Andro manerantany iadiana amin'ny SIDA 2020: Ahoana ny fomba niatrehan'i Karaiba ny VIH nandritra ny COVID-19 ?

Ribà mena mipetraka ambony tanam-behivavy ho fanohanana ny Andro manerantany iadiana amin'ny SIDA. Sary an'i Marco Verch Professional Photographer ao amin'ny Flickr, CC BY 2.0.
Anatinà taona izay manohy mizaha ny fahatanjahan-tsain'ny tsirairay, ny lohahevitry ny Andro Manerantany iadiana amin'ny SIDA, ankalazainy isan-taona ny 1 Desambra, dia ny “Firaisankina manerantany, andraikitra ifampizaràna”. Maro ireo fikambanana tsy miankina ao Karaiba sy ireo vondron'ny tanora nampindrana ny feony ho an'ny tolona fandripahana ny aretina sy ho fankalazana ny hetsika amin'ny fomba maro.
Ny 22 Novambra, talohan'ny Andro Maneran-tany iadiana amin'ny SIDA, nandray fotoam-pivavahana virtoaly ho fanomezam-boninahitra ireo rehetra voa ny Tambajotra Jamaikàna ho an'ireo mitondra ny tsimokaretina, izay miady ho an'ny zon'ireo miaina miaraka amin'ny VIH/SIDA. Toy ireo fiarahamonina maro hafa ao Karaiba, tena mpino be ny ao Jamaika, ka fomba famindra mahaliana ny fampiasana ny vavaka ho mpitondra firaisankina anatinà firenena izay matetika ampiasàna ny finoana hanilikilihana ny olona LGBTQ+ sy VIH+.
Nandritra izay fotoana izay, nanamarika ny Minisiteran'ny Fahasalamana sy ny Hasambarana ao Barbados fa nanjary ho zava-dehibe kokoa ny fanomezana valiny eo amin'ny sehatra maro samihafa momba ny VIH/SIDA noho ilay areti-mandringana COVID-19 :
Asa fivelomana voarahona, rojom-pamatsiana voatohitohina, fikarakarana ara-pahasalamana miovaova izay nisy fiantraikany teo amin'ny fahazoana fitsaboana… Ampahany fotsiny ihany ireo amin'ireo fanamby atrehan'ny olona voan'ny VIH […] amin'izao 2020 izao noho ny areti-mandringana.
Na dia nanao ezaka goavana aza i Karaiba hanenàna ireo fahafatesana noho ny SIDA (avy amin'ny 11.000 isa tamin'ny 2010 ka nihena ho 6.900 tamin'ny 2019) sy ireo tranga vaovaon'ny VIH (teo amin'ny 18.000 isa teo ka lasa 13.000 isantaona), mbola olana iray lehibe eo amin'ny fahasalamam-bahoaka ny fandrindràna ny aretina anatinà faritra iray izay nanesorana ny fanabeazana ara-pananahana tsy ho ao anatin'ny fandaharam-pianarana, sy mbola isian'ny fanilikilihana manodidina ilay aretina.
Nanolotra hevitra ny hanaparitahana ireo fitaovana fanaovana fitiliana tena manerana an'i Karaiba ny Pan American Health Organization (PAHO) :
Nifantoka tamin'ny sasany amin'ireo fivoarana natao tanatin'ny ady amin'ny VIH/SIDA ny Masoivohon'i Etazonia ao Barbados, anatin'izany ny fametrahana ny Labaoratoara Best Dos Santos, izay manampy ireo olona manana risika be indrindra hahazo fitiliana VIH ara-potoana mba ahafahany miatrika fitsaboana mamonjy aina eo noho eo.
Nanamarika ny Dr. Rosmond Adams, talen'ny Pan-Caribbean Partnership Against HIV/AIDS (PANCAP), fa nisy fiantraikany teo amin'ny fahafahana nanome ireo tolotra mifandraika amin'ny VIH ny famerana isam-paritra noho ny COVID-19, tanatin'izany ireo fepetra fanabeazana sy fisorohana, ny fitsaboana sy ny fitiliana anaty labaoratoara.
Na izany aza, firenena maro no nandray fepetra vonjimaika. Nampiasa ny tambajotran'ireo mpiasa sosialiny i Belize tamin'ny alàlan'ny fampiasana ireo fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena hanaovana tombatombana ny filàn'ny olona tratry ny tsimokaretina VIH. Nahazo tohana manampy amin'ny fanohanana ara-tsakafo sy ara-bola kosa i Jamaika. I Barbados, ankoatry ny fanolorana fizahana ara-pahasalamana virtoaly, dia nandamina ny fandefasana sakafo sy fanafody ho an'ireo marary.
Tsy nanadino ny maha-zava-dehibe ny nanamarihana ny Andro manerantany iadiana amin'ny SIDA tamin'ity taona ity teo afovoan'ny areti-mandringana ny vondrona Facebook Queer Caribbean History :
[…] tsaroanay ny niandohan'ity areti-mandringana ity nandritra ireo taona nahanginan'ny valanaretina, sy ny hoe na eo aza ny fiantraikany amin'ny faritra misy anay, dia mahazaka dona foana izahay.
Nanampy ny Youth Ambassadors TT :
Asehon'ny COVID-19 indray ny fomba ifandraisan'ny fahasalamana amin'ireo olana lehibe hafa, toy ny fampihenana ny tsy fitoviana, ny zon'olombelona, ny miralenta, ny fiarovana ara-tsosialy ary ny fitomboan'ny harinkarena.
Ao anatin'ny fandaharam-potoanan'ny Firenena Mikambana momba ireo Tanjona ho an'ny Fampandrosoana Maharitra, manantena ny hampitsahatra ny valanaretina VIH / SIDA i Karaiba amin'ny taona 2030.
Zahao ny pejy manokan'ny Global Voices amin'ny fiantraikan'ny COVID-19 amin'ireo fokonolona manerana izao tontolo izao Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Zahao ny pejy manokan'ny Global Voices amin'ny fiantraikan'ny COVID-19 amin'ireo fokonolona manerana izao tontolo izao Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...