- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Namely an'i Mozambika ny rivodoza Chalane, namela fahasimbana kely noho ny tafio-drivotra teo aloha

Sokajy: Madagasikara, Mozambika, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Voina

 

Sary fanehoana ny lalana narahin'ny rivodoza Chalane – sarin'ny zanabolana/ pikantsarin'ny Windy Forecast [1] – 28 Desambra 2020

Nandalovan'ny rivodoza Chalane tamin'ny 30-31 Desambra ny afovoan’ i Mozambikana, tany amin'ny faritanin'i Sofala sy Manica.

Efa niomana tamin'ny ratsy indrindra i Mozambika taorian'ny faharavana nateraky ny rivodoza IDAI ny volana Martsa 2019, izay nahafatesana olona maherin'ny 600 ary niteraka fahasimbana betsaka tao an-tanàndehiben'i Beira.

Soa ihany fa nihena ny herin'ilay tafio-drivotra, avy amin'ny henjana ary nihena [2] ho antonony, ary rotsakorana betsaka ihany no nentiny niaraka tamin'ny fahasimbana madinidinika tamin'ny fotodrafitrasa, araka ny voalazan'ny gazety Notícias:

A tempestade tropical moderada Chalane, de categoria dois, cuja previsão inicial dava indicação de que provocaria ventos de 90 quilómetros por hora com rajadas de 110 e epicentro muito perto da cidade da Beira na madrugada de ontem, registou um pequeno desvio de sistema aliviando sobremaneira os residentes desta urbe.

Ny rivodoza Chalane, sokajy faharoa izay voalaza mialoha fa hiteraka tafiodrivotra 90 kilometatra isan'ora manana tafiotra 110 kilometatra isan'ora, manakaiky dia akaiky ny tanàndehiben'i Beira tamin'ny vao maraina ny foibeny, somary nivily làlana kely izy ary tena nampisento ny mponina tao an-tanàna .

Na izany aza, olona efatra farafahakeliny no fantatra fa maty, ny sasany maty an-drano ary ny sasany kosa vokatry ny fikorontanan'ny herinaratra. Nisy ihany koa ny fahasimbana  [3]tamin'ny famatsian-jiro, ary olona miisa 600 no nafindra toerana .

Taorian'ny tafiodrivotra ny 30 Desambra, fianakaviana miisa 600 avy amin'ny foibe fialofana Guara-Guara ao Búzi no tsy nanan-kialofana noho ny faharavan'ny tranolainy. Manohana ireo fianakaviana traboina sy ireo marefo indrindra ny CVM amin'ny fanarenana ny fialofana.

Tsy tahaka ny niseho tamin'ny rivodoza IDAI fa maro no nampita vaovao tamin'ity indray mitoraka ity, indrindra fa avy amin'ireo fikambanana misahana ny toetr'andro ao Mozambika. Toy izao ny fanambaran'ny [8]solontenan'ny Firenena Mikambana ao amin'ny firenena, Myrta Kaulard:

As memórias estão ainda muito frescas. Muitas pessoas estão ainda muito vulneráveis. As autoridades se estão preparando muito com informação para a população para evacuar. Muita população já foi retirada na resposta ao Idai, mas sempre há pessoas que voltam a zonas em risco de cheias. Chalane vai trazer ventos fortes, chuvas e maré alta. A maré vai estar alta e isto vai agravar o problema das inundações

Mbola velona ny fahatsiarovana. Betsaka ny olona mbola marefo. Eo am-panomanana vaovao betsaka ny tompon'andraikitra mba hamindrana toerana ny mponina. Betsaka ny olona no nafindra toerana tamin'ny fandalovan'i Idai, kanefa mbola misy hatrany ireo olona miverina any amin'ny faritra atahorana ho tondraky ny rano. Hitondra rivo-mahery, orana ary fiakaran'ny onja i Chalane. Hiakatra ny onja ary vao mainka hampitombo ny olan'ny tondra-drano izany

Roa andro talohan'izay dia niresaka [9] momba ilay rivodoza ny filoha Filipe Nyusi araka ny tatitra nataon'ny DW Português:

Em todo o país estão preparados e alertados, mas para coisas como essas ninguém está preparado porque são situações imprevisíveis em termos de danos. Teremos de ter cuidado e todos os que estão nas zonas de risco é melhor saírem.

Miomana sy mailo [ny olona] manerana ny firenena , fa amin'ny zavatra toa ireny dia tsy misy olona miomana satria toe-javatra tsy ampoizina no mitranga amin'ny resaka fahasimbana. Tsy maintsy mitandrina isika ary tokony hiala daholo ireo izay eny amin'ny faritra tandindonin-doza.

Niresaka tamin'i Acácio Tembe, teknisianina ao amin'ny Ivontoerana Nasionaly misahana ny Toetr'andro, izay nampitandrina ny amin'ny loza ny RFI:

(…) é preciso salientar que esses sistemas, que têm ventos mais fracos, traz muita quantidade de precipitação. Então, podemos ter uma situação de muita chuva, ventos relativamente mais fracos mas com muita chuva, mas também não descuramos, porque são ventos destrutivos. Estamos a falar de rajadas de 120, 130 kms por hora.

(…) Tsy maintsy hamafisina fa mitondra orana betsaka io karazana tafiodrivotra io izay tsy dia mahery ny rivotra entiny. Noho izany, mety hisy ny orana betsaka, somary maivana kokoa ny rivotra saingy miaraka amin'ny orana betsaka, ary tsy tokony hamaivanintsika izany, satria mitondra fanimbana ilay rivotra. Tafiodrivotra 120, 130 km isan'ora no resahintsika.

Fantatra fa andalovan'ny rivodoza matetika [10] i Mozambika noho ny toerana misy azy, izay matetika mihasarotra noho ny tsy fahampian'ny fahaiza-manao hiatrehana izany tranga izany.