‘Atsaharo ny fampanginana ireo feon'ny tsy manaiky lembenana ao AAAA,’ hoy ny mpikatroka tamin'ny taratasy misokatra ho an'ny Twitter sy Facebook

Finday heniky ny sehatra media sosialy lehibe. Saripikan'i Tracy Le Blanc avy ao amin'ny Pexels, tobin-dahatahiry malalaka.

Namoaka fanambarana iombonana tamin'ny Facebook sy Twitter ny fikambanan'ny zon'olombelona miisa folo fito amby avy ao amin'ny faritra Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra (AAAA) tamin'ny alakamisy [17 des], miampanga ny famoretana ireo feon'ny tsy manaiky lembenana amin'ny fanafoanana ny kaontin'ireny olona ireny.

Manamarika ny fahafolo taonan'ny lazaina ho lohataona Arabo, izay niandoha tao Tonizia ary nanavatsava nanerana ny faritra ny taratasy, izay mpanao sonia izany koa ny Global Voices. Tao anatin'ny folo taona izao ny mpikatroka sy ny mpanao fihetsiketsehana milamina niankina tamin'ny media sosialy hampiharihary ny kolikoly sy ny habibian'ny polisy any amin'ny firenen-dry zareo, sy nanomanana fihetsiketseham-bahoaka ho fandrovindrovitana ny didy jadona tafajoro naharitra sy nanapaka tarangana ireo hafa. Nandritra ny fitroarana izay namafa ny faritra, nampiasaina betsaka ny media sosialy ho fanomanana sy hifandraisana izany vanim-potoana nahazo anaram-bositra hoe “revolisiona Facebook” izany.

Koa satria mihamifintina ny fahalalahana sy ny zo any amin'ny firenena maro manerana ny faritra tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, dia ny sehatra media sosialy no mitoetra ho varavarankely tsy fahita firy ho an'ireo feon'ny tsy manaiky lembenana. Na izany aza, nanamarika ireo vondron'ny nanao sonia [ity taratasy misokatra ity fa], nataon'ny Twitter sy ny Facebook ho lasibatra ny mpikatroka sy ny mpanohitra mpikirakira.

“Koa satria manamarika ny fahafolo taona ny Lohataona Arabo isika, izahay, mpikatroka, mpanangom-baovao ary fikambanan'ny zon'olombelona manao sonia eto ambany, dia niaraka etoana haneho ny lonilony sy ny maha-ankona anay amin'ny mahatonga ny fombafombam-pampitoniana sy ny politikan'ireo sehatra ireo matetika loatra mitarika mankany amin'ny fampanginana sy famafana ireo feo mitsikera avy amin'ny vondrom-piarahamoninana anjorom-bala sy voatsindrihazolena manerana an'i Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra,” hoy ny mpanasonia.

Nanampy ny fanambaràna:

Arbitrary and nontransparent account suspension and removal of political and dissenting speech has become so frequent and systematic that they cannot be dismissed as isolated incidents or the result of transitory errors in automated decision-making.

Lasa matetika loatra sy mitohy hatrany hatrany ny fampiatoana an-tondromolotra sy amin'ny fomba tsy mangarahara ny kaonty sy ny fanesorana kabary politika sy tsy manaiky lembenana ka tsy azo heverina ho tranga maningana na vokatry ny fahadisoana fahita amin'ny tetezamita amin'ny fanapahan-kevitra mandeha ho azy.

Miara-dia amin'ny Global Voices, miara-manasonia ity taratasy misokatra ity ihany koa ireo antoko maro manerana ny faritra AAAA, ka ao anatin'izany ny Access Now, Arabic Network for Human Rights Information (ANHRI), Article 19, 7amleh, tranonkala Daarb bees, Tahrir Institute for Middle East Policy (TIMEP), Gulf Centre for Human Rights, ary fikambanana mpandala ny zon'olombelona sy mpanangom-baovao isan'andro hafa.

