Misento kely amin'ny amin'ny fanitarana ny Satam-piarovana Vonjimaika (TPS) ny Salvadôreanina mpifindramonina ao Etazonia

Niditra tsy ara-dalàna avy any El Salvador ho ao Etazonia tamin'ny taona 2004 i Hector Amaya. Na dia navela honina sy hiasa ara-dalàna tao Etazonia araka ny Temporary Protection Status (TPS) [Satam-Piarovana Vonjimaika] avy amin'ireo governemanta mifandimby aza i Amaya, dia mitebiteby lava fandrao ho voaroaka hiala ny firenena.

Efa nokinasa hifarana tamin'ny 2 janoary 2020 ny TPS ho an'ny Salvadorianina, saingy nisy ny fifanarahana vita teo amin'ny fitondrana tarihin'i Trump sy ny fitondrana tarihin'i Nayib Bukele izay nanemotra ny fotoana fanafoanana ho amin'ny andron'ny 2 janoary 2021. 

Tamin'ny fiandohan'ny desambra 2020, nitarina ho hatramin'ny 4 oktobra 2021 ny fiafaran'ny TPS, noho ny ady ara-pitsarana mandeha amin'izao fotoana izao izay manakana ny fitondran'i Trump hamarana ny programa. Araka ny Miami Herald,    

On Monday, DHS said that although a U.S. appeals court in September overturned a Northern California lower district court's temporary injunction barring President Donald Trump from terminating TPS, the appellate court has not yet issued its directive to the district court to make that ruling effective.

As a result of the court's delay, the injunction ordered in the lawsuit Ramos vs. Nielsen on behalf of TPS recipients from Haiti, Nicaragua, El Salvador, Honduras, and Sudan remains in place.

Tamin'ny alatsinainy, nilaza ny DHS fa na dia nanafoana ny fandidiana avy amin'ny Fitsarana ambaratonga voalohany iray ao California Avaratra tamin'ny septambra aza ny fitsarana ambony ao Etazonia ka manakana vonjimaika ny Filoha Donald Trump hamarana ny TPS, dia tsy mbola namoaka ny tokony ataon'ilay fitsarana ambaratonga voalohany ny fitsarana ambony ka mahatonga ilay didy ho mihatra.
Vokatry ny fanemorana nataon'ny fitsarana, dia mbola mipetraka amin'ny toerany ny fitoriana ifanandrinan'i Ramos sy i Nielsen amin'ny anaran'ireo avy ao Haiti, Nikaragoà, El Salvador, Honduras ary Sodàna.

Nomena ny Salvadaoreanina ny fifindramonina TPS rehefa nisy ny fihovitrovitry ny tany 2001 nandravarava tao El Salvador izay nahafatesana olona an'arivony sy fahapotehan-trano an'hetsiny. Nahazoan'izay Salvadaoreanina niditra tao Etazonia taorian'ny taona 2001 ka tsy afa-nody an-tanindrazana noho ny voina voajanahary ny sata ara-dalàna vonjimaika io programa io. Manampy izany, io TPS io ihany koa no mbola nahafahan'ny mpifindramonina avy any Haiti, Somalia, Sodàna, Nepal, Honduras, Liberia, Sodàna atsimo, Yemen, ary Syria hitoetra ao Etazonia noho ny fisian'ny loza voajanahary na ady mitam-piadiana [mahery vaika] any amin'ny firenen-dry zareo.

Tahaka ny maro amin'ireo Salvadaoreanina misitraka TPS miisa 250.000 eo ho eo ao Etazonia, dia nandia fotoan-tsarotra ihany koa i Amaya nandritra ny valan'aretina COVID-19. Noho ny valan'aretina, namoy ny asa fananganana nataony mihoatra ny folo taona izy rehefa nikatona nandritra ny fotoanan'ny valan'aretina ny orinasa.

