- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Indonezia: Manohitra ny fifohana sigara, ny yoga ary ny famatorana ny fantson-dranonaina ny Fatwa….

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Fahasalamàna, Fivavahana, gazety, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona

(Lahatsoratra tamin'ny volana Janoary 2009)

Namoaka Fatwa [1] manohitra ireto manaraka ireto ny herinandro lasa teo ny Filankevitry ny Ulema Indoneziana (MUI), fahefana Islamika ambony indrindra ao amin'ny firenena:

1. A ban on aspects of yoga that contain Hindu elements.

2. A ban on vote abstention if “qualified” candidates exist.

3. A ban on smoking by children and pregnant women, and in public places.

4. A ban on abortion unless the mother is a rape victim, the pregnancy endangers her life, or the fetus is aged less than 5 weeks.

5. A ban on vasectomy because the process is “irreversible”.

6. A ban on marriage with minors, based on a 1974 law that forbids men under 19 and women under 16 years old from marrying.

1. Fandrarana ny yoga izay misy singa Haindò.

2. Fandrarana ny fandavana ny fifidianana raha misy ny kandidà “voafantina”.

3. Fandrarana ny fifohana sigara ataon'ny ankizy sy ny vehivavy bevohoka eny amin'ny toeran'ny daholobe.

4. Fandrarana ny fanalan-jaza raha tsy hoe iharan'ny fanolanana ny reny na mampidi-doza azy ny fitondrana vohoka, na latsaky ny 5 herinandro ny zaza ao am-bohoka.

5. Fandrarana fanapahana ny fantson-dranonaina satria “tsy azo averina” amin'ny laoniny intsony izany.

6. Fandrarana ny fanambadiana amin'ireo zaza tsy ampy taona, araka ny lalàna tamin'ny taona 1974 izay mandrara ny lehilahy latsaky ny 19 taona sy ny vehivavy latsaky ny 16 taona tsy hanambady.

The edict against yoga has captured the attention of many people in the world. A few weeks ago, Malaysia also banned the mantras [2] associated with yoga. Indonesians are debating the fatwa in an online forum [3]. As expected, yoga teachers [4] criticized the ban on yoga:

Nahasarika ny sain'ny olona maro manerantany ny didy mikasika ny yoga. Herinandro vitsivitsy lasa izay, nandrara ireo mantras [2] mifandraika amin'ny yoga ihany koa i Malezia. Miady hevitra momba ny fatwa ao anaty fifanakalozan-kevitra an-tserasera  [3]ny Indoneziana. Araka ny efa nampoizina, nitsikera ny fandraràna ny yoga ireo mpampianatra yoga [4]:

“To me, yoga is not something that can be regulated by clerics. It’s up to the individual how they practice it,” said Pujiastuti Sindhu, a Muslim and the owner of the Yoga Leaf Studio in Bandung, south of the capital Jakarta.

“The clerics are afraid that people who practice yoga are worshipping another god but we are not. It’s only because they don’t understand what yoga is and they feel it’s a threat. They should go to yoga class and try it.”

“Amiko, zavatra tsy azo fehezin'ny mpitondra fivavahana ny yoga. Anjaran'ny tsirairay ny fomba fampiharana izany, ”hoy i Pujiastuti Sindhu, Miozolomana sady tompon'ny Sekolin'ny Yoga any Bandung, atsimon'ny renivohitra Jakarta.

“Matahotra ny mpitondra fivavahana fa manompo andriamani-kafa ny olona mampiasa yoga kanefa tsy izany no izy. Satria tsy azon'izy ireo hoe inona ilay yoga ary tsapan'izy ireo fa fandrahonana izany. Tokony handeha any amin'ny fampianarana yoga izy ireo ary hanandrana izany. ”

Ireto misy fanehoan-kevitra vitsivitsy momba ny Fatwa tao amin'ny Twitter:

astrid_amalia [5]: If yoga is a sin, then let me live in my own sin. Yoga has proven 2 open my eyes about God, so where's the sin?

ifahmi [6]: I do read the Fatwa. And for me all of them are stupid, because it's none of their bussiness. Smoking, Yoga, vasectomy, voting.

kapkap [7]: Very very embarrassing. While people are striving to overcome global crisis, here MUI talking stuffs such as yoga is evil

LeonnieFM [8]: I read many tweets about MUI tonight saying about they ban yoga? I suggest they ban them selves for being such hypocrite

 

astrid_amalia [5]: Raha fahotana ny yoga dia avelao aho hiaina amin'ny fahotako. Nanokatra ny masoko momba an'Andriamanitra ny Yoga, ka aiza ny fahotana amin'izany ?

ifahmi [6]: Namaky ilay Fatwa aho. Ary ho ahy, adala daholo izy ireo, satria tsy misy hidirany izany. Ny fifohana sigara, ny Yoga, fanapahana na famatorana ny fantson-dranonaina, ny fifidianana.

kapkap [7]: Tena mahamenatra be. Raha miezaka ny handresy ny krizy manerantany ny olona, ​​miresaka momba ny yoga toy ny ratsy kosa eto ny MUI

LeonnieFM [8]: Namaky sioka maro momba ny MUI aho androany alina nilaza fa mandrara ny yoga izy ireo? Hoy aho hoe mandrara ny tenany izy ireo noho izy ireo mpihatsaravelatsihy

Mampahatsiahy [9]ny Filankevitry ny Ullema ny Everything Indonesia fa misy olana hafa manan-danja kokoa noho ny yoga:

I have no particular beef with the Ulema Council that recently banned yoga for Indonesian Muslims. But don't they have better things to do, than touring the country's gym classes and coming out against Hindu chanting?