Tamin'ny fanonontononana ireo andian-tranga nanesoran'ny Facebook sy Twitter tao Tonizia, Syria, Palestina ary Ejipta ny kaontin'ny mpikatroka sy mpanangom-baovao ao amin'ny faritra, nametraka ny taratasy fa “maro loatra ny tranga amin'izany, ary manome vahana ny fomba fijerin'ny mpikatroka sy mpikirakira ao AAAA sy ny Atsimo amin'ny ankapobeny fa tsy miraharaha azy ireo ny sehatra [roa tonta] ary tsy vitany ny miaro ireo mpandala nyzon'olombelona rehefa mitranga ny olana.”

Voamarika tao amin'ny fanambaràna ihany koa fa matetika ireo sehatra media sosialy roa malaza ireo, Facebook sy Twitter, no mailaka amin'ny famaliana ny tabataban'ireo mpikatroka sy mpanandratra ny teny avy amin'ny fikambanana mpandala ny zon'olombelona Tandrefana, raha iniana tsy jerena kosa etsy andanin'izany amin'ny ankamaroany ireo mpanandratra ny teny any amin'ny faritra AAAA, ary ireo mpikirakira ny iafarany lazaina ho “matetika tsy mahalala ny fitsipika itsakitsahan-dry zareo, ary tsy ampy fitaovana isian'ny olombelona mpampitony.”

Aoriandriana manoratra ny taratasy:

Remedy and redress should not be a privilege reserved for those who have access to power or can make their voices heard. The status quo cannot continue.

Tsy tokony atokana ho an'ireo afa-miakatra eo amin'ny fahefana na afa-mampandre ny feony ny fitadiavam-panafana sy fanitsiana. Tsy azo atohy ny tsi-fihotsonana.

Amin'ny fandrisihana ny Facebook sy ny Twitter tsy “hiray tsikombakomba amin'ny fanivanana sy famafana ny fitantaran'ireo vondrom-piarahamonina voageja,” miantso ny goavan'ny sehatra media sosialy anankiroa ny vondrona mpandala ny zon'olombelona hanaraka fepetra efatra lehibe hiatrehana ireo olana ao amin'ny faritra fariparitan-dry zareo ho “iray amin'ny rakitra ratsy indrindra manerantany amin'ny fahalalaham-pitenenana.”

Tafiditra ao anatin'ny fepetra naroson'ny mpiaro ny zon'olombelona ny tsy idiran'ny Facebook sy Twitter amin'ny fanavakavahana an-tondromolotra sy tsy ara-drariny, fa havitrika [hifampiresaka] amin'ny mpikirakira ao an-toerana, mpikatroka, manampahaizana manokana amin'ny fandalàna ny zon'olombelona, mpampianatra oniversite ary fiarahamonim-pirenena avy amin'ny faritra AAAA mba hijery tamberina ny alahelo, ary hatoky (hiankina) ireo fahaizana manokana ao an-toerana ahafahana mampivelatra sy mametraka fanapahan-kevitra fampitoniana votoaty mifanitsy amin'ny sehatr'asan'ny zon'olombelona ao amin'ny faritra AAAA (MENA amin'ny teny anglisy).

Iantsoan'ny taratasy ireo sehatra ihany koa ny “hanana fifantohana manokana amin'ireo tranga mipoitra any amin'ny faritra misy ady sy fifandirana hiantohana mba tsy hanao ho lasibatra tsy ara-drariny ireo vondrom-piarahamonina lasa anjorom-bala,” sy hanolotra mangarahara bebe kokoa mihoatra ny fialantsiny ampahibemaso ho misy fahadisoana ara-teknika izay miraikitra ho “fahadisoana fanapahan-kevitra fampitoniana votoaty.”

Tamin'ny fotoana nanoratana, mbola tsy namaly ny taratasy aloha i Twitter sy i Facebook.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.