- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miaro ny zon'ny vondron'olona vitsy an'isa sy ny niova fananahana ao Pakistan i R Umaima Ahmed

Sokajy: Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV

 

Sary natolotr'i R Umaima Ahmed ary nahazoana alàlana.

Fanamarihana avy amin'ny bilaogin'ny vondrom-piarahamonina: Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny andian-dahatsoratra vaovao antsoina hoe GVer of the Week izay hanasongadinanay mpikambana iray ao amin'ny vondrom-piarahamonina samihafa notendren'ny iray amin'ireo mpiara-miasa aminy isaky ny Alarobia. Fenoy ity takelaka   [1]ity raha maniry hanendry olona hatolotra eto ianao.

Avy any Lahore, Pakistan i R Umaima Ahmed. [2] Roa taona sy tapany izy no nandray anjara tato amin'ny GV ary efa nahavita nanoratra lahatsoratra miisa 40 mahery. Maro samihafa ny lohahevitra nosoratany, anisan'izany ny fiarovana ny fahalalahana maneho hevitra an-jotra, ny zon'ny biby ary ny zon'ny vehivavy anjotra. Amin'ity resadresaka natao tamin'ny alàlan'ny imailaka ity dia milaza amintsika bebe kokoa momba ny nanombohany tato amin'ny GV i R Umaima ary faly ihany koa izy mizara ireo zava-mahaliana ara-kolontsaina sy ny nahandro maro hita any amin'ny tanàndehibe misy azy.

Global Voices: Inona no ataonao any ivelan'ny GV ? Inona no zavatra hafa mahaliana anao?

I was employed full time at The News on Sunday till November, which took up my time. After office hours, I was contributing to a few online platforms. And until recently was the Regional Gate Keeper for Digital Rights Foundation Pakistan [3], and a panelist and trainer in their workshops. I have an interest in human, transgender, minority, and animal rights issues.

Niasa tontolo andro tao amin'ny The News hita ao amin'ny Sunday aho hatramin'ny volana Novambra, izay nameno ny fotoako. Mandray anjara amin'ny sehatra an-tserasera vitsivitsy aho rehefa avy miasa. Ary vao haingana aho no Mpanara-maso sy Mpamoaka Vaovao ho an'ny Faritra ao amin'ny Digital Rights Foundation Pakistan [3], sady mpandray anjara fitenenana no mpampiofana ao amin'ny atrikasa. Mahaliana ahy ny olan'ny maha-olombelona, ​​ireo niova fananahana, ireo vitsy an'isa ary ny zon'ny biby.

GV: Inona ny zavatra mahasarika ny olona aminao ?

While I may appear to be staid and reserved, people who know me, find me easy to communicate with and feel comfortable sharing their problems with me.

Na dia ohatra ny milamina sy tsy miteny firy aza no fijery ahy, ireo olona mahalala ahy dia mahita fa sariaka aho ary tsy misalasala izy ireo mizara ny olany amiko.

GV: Inona no tianao ho fantatry ny olona momba ny toerana onenanao ?

Lahore is Pakistan's second biggest city which was founded around 1000 BC. It is the center of Pakistan's cultural heritage and exerts a strong cultural and social influence in Pakistan. Lahore is the main center for Pakistan's publishing industry, and the center of Pakistan's literary scene.

The city is a major hub of education in Pakistan, and has some of Pakistan's leading universities in the city. Pakistan's film industry, Lollywood [4] is based in Lahore. It is also the home to a number of Sufi mystic shrines and is a center of Qawwali music.

Pakistan's tourist industry major attractions in Lahore include the Walled City, the Badshahi [5] (Kings) and Wazir Khan [6] (Ministers) mosques, and Sikh Gurdawara's. Lahore also has the Lahore Fort and Shalimar Gardens, both UNESCO World Heritage Sites.

Lahoris are fond of food, and the city has areas which offer ethnic cuisine both seasonal and year round, from street food Dhabas [7] (Kiosks) to five-star ambiance!

Lahore no tanàndehibe lehibe indrindra faharoa any Pakistan izay niorina tamin'ny taona 1000 talohan'i JK. Ao no foiben'ny lova ara-kolontsaina ao Pakistan ary misy ny taratra (fitaomana) ara-kolontsaina sy sosialy matanjaka ihany koa. Foiben'ny indostrian'ny famoahan-gazety ao Pakistan ihany koa i Lahore sady foiben'ny sehatry ny haisoratra ao Pakistan.

Foibem-pampianarana lehibe ny tanàndehibe ary misy ireo oniversite sangany ao Pakistan. Ao Lahore no misy ny indostrian'ny sarimihetsik'i Pakistan, Lollywood [4]. Fonenan'ny toerana masina mistika Sufi ihany koa ao an-toerana ary foiben'ny mozika Qawwali.

Ao Lahore no anisan'ny ahitana ny indostrian'ny fizahan-tany lehibe ao Pakistan dia ny Walled City, ireo moskea Badshahi [5] (Mpanjaka) sy Wazir Khan [6] (Minisitra) ary ny an'i Sikh Gurdawara. Misy ny Manda Lahore sy ny Zaridaina Shalimar ihany koa ao Lahore izay samy Harem-bakoka Erantany ao anaty lisitry ny UNESCO.

Mankafy sakafo ny Lahoris, ary ahitana ireo toerana manolotra ireo karaza-nahandro isam-paritra ao an-tanàndehibe na io arakaraka ny vanim-potoana na isan-taona, hatramin'ny sakafo an-dalambe Dhabas [7] (tranokely) ka hatramin'ny ambiansy kintana dimy!

GV: Ahoana no nahitanao ny GV sy ny nanombohanao handray anjara ?

A friend who is a GV contributor introduced me to Rezwan [8] and from that point I have had the privilege to be a contributor.

Namana iray mpandray anjara ato amin'ny GV no nampahafantatra ahy an'i Rezwan [8] ary nanomboka tamin'izay no nahafahako nandray anjara.

GV: Nahoana no zava-dehibe ny GV araka ny eritreritrao ?

I contribute as it gives me an opportunity share stories about Pakistan and get my creative juices flowing! It also connects me with other contributors and builds relationships to increase my knowledge and repertoire of cultural and social data!

Manome ahy ny hirika izarana tantara momba an'i Pakistan ny fandraisako anjara ary ankafizako ny tsiron'ny famoronako! Mampifandray ahy amin'ireo mpandray anjara hafa ihany koa izany ary manangana fifandraisana hampitomboana ny fahalalako sy ny fandraketako ny angondrakitra ara-kolontsaina sy ara-tsosialy!

GV: Ahoana no nanovan'ny GV ny fomba fijerinao an'izao tontolo izao ?

By making me aware of the different cultural milieu of other places in the world.

Tamin'ny nampahafantarany ahy ny toerana samihafa ara-kolotsaina any amin'ny toerana hafa eto amin'izao tontolo izao.

Araho ao amin'ny Twitter i R Umaima Ahmed  @umaimablogger [9].