Tsy manana lonilony manokana amin'ny Filankevitry ny Ulema aho izay nandrara ny yoga ho an'ny Indoneziana Miozolomana tato ho ato. Saingy tsy manana zavatra hafa tsara kokoa hatao ve izy ireo, toy izay mitety ny sekoly fanaovana fanatanjahan-tena ao amin'ny firenena ary avy eo manohitra ny fihirana Haindò?

Notsikerain'ny Nahdlatul Ulama [10], fikambanana Islamika lehibe indrindra any Indonezia ihany koa ny fatwa:

Nahdlatul Ulama, Indonesia’s biggest Islamic organisation, slammed the edicts as “excessive.”

NU deputy head Masdar F. Mas’udi said the MUI should not have dragged religion into the three matters.

Yoga, as it is practiced in Indonesia, he said, was a pastime and must not be seen in the context of religious worship.

To discourage people from smoking, he added, the MUI should not use “Islamic law” as a tool.

He also said the MUI should “not bring in God and threaten people with hell” if it wanted to encourage Muslims to vote.

Nilaza ny Nahdlatul Ulama, fikambanana Islamika lehibe indrindra any Indonezia, fa “tafahoatra” ireo didy.

Nilaza ny filoha lefitry ny fikambanana Masdar F. Mas'udi fa tsy tokony nanafangaro ny fivavahana tamin'ireo raharaha telo ireo ny MUI.

Fialamboly ny yoga, toy ny fampiharana azy any Indonezia, hoy izy, ary tsy tokony heverina ho fanompoam-pivavahana.

Mba hanakiviana ny olona tsy hifoka sigara, hoy ihany izy, dia tsy tokony hampiasa ny “lalàna Islamika” ho fitaovana ny MUI.

Nilaza ihany koa izy fa tsy tokony “hampiditra an'Andriamanitra sy handrahona ny olona amin'ny afobe” ny MUI raha te handrisika ny Miozolomana hifidy.

Mihevitra i My Busy Brain fa tsy misy fampianarana [11] mandrara ny fandavana ny fifidianana:

“Regarding the abstinence from voting, I don’t see anything from the teaching in Islam, which is clearly written in the Qur’an, that says not voting is haram(sinful act). What Islam teaches is to pick the right leader (with all the description of what a good leader should be like). Islam also teaches about choices. It teaches about freedom.”

“Mikasika ny fandavana mifidy, tsy mahita izany mihitsy amin'ny fampianarana Islamo aho ka voasoratra mazava ao amin'ny Coran fa haram (fahotana) ny tsy fifidianana. Ny mifidy ny mpitondra tsara (miaraka amin'ny famaritana rehetra ny amin'ny tokony ho mpitondra tsara) no ampianarin'ny Islamo. Mampianatra momba ny safidy ihany koa ny Islamo. Mampianatra momba ny fahalalahana izy. ”

Nilaza i Multibrand fa tsy azo ampiharina araka ny lalàna [12] ny fatwa:

“I say that although according to our legal system a Fatwa of MUI is not part of our positive law, therefore could not be enforced legally, however considering MUI is the highest Moslem religious authority said Fatwa will surely have moral impact especially among people living in rural area.”

“Hoy aho hoe raha araka ny rafitra ara-dalàna misy eto antsika, dia tsy anisan'ny lalàna miabo ho antsika ny Fatwa avy amin'ny MUI. Noho izany, tsy azo ampiharina ho ara-dalàna. Na izany aza, koa satria ny MUI no heverina fa fahefana ara-pinoana Miozolomana ambony indrindra, dia azo antoka ilay Fatwa fa hisy fiatraikany ara-maoraly indrindra amin'ireo olona monina any amin'ny faritra ambanivohitra.”

Diso fanantenana ireo mpifoka sigara [13] tamin'ny fatwa nanohitra ny fifohana sigara:

“I am angry about the fatwa, because both my father and grandfather are smokers and the new fatwa now makes them sinners,” said Abdul Hardiyanto, 38, a Muslim stock broker.

“I am going to keep smoking, because religion must stay away from this matter. We have government regulation for this kind of thing,” added Wisena, 33, a Muslim who works in a fish shop.

“Tezitra amin'ny fatwa aho, satria mpifoka sigara daholo ny raiko sy ny raibeko ary mahatonga azy ireo ho mpanota izao fatwa vaovao izao”, hoy i Abdul Hardiyanto, 38 taona, mpanera Miozolomana.

“Mbola hifoka sigara foana aho, satria tsy tokony hiditra amin'izany ny fivavahana. Manana ny lalànam-panjakana momba izany, “hoy i Wisena, 33 taona, Miozolomana mpivarotra trondro.

Nalaina tao amin'ny My Yoga Online  [14]ny sary eo amin'ny pejy fandraisana.