Global Voices , Mitady mpanampy ny mpamoaka lahatsoratra amin'ny teny anglisy

Pikantsary nalaina avy amin'ny lahatsary tamin'ny 25 Janoary 2015, nandritra ny Vovonana Global Voices natao tao Cebu, Filipina. Lahatsary an'ny Global Voices sy PR Works.

Mikasa hanakarama mpanampy ny mpamoaka lahatsoratra ny Global Voices (GV), ho tomponandraikitra amin'ny famoahana ireo tantara voasoratra na voadikan'ireo mpandray anjara ato aminay ho amin'ny teny anglisy.

Ireo tantara ato amin'ny GV dia mifantoka amin'ireo lohahevitra toy ny kolontsain'ny aterineto, ny fahalalahan'ny fanehoana hevitra, ny teknôlôjia ary ny zo nomerika, ny zon'olombelona, ireo hetsika maha-olompirenena sy hetsika pôlitika, ny fahasamihafàna sy ny fisoloantena, ary ny fahasamihafan'ny fiteny.

Mpiasa an-tsitrapo ny ankamaroan'ireo mpandray anjara ato amin'ny Global Voices ary mety tsy ho ny fiteny anglisy no fiteniny voalohany. Misy mpanao gazety, mpisolovava, mpianatra, mpampianatra, mpikaroka, mpitsabo, mpahay siansa, mpandika teny ary maro hafa matianina, hatramin'ireo media mpiaramiasa amin'ny GV aza

Isan'ny andraikitry ny mpanampy ny mpamoaka lahatsoratra ny :

  • fikirakiràna ireo tantara avy amin'ireo mpiaramiasa mba ho avoaka ho an'ny mpanjohy erantany. Matetika ireo tantara ireo dia efa nandalo ny fitsirihana voalohany nataon'ny mpamoaka lahatsoratra any amin'ilay faritra izay mahalàla tsara ny lohahevitra sy ny toedraharaha. 
  • fandraisana anjara amin'ireo fivoriana virtoaly fanao isankerinandro iarahan'ny mpanonta lahatsoratra
  • fiasàna mifanaraka amin'ny taridàlana, ny iraka sy ny matoandahatsoratra ary ny kolontsain'ny vondrompiarahamonina Global Voices.

Ny mpirotsaka hofidiana mahomby ho amin'ireo toerana ireo dia:

  • ho teratany mpiteny anglisy na manana lenta avo sy misosa tsara rehefa miteny anglisy
  • efa manana fahaizamanao amin'ny fikirakiràna sy traikefa amin'ny famoahana vaovao amin'ny fiteny anglisy
  • ho afaka mamoaka amin'ny fomba fandonana ny fihetsehampon'ny hafa mankany amin'ireo mpamaky / mpihaino erantany.
  • ho tena mpampita hafatra mahay
  • mahazo aina miaraka miasa amin'ny hafa anaty tontolon'asa iray zara raha  manana rafitra ary tena virtoaly tanteraka
  • ho afaka miasa anaty fotoana voafetra
  • manana fahalalàna be momba ny infôrmatika
  • manana fahafahana miditra tsara amin'ny aterineto haingam-pandeha.
  • ho vonona hanome 15-20 ora hiasàna isankerinandro hanaovana ny asan'ny GV
  • afaka manaporofo ny firaiketampony fatratra amin'ireo iraka sy soatoavin'ny Global Voices.

Homena tombony manokana ireo mpirotsaka : 

  • izay manana fahaizana manokana momba ny zo nomerika, ny fahalalahana maneho hevitra, ary ireo olana mifandray amin'ny fahavitrihana sy ny fikatrohana.
  • manana traikefa amin'ny media sôsialy
  • manana fahalalana arak'asa amin'ireo fiteny hafa, indrindra fa ny fiteny shinoa, frantsay, portiogey sy espaniôla.

Fikambanana iray manerantany ary virtoaly ny Global Voices. Ny milina manodina ny trano famoahambaovaon'ny Global Voices dia tarika iray ahitàna ireo mpamoaka lahatsoratra miasa amina ampaham-potoana izay miasa miaraka amin'ireo mpiaramiasa sy mpandika lahatsoratra miasa an-tsitrapo avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao mba hanasongadina ireo tantara sy fomba fijery tsy dia misy mpiresaka loatra eny anaty fampahalalambaovao erantany mahazatra ny daholobe.

Ho an'ireo toerana ireo dia tsy sakana ny toerana jeografika. Tsy manana birao na foiben-toerana raikitra ny Global Voices. Tsy maintsy mahazo aina amin'ny fametrahany ny fandaharam-potoanany manokana ho azy ireo mpirotsaka ary miasa anaty tontolo iray virtoaly tanteraka no sady vonona ny hanao fivahinianana iraisampirenena maromaro. 

Tena raisinay an-tanandroa manokana ireo mpirotsaka avy any ivelan'i Amerika Avaratra sy avy any Eorôpa Andrefana, ary amporisihanay manokana mba hisoratra anarana ireo olona mandray anjara amin'izao fotoana izao amin'ny tetikasan'ny Global Voices.

Andrandraina hiasa amin'ny ampaham-potoanany sy ho afaka mampifanaraka izany ireo mpanampy ny mpamoaka lahatsoratra, ary horaisina toy ny hoe mpandraharaha miasa tena.

Raha hisoratra:

Alefao imailaka any amin'ny jobs@globalvoices.org ny famintinana fohy sy taratasy filazam-pahazotoana manasongadina ny asanao sy manazava ny antony milaza fa ianao tokoa no mety ho an'ny Global Voices, ka soraty ho antony ny hoe: Global Voices Subeditor: [ny anaranao]. Ny 24 Janoary 2021 amin'ny 11:59 alina (GMT -4) no fetra farany fandraisana ny fisoratana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.