- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

RV Newsletter: Andiana Podcast manadihady ny fimaroam-piteny amin'ny alalan'ny fisokafam-pijery

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Naotin'ny Rising Voices: Atolotry ny taratasim-baovaonay mivoaka isam-bolana ny fehin'ny lahatsoratra bilaogy faramparany momba ireo endrika rehetra amin'ny fampiatiana notsivaloana [ara-dizitaly] sy ny fampiasana ireo fitaovana notsivaloana, sy ireo fomba sy hirika isankarazany ho an'ny vondrom-piarahamonina handray anjara anjotra feno. Vakio aty [1] raha hijery ireo andiany taloha amin'ity taratasim-baovao ity.

Kopakopa-tanana ry mpamaky, tongasoa aty amin'ny taona 2021!

Amin'ity famoahana voalohany amin'ny taona vaovao ity, tianay ny hanasongadina ny rakipeo (podcast) antsoina hoe O Foundation Conversations [2], notontosaina sy nampiantranoan'i Subhashish Panigrahi avy amin'ny O Foundation sady mpandray anjara ato amin'ny Rising Voices. Nandritra ireo andiany voalohany vitsivitsy, nifampiresahan'i Subhashish tamin'ireo vahiny avy amin'ny faritra maro eto amin'izao tontolo izao amin'ny asa ataon-dry zareo manodidina ny fikajiana sy ny fandraketana ireo fiteny indizeny tandindonin-doza, sy ny famelomana aina indray ny fiteny amin'ny alalan'ny fananganana votoaty sy fizarana azy amin'ny alalan'ny fomba notsivaloana (dizitaly-nomerika).

Ireo toko faramparany indray manasongadina ireo mpikatroky ny fiteny miasa amin'ny fiteny Santali sy Sondaney, sy ireo toko vao haingana indrindra manavatsava ireo fiteny “tsy dia fantatra” avy ao Pakistan avaratra.

Nankafy ireo toko ireo izahay ary mino fa ho izany koa ianareo. Raha manana anjara toerana ao aminao ny resadresaka momba ny fimaroana ara-kolontsaina sy ny fifanandrinana jeopolitika, ny fametrahana an-jorony, ny fanilikilihana mbamin'ireo tsirinkevitra momba ny fisokafana (oh: kolontsaina misokatra, fahalalàna misokatra, fidirana ‘malalaka’ sy tovozina malalaka (open source), dia mba henoy ihany io!

BEBE KOKOA AVY AMIN'NY BLAOGY RISING VOICES

Raha miresaka momba ny famelomana aina indray ny fiteny amin'ny alalan'ny fomba notsivaloana (nomerika-dizitaly), tianay ny mizara aminareo ny Gitxsan Got Talent [3] [mg]. Nanampy ny vondrom-piarahamonina Firenena Voalohany Gitxsan hitady fomba famoronana vaovao ity fifaninanana haino aman-jery sosialy ity mba handrisihana ny fitazonana ny fitenin'izy ireo sy ny vondrom-piarahamonin'izy ireo ho mavitrika anjotra mandritra ity areti-mandringana ankehitriny ity.

Mandritra izany, andeha hiara-haka fotoana kely hisaintsainana momba izao: Inona no eritreretinao ho “andavanandro (mahazatra) vaovao” aorian'ny COVID? Amin’ity lahatsoratra ity [4] i Erick Huerta, mpandrindra ny fikambanana REDES A.C mifantoka amin'ny tambajotram-piarahamonina dia nizara ny fahitany ny hoavy izay ho sambany eo amin'ny fiainana; ary ho hafa sy mampiaty kokoa ny fanabeazana; ary manana fifandraisana tsara kokoa amin'ny tontolo iainantsika isika.

VATSY

Amin'izao fivadihan'ny taona izao, tianay ny mampahatsiahy anao fa:

Mandray fangatahana ankehitriny ny Howard G.Buffett Fund for Women Journalists [5] . Azo heverina avokoa na ireo tetikasa fanaovana tatitra na ireo hirika fampandrosoana arak'asa. Jereo ato [6] sy ato  [7]azafady raha hijery ireo fepetra sy ny antsipirian'ny fangatahana.

Ho an'ireo izay miresaka momba ny tantaran'ny rariny ara-tsosialy amin'ny alàlan'ny sarimihetsika sy haino vaky jery vaovao: Mandray fangatahana hahazoana vatsy mandritra ny taona ihany koa ny JustFilms avy amin'ny Ford Foundation. Raha mila tolo-tanana ianao ho an'ny tetikasa sasantsasany ampelatanana, dia jereo ato [8] azafady ny antsipiriany.

KAROKA

Natsangana ho ivon-tanjona eo amin'ny tetikandron'ny fampandrosoana ataon'ny Firenena Mikambana ny manalefaka ny hatsana lahy/vavy eo amin'ny fahazoana teknolojian'ny torohay sy fifandraisana (TIC).  Te-hahafantatra ve ianao hoe mba tahaka ny ahoana izany ao Goatemalà amin'izao fotoana izao?  Vakio ity tatitra UNESCO ity [9] ka zahao ao izany.

VAKY, HAINO ary JERY FANAMPINY

 

Fandriho ny taratasim-baovao Rising Voices [15]

 

 

Ankasitrahana i Eddie Avila nandray anjara tamin'ity taratasim-baovao ity.