- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Torolàlana Vonjimaika momba ny Sokajy Manokana – misy Lahatsary!

Sokajy: Dika, Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, Fomba fanoratra, gv-torolàlana

Miarahaba anareo, Jer  tomponandraikitra teknika ato amin'ny GV ihany ity. Ao anatin'ity lahatsoratra ity dia torolàlana roa vaovao no zaraiko — ny iray lahatsary 20 min [1] ary ny iray Google Doc feno sy tanteraka [2]– izay manazava ilay rafitra vaovao “Sokajy Manokana” ho ampiasaintsika hisolo ilay rafitra tranainy “Pejy Fandrakofana Manokana” izay efa lany andro ankehitriny.

Mpamaky sy mpihaino fototra roa no iantefan'ireo torolàlana: ireo mpamoaka lahatsoratra miasa momba ny “Fandrakofana Manokana” (lasa ho “Sokajy Manokana” ankehitriny) ary ireo Mpitantana ny Asa Fandikàna manodina ny tranonkalan'ny Lingua sy maniry ny handika ireo Sokajy Manokana.

Ho an'ny fanazavàna feno sy amin'ny antsipirihany momba ilay rafitra, miaraka amina taridàlana tsikelikely, iangaviana isika hamaky ilay Google Doc : https://bit.ly/gv-special-categories-temp-guide [2]

Loharanon-kevitra tsara tokoa ilay Google Doc, azonareo iverenana aoriana raha mila manao zavatra mampiasa io rafitra io ianareo, satria manaraka fomba fiasa tsara lamina no itetezany ireo dingana tsirairay.

Ho fanombohana, torohevitra omeko ny hijerena ilay lahatsary! Ao anatiny no anomezako topimaso momba ireo zava-tsarotra amin'ireo fampiasa vaovao sy ny fomba fifandraisan'izy ireny amin'ny teo aloha, ary izay antenaina fa mbola ho avy. Somary mikorontana ilay lahatsary, saingy antenaiko fa hanampy anareo hahalàla ireo fitaovana vaovao ka mba tsy ho zavatra sarotra ny mampiasa ilay  Google Doc.

Misaotra nanana faharetana, ary iangaviako mba hifandray amiko (eto na amin'ny  Global Voices Slack) raha misy tamberina na olana tianareo ampitaina ??