  [14] izy ny 16 Novambra. Nanomboka tamin'ny 1 Desambra ny fizotrin'ny fankatoavana ary nifarana tamin'ny latsabato lehibe ny 30 Desambra.

Ny taona 2018 no fotoana voalohany [16] niadian-dry zareo hevitra momba ilay volavolan-dalàna. Tamin'izany fotoana izany no nahazoana fankatoavana avy amin'ny Antenimieran'ny solombavambahoaka, saingy nolavin’ [17]ny Loholona niaraka tamin'ny elanelam-bato fito anefa izany taty aoriana. Na teo aza ny fihemorana, nitohy hatrany ny fikatrohana [18] satria nijanona teny ihany foana ny olana ary ny fakàna fankatoavan'ny daholobe [19]an'ilay volavolan-dalàna no notakian'ilay fanentanana; izany dia nanamafy ny fampitombona vàhana ny “Green Tide [20]” sy ireo tambajotra fanampiana an'ireo izay mila mandalo fanalànjaza azo antoka.

Nanjary lohateny lehibe  [21]tamin'ny media nasionaly [22] sy iraisam-pirenena  [23]ny tatitrin'ny vaovao momba ny fandaniana io lalàna io. Nameno ny arabe ny hetsika fanehoana hafaliana [24]. Tondraka fanehoana hifaliana be koa tao amin’ny media sôsialy [25]. Ity ny hafatra avy amin'ny ‘’ Amnesty International Argentina [26]’’ :

Tampoka teo dia lasa fihetseham-po daholo izany. Fandresena ho an'ny hetsiky ny vehivavy. #EsLey (LalànaIzany) [27] #AbortoLegal2020 (FanalànjazaAraDalàna2020) [28]

— Amnistía Internacional Argentina (@amnistiaar) 30 Desambra, 2020 [30]

Ireto ny sasany amin'ireo fanehoankevitra avy amin'ny lafivalon'i Arzantina:

Tsy misy inona ambara, fa fihetseham-po ihany no zaraina.  #EsLey [27] ?

Lahatsarin'i @vicki_freire [31] pic.twitter.com/qKfCiKTwoX [32]

— Editorial Chirimbote (@ChirimboteEd) 30 Desambra, 2020 [33]

Vao tonga mihintsy aho, ary mbola tsy mety mino. Nandro aho, nifoha i Renata ary ny zavatra voalohany nolazainy tamiko dia ny hoe “io no lalàna ve Neny ? “. “ENY”, hoy aho taminy ary nifanoroka sy nifamihinana izahay izay tsy hohadinoiko mihitsy eo amin'ny fiainako. Ho an'i Reni sy ho an'ny rehetra. #EsLey (io no làlana) [27] ?

— Rosario (@RoGarriga) 30 Desambra, 2020 [34]

Maraina mafinaritra, sa tsia ? #ESLEY (Io no làlana) [35]

— Miaytsu (@Miggmicaela) 30 Desambra, 2020 [37]

Fanalànjaza ara-dalàna : nanao latsabato manan-tantara i Arzantina ho fanohanana ny fiainana sy ny fahasalaman'ny zazavavy , ny vehivavy ary ny olona bevohoka.

Toy izao no fomba hankalazàntsika azy.#Cordoba [38] #AbortoLegal2020 (Legal Abortion 2020) [28]

— Paula Hernández ? (@PaulidelSur) 30 Desambra, 2020 [40]

Toy izao no nankalazàn (ny tanànan'i) Mendoza#ESLEY [35] #AbortoLegalYa [41] #AbortoLegal2020 [28] pic.twitter.com/qGwBD70UYe [42]

— Cecilia Soria ?✊ (@Ceci_Soria_) 30 Desambra, 2020 [43]

Fiarahabana avy any ivelan'i Arzantina

Tao amin'ny ”Twitter”, nisy ihany koa ny fankalazana sy fiarahabana avy any ivelany. Ireto ny sasany amin'ireo hafatra avy any Espaina:

Nifoha aho nahita an'i Arzantina afaka sy feminista kokoa. Tsy hisy terena hiteraka intsony. Azo antoka kokoa ho an'ny vehivavy rehetra i Arzantina ?#ESLEY [35]

— Madame Artichaut ♀?? (@alcachofit4) 30 Desambra, 2020 [45]

Nahazo valiny ihany nony farany ny tolona lavitra nataon'izy ireo.
Arahabaina, Arzantina. Fanalànjaza izao! #esLey [46]

— Luiso García (@luixo80) 30 Desambra, 2020 [49]

Arahabaina ry namana ao Arzantina! Ny zava-bitanareo tamin'ny tolona nataonareo dia midika zo, midika fahamendrehana, midika fiainana!?✊#ESLEY [35]

— Chica Torpedo? ??? (@lachicatorpedo) 30 Desambra, 2020 [51]

Arabaina, Arzantina! #EsLey [27] #AbortoLegal202 [28]

Sary: @/mayragiselle.r en Instagram pic.twitter.com/08zKQdGEdD [52]

— ⚡Troyiqueer Ana???? (@analadetuiter) 30 Desambra, 2020 [53]

Amin'ny anaran'ny vondrona feminista chiliana HARTAS, niarahaba ireo Arzantina ry zareo:

Toy izao no fomba firosontsika #MareaVerde (Onja Maintso)
Fihina ho an'ireo namanay ao Arzantina #AbortoLegal2020 [28] #EsLey [27] ?

— #HartasMujeres (@HARTASMujeres) 30 Desambra, 2020 [56]

Ny fiaraha-mientana “No Te Calles” dia nandefa ny arahabany avy any Mexico:

Eny, nahavita izany i Arzantina! ???
Avy aty Meksika izahay no miarahaba sy manoroka azy ireo noho ny tolona tsy misy fitsaharany nataony, ho feminista daholo i Amerika Latina!  #EsLey [27]

— ColectivaNoTeCalles (@NoTeCallesMor) 30 Desambra 2020 [58]

Avy any Bolivia, hoy i Artemisa [59]:

Namihina ahy izy raha nitomany aho nandre ny vaovao. Fomba tsara tsy nisy tahaka izao namaranana ity 2020 ity.?#EsLey [27].

— Artemisa (@TuAquelarre) 30 Desambra, 2020 [61]

Nankalazaina tao Venezoela ihany koa ilay vaovao, ary toy izao ny nolazain'ny olona iray:

Nifoha aho no nahita fa vita ilay lalàna ? Nivaly ny tolona natao an-taona maro. #EsLey [27]
???? Ny onja maintso ????

Manantena aho fa ho vitantsika ao #Venezuela [62] io zava-bita io. pic.twitter.com/wS8PBx4HGS [63]

— Mariana ?? (@Marifergui) 30 Desambra, 2020 [64]