- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Global Voices , Mitady mpanampy ny mpamoaka lahatsoratra amin'ny teny anglisy

Sokajy: Mediam-bahoaka

Pikantsary nalaina avy amin'ny lahatsary tamin'ny 25 Janoary 2015, nandritra ny Vovonana Global Voices natao tao Cebu, Filipina. Lahatsary an'ny Global Voices sy PR Works.

Mikasa hanakarama mpanampy ny mpamoaka lahatsoratra ny Global Voices (GV), ho tomponandraikitra amin'ny famoahana ireo tantara voasoratra na voadikan'ireo mpandray anjara ato aminay ho amin'ny teny anglisy.

Ireo tantara ato amin'ny GV dia mifantoka amin'ireo lohahevitra toy ny kolontsain'ny aterineto, ny fahalalahan'ny fanehoana hevitra, ny teknôlôjia ary ny zo nomerika, ny zon'olombelona, ireo hetsika maha-olompirenena sy hetsika pôlitika, ny fahasamihafàna sy ny fisoloantena, ary ny fahasamihafan'ny fiteny.

Mpiasa an-tsitrapo ny ankamaroan'ireo mpandray anjara ato amin'ny Global Voices ary mety tsy ho ny fiteny anglisy no fiteniny voalohany. Misy mpanao gazety, mpisolovava, mpianatra, mpampianatra, mpikaroka, mpitsabo, mpahay siansa, mpandika teny ary maro hafa matianina, hatramin'ireo media mpiaramiasa amin'ny GV aza

Isan'ny andraikitry ny mpanampy ny mpamoaka lahatsoratra ny :

Ny mpirotsaka hofidiana mahomby ho amin'ireo toerana ireo dia:

Homena tombony manokana ireo mpirotsaka : 

Fikambanana iray manerantany ary virtoaly ny Global Voices. Ny milina manodina ny trano famoahambaovaon'ny Global Voices dia tarika iray ahitàna ireo mpamoaka lahatsoratra miasa amina ampaham-potoana [2] izay miasa miaraka amin'ireo mpiaramiasa sy mpandika lahatsoratra miasa an-tsitrapo avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao mba hanasongadina ireo tantara sy fomba fijery tsy dia misy mpiresaka loatra eny anaty fampahalalambaovao erantany mahazatra ny daholobe.

Ho an'ireo toerana ireo dia tsy sakana ny toerana jeografika. Tsy manana birao na foiben-toerana raikitra ny Global Voices. Tsy maintsy mahazo aina amin'ny fametrahany ny fandaharam-potoanany manokana ho azy ireo mpirotsaka ary miasa anaty tontolo iray virtoaly tanteraka no sady vonona ny hanao fivahinianana iraisampirenena maromaro. 

Tena raisinay an-tanandroa manokana ireo mpirotsaka avy any ivelan'i Amerika Avaratra sy avy any Eorôpa Andrefana, ary amporisihanay manokana mba hisoratra anarana ireo olona mandray anjara amin'izao fotoana izao amin'ny tetikasan'ny Global Voices.

Andrandraina hiasa amin'ny ampaham-potoanany sy ho afaka mampifanaraka izany ireo mpanampy ny mpamoaka lahatsoratra, ary horaisina toy ny hoe mpandraharaha miasa tena.

Raha hisoratra:

Alefao imailaka any amin'ny jobs@globalvoices.org [3] ny famintinana fohy sy taratasy filazam-pahazotoana manasongadina ny asanao sy manazava ny antony milaza fa ianao tokoa no mety ho an'ny Global Voices, ka soraty ho antony ny hoe: Global Voices Subeditor: [ny anaranao]. Ny 24 Janoary 2021 amin'ny 11:59 alina (GMT -4) no fetra farany fandraisana ny fisoratana.