Nahatratra ny ‘kanji-n'ny taona’ ny COVID-19

Tarehin-tsoratra shinoa (kanji) “mitsu” (密) voafantina ho kanji mety indrindra maneho ny taona 2020 ho an'i Japan. Avoaka isan-taona ao amin'ny tempoly manantantara Kiyomizu ao Kyoto ny kanji. Pikantsary avy amin'ny fantsona ofisialy FNN.
Taorian'ny taona nanjakazakan'ny valan'aretina COVID-19, nofidian'i Japana ny 密 (mitsu) ho kanji (tarehintsoratra shinoa) ho an'ny taona.
Raha adika ara-bakinteny hoe “tsiambaratelo,” ny tarehintsoratra 密, amin'ity indray mitoraka ity, azo adika hoe “mikantona, feno olona na mirindrina,” ary manondro ireo “mitsus telo” (三密) izay mandrafitra ny setriny ara-pahasalamam-bahoaka fototra manoloana ny COVID-19 tao Japana.

Ny “3 Cs” (三密) izay nitari-dalana ny setriny fototra ara-pahasalamam-bahoaka ny areti-mandringana COVID-19 tamin'ny taona 2020. Saripikan'ny Government of Japan, CC-BY 4.0.
Amin'ny fiteny anglisy, ny mitsus telo dia fantatra amin'ny “three Cs” [C anankitelo], midika hoe “toerana feno olona,” “tahala mikatona” ary “fametrahana fifandraisana akaiky” — zavatra telo anoroana ny olona idifiana mba ifehezana ny fielezan'ny COVID-19.
Isan-taona, ny Japanese Kanji Proficiency Society (財団法人日本漢字能力検定協会) manondro kanji an'ny taona iray mifototra amin'ny vokatry ny fitsapan-kevitra manerana ny firenena. Olona mihoatra ny 208.000 manerana an'i Japana no mifidy lisitra kanji, ary mitsu no voalahatra ho voalohany, nahazo vato 28.401.
Amin'ny maha-mpandika teny azy, nanamarika i Richard Medhurst, hita amin'ny fangaron-teny ny tarehin-tsoratra 密 ary mifandraika amin'ny “tsiambaratelo”:
So 密 is the kanji of the year. 3 mitsu aside, it's pretty versatile – here's a “secrecy”-related selection.
密輸(みつゆ)= smuggling
密猟(みつりょう) = poaching
密航者(みっこうしゃ)= stowaway
密教(みっきょう)= esoteric Buddhism— Richard Medhurst 📚 🇯🇵 (@RichardMedh) December 14, 2020
[Ahoana ny fanononana ny voanteny tsirairay]
密輸(mitsuyu) = fampidirana an-tsokosoko
密猟(mitsuryu) = mihaza tsy ara-dalàna
密航者(mikkosha) = mpandeha miafina [an-tsokosoko]
密教(mikkyo) = esoteric Buddhism
Anisan'ny voafantina ny kanji hafa malaza toy ny 禍 (ka, loza), 病 (yamai, faharariana) ary 新 (shin, vaovao, tahaka ny ao amin'ny “coronavirus vaovao”).
Tsy ny rehetra no nifantoka tamin'ny ampahany miiba amin'ny taona 2020 rehefa nisafidy kanji mahasolotena ny taona. Ao amin'ny fakan-kevitra hafa, nosafidian'ny sekoly fanabeazana fototra Japoney ny tarehintsoratra izay maneho ny ampahany tsara tamin'ny taona nodiavina, toy ny fahafahana nandeha an-tsekoly na ny fandaniam-potoana niarahana tamin'ny namana rehefa navotsotra ny ezaka fanokana-monina tamin'ny lohataona tao Japana.
Japanese elementary school students picked 笑 (shō/warau), meaning “laugh” or “smile,” as the top kanji of 2020.https://t.co/CnIOhNumEc
— Nippon.com (@nippon_en) December 21, 2020
Notsongain'ny mpianatra fanabeazana fototra japoney ny 笑 (shō/warau), midika “hehy” na “tsiky”, ho kanji faratampon'ny taona 2020.
Raha oharina amin'ny firenen-kafa, heverina ho nahafehy ny COVID-19 i Japana amin'ny ankapobeny tamin'ity taona ity, amin'ny ampahany noho ny setriny nataon'ny fiarahamonina. Na izany aza, tamin'ny mihintsan-dravina sy fiandohan'ny ririnina, nihantona ho avo hatrany ny tranga COVID-19 tany amin'ny faritra sasany tao Japana, nahatonga ny vondrom-pitsabo sasany hanambara tsy amin'ny fomba ofisialy “ny fahamehana” tamin'ny desambra rehefa niha[nifintina] ny fahazakan'ny hopitaly.
Tamin'ny tapaky ny volana desambra, nanambara governemanta foibe japoney ny hampiato ny programa malaza nampiroborobo ny fizahantany tamin'ny fanomezana fanampiana sy fikarakarana fandraisam-pivahiniana tao Japana. Haato ny drafitra manomboka ny 28 desambra ka hatramin'ny 11 janoary, raha nandehandeha niala avy amin'ny tanandehibe nankany an-tanindrazany any ambanivohitra niaviany ny japoney.
Niangavy ny vahoaka ihany koa ny Praiminisitra Japoney hidify izay mety ho fifandraisana akaiky amin'ny hafa — raha lazaina amin'ny teny hafa “tsarovy ny 3 Cs.” Na izany aza, vao maika nahazo tsikera bebe kokoa i Suga, izay efa nihena haingana dia haingana sahady ny fitiavan'ny olona azy hatramin'ny nandimbiasany an'i Abe Shinzo amin'ny toeran'ny praiminisitra tamin'ny septambra rehefa tsikaritra fa nanao fiaraha-misakafo goavana niaraka tamin'ny politisiana hafa izy.
Ny sakafo dia efa fifangarihana mivantana amin'ny torohevitry ny governemanta hidify amin'ny fanaovana fivoriana kely isam-bondron'olona, ary voatery i Suga namaly ny tsikera sy nanazava.
Tamin'ny fanoratana ho an'ny Bloomberg, nozarain'i Gearoid Reidy, masoivohony ao Japana ny heviny amin'ny voambolana maneho indrindra ny fiafaran'ny taona 2020 ho an'ny praiminisitra japoney.
Will the prime minister prove to be FLASH IN THE PAN and end up with his goose COOKED as he faces a GRILLING over this HALF-BAKED dinner party? Is the HEAT ABOUT TO BE TURNED UP or will things SIMMER DOWN?https://t.co/Yd6G9VcXWu
— Gearoid Reidy (@GearoidReidy) December 16, 2020
Hoporofoin'ny praiminisitra ve fa ho haingana izy ao anaty lapoaly ary hiara-masaka amin'ny gisa raha miatrika fitonoana eo amin'ny lanonam-pisakafoanana mbola tsy masaka tsara? Mbola hiakatra kokoa ve ny hafanana sa hihatony kokoa ny raharaha?
Zahao ny pejy manokan'ny Global Voices amin'ny fiantraikan'ny COVID-19 amin'ireo fokonolona manerana izao tontolo izao Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Zahao ny pejy manokan'ny Global Voices amin'ny fiantraikan'ny COVID-19 amin'ireo fokonolona manerana izao tontolo izao Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...