- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Salvadôriana 1 amin'ny 10 no tratry ny aretina mitaiza ny voa (MRC), ka isan'ireny ny ankizy

Sokajy: El Salvador, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka
Cind adultes et une petite fille portant des masuqes posent les bras chargés compléments alimentaires et vitamines

Ray aman-drenin'ireo ankizy tratry ny MRC (maladie rénale chronique) nahazo vitamina sy kojakoja. Sary an'ny Orina  Iris Violeta. Nahazoana alàlana.

[Mankany amin'ny pejy amin'ny fiteny espaniôla ny rohy rehetra tsy nasiana fanamarihana manokana]

Araka ny fanadihadiana iray natao tamin'ny 2019 notombanan'ireo namana [1] [angl] ao amin'ny MEDICC, « tonga amin'ny fetra maha-areti-mandringana azy izao ny MRC (aretina mitaiza mahazo ny voa) ao Salvador ». Tena nahatalanjona ny isan'ireo olona tratran'io aretina misoko mangina io ; io no antony faharoa mahatonga fahafatesana eny anivon'ny lehilahy, ary antony fahatelo miteraka fahafatesan'olondehibe any amin'ny hopitaly. Hita tamin'ny tatitra iray tamin'ny 2017 [2] avy amin'ny ministeran'ny fahasalamana ao Salvador fa 12,6% amin'ny vahoaka no nararin'ny MRC ho an'ny taona 2014 sy 2015.

Na dia ny ampahatelon'ireo lehilahy efa maherin'ny 60 taona aza no voan'ny MRC, tsy izy ireo irery no tratrany. Mitombo ny isan'ireo ankizy voan'io aretina io sy ny sakana atrehan'izy ireo mba hahazoany fikarakarana dia vao mainka niharatsy nandritra ny valanaretina COVID-19

Ny 2014 hatramin'ny 2018, 1 833 ny tranga nahitàna ireo ankizy tsy ampy taona [3] tratry ny MRC no voarakitra teny amin'ny ministeran'ny fahasalamana. Isan'ireo faripiadidiana tena naharaisana tarehimarika avo ny tao San Miguel, any atsinanan'ny firenena, sy San Salvador, renivohitra.

Salvador Magaña [3], dokotera mpitsabo ny voa, miasa ao amin'ny faripiadidian'i San Miguel, nanipika fa tsy mahafehy ny fahazàrany amin'ny sakafo haniny ny tanora. Araka izany, mba hiatrehan'izy ireo ny hafanana be sy ny danik'andro, misafidy mora foana ireo vokatra mety hiteraka aretin'ny voa ry zareo fa tsy ny rano. Mihoatra ny iray tapitrisa ireo Salvadoriàna, ampahenin'ny vahoaka, no zara raha mahazo rano fisotro [4] [fr].

“A la mayoría de personas, por diferentes motivos, les resulta más fácil ir a comprar una soda en lugar de tomarse un vaso de agua.” Dijo Magaña

« Noho ny antony samihafa, ny ankamaroan'ny olona no mahita hoe mora kokoa ny mandeha mividy soda noho ny misotro rano iray vera » hoy ny fanazavan'i Magaña.

Une femme tient un jeune enfant dans un bras et montre des objets à un enfant malade. L'arrière-plan suggère des conditions de vie insalubres et financièrement difficiles.

Ankizy tratry ny aretin'ny voa. Sary an'ny Orina Iris Violeta, nahazoana alàlana.

Isambolana dia mila fikarakarana manokana antsoina hoe “hémodialyse” (fanadiovana ny rà) ireo ankzy sy tanora tratr'ity aretina ity, izay mahatonga azy ireo ho marefo sy osa. Ankoatr'ireo dia miatrika fanamby hafa ihany koa ireo ankizy ireo, toy ny fitetezana rafi-pitsaboana iray tsy manjary [5] ao Salvador.

« Raha vao tafiditra, matetika io aretina io no mitady hivadika ho insuffisance rénale chronique (IRC) na insuffisance rénale terminale (IRT), izay mila “dialyse”, fitsaboana lafobe tokoa entina manolo ny asan'ny voa , na fanoloana mihitsy ilay taova », hoy ny fanadihadiana voalaza ery ambony. « Raha tsy misy ny fitsaboana tahaka ireo, tsy azo ihodivirana ny fahafatesana ».

Vao mainka nanasarotra ny fahafahan'ireo ankizy ireo hahazo fikarakarana fahasalamam-bahoaka ny fisian'ny valanaretina COVID-19, indrindra fa ireo miaina anaty fahantrana.

Noho ny fepetra noraisina hiadiana amin'ny COVID-19, nakatona [6] nandritra ny herinandro maro ny fitateram-bahoaka, izay nianteheran'ny ankamaroan'ireo fianakaviana rehefa handeha hitsidika any amin'ny hôpitaly. Ankoatra izay, vitsy ireo mpiasa nisahana ny hôpitaly satria marobe tamin'ireo mpiasan'ny fahasalamana [7] no tratry ny COVID-19. Nisy fiantraikany tamin'ny fahafahana mahazo fitsaboana ny IRC ireo olana roa ireo.