Manahy ny amin'ny asany izy, fa mbola mampitebiteby azy kokoa ny ray aman-dreniny [havany] any El Salvador. Nolazain'i Amaya tamin'ny Global Voices nandritra ny antsafa an-telefônina iray fa efa nihoatra ny 15 taona izao no tsy nahitany ny fianakaviany, izay mbola monina any El Salvador. Vonjimaika hatrany hatramin'izay ny satam-pifindramonina nananany ka tsy nahafahany nody an-tanindrazana ka hoe hiverina amin'ny fomba ara-dalàna [any Etazonia] indray. Niteny i Amaya:

It has been more than 15 years since I hugged my parents. All I want to do is sit with them and talk. Also, I want to see my mom smile and cook for me all the traditional Salvadoran foods, something she loves doing. It is the little things that I miss the most. My parents are older and live in a rural area of Berlin in Morazan. I am afraid they will get COVID and have to go to a Salvadoran Hospital. The fear of them getting sick and dying keeps me awake at night more than losing my job.

Efa nihoatra ny 15 taona aho izao ny nifampikasoka farany tamin'ny ray aman-dreniko. Ny hany tadiaviko dia ny miara-mipetraka sy mifampiresaka amin'izy ireo. Tiako ihany koa ny mahita ny reniko mitsiky sy mahandro ny sakafo nentim-paharazana Salvadôreanina, tiany ny manao izany. Io no zavatra mahamanina ahy indrindra. Efa antitra ny ray aman-dreniko ary monina any ambanivohitr'i Berlin any Morazan. Manahy aho ho tratran'ny COVID ry zareo ka voatery handeha any amin'ny hopitaly Salvadôreanina. Ny tahotra an-dry zareo harary no tsy mampatory ahy kokoa noho ny fahaverezan'ny asako.

Ankilan'ny COVID-19 sy ny fahaverezan'asa, mila manahy ny amin'ny satam-pifindramoniny tsy mitombina ihany koa i Amaya. Na dia eo aza manko ny filazana fanitarana fanampiny indray, dia mbola sarotra dia sarotra ho an'i Amaya ny hahatonga azy ho mponina maharitra na ho olom-pirenen'i Etazonia ao anatin'ny programa TPS. Azon'ny manana TPS atao ny mahazo kara-ponenana maharitra (Green Card na kara-maitso) amin'ny fomba hafa toy ny ara-pianakaviana na fanangona-tsonia arak'asa. Fa na eo aza izany, miatrika tolona hafa ny mpihazona TPS. Na dia mahita lalana aza ry zareo hahazoana satam-ponenana maharitra, dia tsy maintsy mandao ny firenena ry zareo ao anatin'ny 3 ka hatramin'ny 10 taona ary maka ny visa any amin'ny biraon'ny masoivohom-pirenena.    

Raha tsy miitatra ny programa TPS rehefa mihoatra ny Oktobra 2021, dia ho voatery izy handao an'i Etazonia, firenena iray antsoiny ho fonenany. Safidy iray hafa ny hijanona eo Etazonia ka ho lasa mpifindramonina tsy manan-taratasy, [safidy] iray tsy tiany atao. Nilaza i Amaya:

I live in constant fear that the TPS program will end before I find a way to become a permanent resident. I have done everything right; I am fluent in English, pay my taxes, and follow the law. I am looking to permanently legalize my status but haven't found a way yet. 

Mampatahotra ahy mandrakariva ny hifaranan'ny programa TPS mialoha ny ahitako lalana hahatonga ahy ho mponina maharitra. Nanao ny zavatra rehetra araka ny tokony ho izy aho; mailaka aho amin'ny fitenenana teny anglisy, mandoa ny hetrako, ary manaraka ny lalàna, tadiaviko ny haha-ara-dalàna amin'ny fomba maharitra ny satako fa tsy mbola nahita lalana aho.

Manantena i Amaya fa hanitatra ny TPS ny fitondrana vaovao tarihan'i Joe Biden ary hamela azy sy ny hafa handeha lalambe hahatonga azy ireo ho mponina maharitra ara-dalàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.