- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taratasim-baovao RV: Jery todika ny fivoriana an-tserasera Natives in Tech 2020

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

 

Fanamarihan'ny Rising Voices: Mamintina ireo bilaogin-dahatsoratray tato ho ato momba ny lafiny rehetra amin'ny fandraisana anjara nomerika ny gazetikelinay mivoaka isam-bolana, ao anatin'izany ny fidirana sy ny fampiasana ireo fitaovana notsivaloana [dizitaly] sy ny fomba sy ny fotoana samihafa ahafahan'ny vondrom-piarahamonina mandray anjara feno anjotra ihany koa. Vakio eto [1] ho an'ny lahatsoratra teo aloha amin'ity taratasim-baovao ity.

Miarahaba ry mpamaky, nanahoana ianareo tamin'ity volana Desambra ity? Na aiza na aiza misy anareo dia manantena izahay fa salama soa aman-tsara ianareo eo am-pamakiana ity lahatsoratra ity.

Amin'ny resaka fampivoarana ny fampandraisana anjara iraisana dia tianay ny hampahafantatra anareo ny Fivoriambe Natives in Tech, izay niarahan'ny mpahay teknolojia teratany sy ireo tsy teratany niresaka momba ny famoronana fitaovana tsara kokoa hanohanana ireo vondrom-piarahamonina teratany manerantany, ahafahan'izy ireo mampiasa ny teknolojia amin'ny ny iraka ampanaovina azy ireo.

Azo jerena eto [2] ireo fivoriana voarakitra na dia efa nifarana tamin'ny volana Novambra 2020 aza ny hetsika 2020 momba izany. Azo jerena eto [3] ihany koa ny firaketana ny hetsika 2019 raha tianao ny hamantatra izany bebe kokoa. Tsara ny mampatsiahy fa hetsika an-tserasera, maimaimpoana ho an'ny rehetra ny Fivoriana Natives in Tech ary azonao atao tsara ny manjohy azy ireo [4] amin'ny hetsika hoavy!

MISIMISY KOKOA AVY AMIN'NY BLAOGY RISING VOICES

Ho an'ireo izay miteny amin'ny fiteny hafa ankoatra ny Anglisy: Mahatsapa ve ianao fa mandika tsara ny fiteninao ny Google Translate? Sa matetika, hitanao fa tsy miteny loatra ny valiny? Manazava ny antony mahatonga izany amin'ny fiteny Yorùbá sy ny fomba mety hanovana izany ho tsara kokoa amin'ny hoavy ity fitantarana [5] ity.

Ao anatin'izany, tianay ihany koa ny mampahafantatra anareo momba ireo fitantarana telo hafa manasongadina ny ezaka eo amin'ny fampifandraisana ny hantsana notsivaloana [6] ho an'ny vondrom-piarahamonina saro-dalana any Amazonia, amin'ny fanokafana ny làlana ho an'ny fampiasana midadasika kokoa [7] ny fiteny indizeny sy amin'ny fanaovana ny fiarovana ny loharano nomerika ho hita amin'ny fitenin'ny vondrom-piarahamonina [8] Aymara manokana.

Ankoatra izay, manasa anao izahay hamaky ny resadresaka [9] nifanaovana tamin'ny poeta sady mpandika teny Livoniana iray rehefa nizara ny taloha sy ny ankehitrinin'ny fiteniny taminay izy sy ny fikasany hiantoka ny hoavin'ilay fiteny.

ANTSO FANDRAISANA ANJARA

Amin'ny volana Jona 2021 ho avy izao, hankalaza ny tsingerintaona faha folo taonany ny RightsCon ary mitady hevitra momba ny fotoam-pandraisana anjara izay taratry ny zava-misy iombonantsika amin'izao fotoana izao. Liana handray anjara amin'ny resadresaka ao amin'ny RightsCon 2021 ve ianao ? Jereo eto [10] ny fomba hamalianao ny antso ataon'izy ireo ! Daty farany: 19 Janoary 2021 amin'ny 11:59 alina (Ora any Pasifika)

FITAOVANA SY LOHARANO

Tsy naharaka ny Fivoriana ho an'ny Pratika Tsara Indrindra momba ny Votoaty ao An-toerana nandritra ny hetsika # IGF2020 BPF ve ianao? Ho an'ireo izay liana hianatra bebe kokoa ny pratika tsara indrindra amin'ny fiarovana, fitehirizana, ary fampiroboroboana ny votoaty indizeny sy ao an-toerana amin'ny habaka notsivaloana dia mety hanampy anao hahalala kokoa momba izany ity tatitra momba ny vokatra [11] ity .

LAHATSORATRA, RAKIPEO ary LAHATSARY FANAMPINY

 

Misoratra anarana amin'ny taratasim-baovao Rising Voices [17]

 

 

Misaotra an'i Eddie Avila nandray anjara tamin'ity taratasim-baovao ity.