Hatramin'ny fahazazàny, iray amin'ireo ankizy manaraka fitsaboana IRC ao amin'ny hôpitalim-panjakana [8] iray ao San Salvador natao ho an'ny ankizy i Carlos Daniel Gonzalez. Kanefa, hatramin'ny nankalazàn'i Carlos ny faha-20 taonany tamin'ity taona ity, sahirana izy ny fianakaviany mitady hôpitalim-panjakana hafa afaka hanome azy ny fikarakarana ilainy. Safidy ratsy ho azy ny tsy fahazoana fikarakarana isankerinandro.Tsy ananan'ireo hôpitalim-panjakana marobe ao Salvador ny fitaovana sy fanafody ilaina entina mitsabo an'i Carlos, ary noho ny ara-bola dia tsy vita ny hoe handeha any amina hôpitaly tsy miankina, hoy i Esmeralda Fernandez reniny, raha tafaresaka tamin'ny Global Voices tamin'ny alàlan'ny WhatsApp.

Enfant d'une dizaine d'années environ dans un hopital, recevant son traitement de dialyse

Carlos Daniel Gonzalez. Sary an'ny Orina Iris Violeta, [9] nahazoana alàlana

Hoy i Otilia Sorto Fuentes avy amin'ny rantsana amerikàna ao amin'ny Orina Iris Violeta [9] raha niresaka an-telefaona tamin'ny Global Voices : 

Any amin'ny hôpitaly tsy miankina iray, 125 dôlara amerikana isaky ny tonga hitsabo tena, nefa in-2 isankerinandro i Carlos no mila izany, izany hoe im-8 isambolana. Ahoana no hahafahan'ny fianakaviany mandoa 1.000 dôlara amerikàna isambolana ao amina firenena iray izay manodidina ny 300 dôlara amerikàna ny karama farany ambany [10]? Tsy vita tsotra izao izany!

Manampy ireo fianakaviana sy ankizy tratry ny IR ao Salvador ny Orina Iris Violeta. Isambolana, manome vitamina sy izay fanampiana hafa rehetra azony atao ny Orina. Araka ny lazain'ny Fuentes nitombo ny isan'ireo ankizy tratry ny MRC tato anatin'ny taona vitsy farany.

Iray amin'ireo tetikasan'ny Fundacionirisvioleta.org [14] ny fanomezana vitamina an'ireo marary voa ao amin'ny hôpitaly Benjamin Bloom ao San Salvador, isambolana izahay no manao izany, ho an'ankizy mitotaly 37 miatrika “hémodialyse”.

— FUNDACION IRIS VIOLETA (@fundacion_iris) 23 Oktôbra 2020 [13]

Tsy maintsy mihinana fanafody sy vitamina ireo ankizy tratry ny MRC mba hanampy azy ireo hiatrika ny fiantraikan'ny fitsaboana. Mihoatra ny 75 dôlara amerikàna isambolana ny sandan'ireny fanampiny ireny, izay azo heverina ho toy ny renty ho an'ireo fianakaviana miaina anaty toedraharaha sarotra ara-bola.

Esmeralda Fernandez no manazava:

Es una lucha lidiar con todo lo que hay que hacer. Si Carlos no se siente bien, tenemos que pagar transporte privado para ir al hospital, algo que no es barato. Además, no podemos llevarlo al hospital local si necesita tratamiento de inmediato; ellos no tienen el equipo necesario. Somos pobres, por lo que lidiar con todas estas dificultades financieras no es fácil.

Tena tolona mihitsy ho anay ny mitantana ireo andraikitra rehetra tsy maintsy sahaninay. Raha mahatsiaro tsy tsaratsara i Carlos, tsy maintsy maka fitaterana manokana izahay handehanana any amin'ny hôpitaly, izay tena lafo. Tsy afaka mitondra azy amin'ny hôpitaly eo an-toerana izahay raha fitsaboana eo noho eo no ilainy; tsy ananan-dry zareo ny fitaovana ilaina. Mahantra izahay, tsy mora araka izany ny miatrika ireny fahasahiranana ara-bola rehetra ireny.

Francis Zablah [15], solombavambahoaka ao amin'ny departamantan'i La Libertad ao amin'ny Antenimiera mpanao lalàna salvadoriàna, nilaza tamin'ny Global Voices tao amin'ny Twitter hoe:

Se tiene que descentralizar y dar el servicio en cada departamento. Pero, en mi opinion, la pandemia no ha dado lugar ha esta administración a revisar ese problema.

Tsy maintsy aparitaka [ny rafitry ny fahasalamam-bahoaka] ary omena tolotra ny isaky ny departemanta. Saingy raha ny hevitro, noho ny valanaretina dia tsy nanana fotoana hiatrehana io olana io ireo mpitantana.

Raha ny mahazatra, ireo olona ahiana ho mety mora mararin'io MRC io dia miaina tosidrà avo sy diabeta. Kanefa, maro dia maro ny olona erantany, ary amin'ity tranga ity, ao Salvador, no voan'ny MRC noho izy ireo ianjadian'ny vokatra simika [16] sy ny tsy fahampian-drano.