
ARAHABA TRATRY NY TAONA! avy amin'ny 1suisse tao amin'ny Flickr (Creative Commons Attribution-NoDerivs 2.0 Generic)
Tratry ny taona hoy ny Global Voices!
Taona nahagaga iray hafa teo amin'ny tontolon'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra anjotra izany, ary mbola miezaka mafy izahay hanao izao tontolo izao ho toerana mifandray bebe kokoa. Manantena izahay fa hanampy anay hanao izany ianao amin'ny famakiana, fanomezana ary mety hanoratra na handika teny miaraka aminay mihitsy aza. Ahitana olona toa anao avy amin'izao tontolo izao manerantany ny vondrom-piarahamonina mpilatsaka an-tsitrapo ato aminay.
Ny taona 2010 dia taonan'ny horohorontany tany Haiti sy Shily, ny fahamehana tany Jamaika, ny Fiadiana ny Amboara Erantany tany Afrika Atsimo ary ny tondra-drano lehibe tany Pakistana. Taona nahitana famoahana Wikileaks marobe ihany koa ary ny fipoahana volkano tany Goatemala, Ekoadaoro, Indonezia.
Nahasarika ny sain'ny bilaogera tany Però sy Arabia Saodita ny oram-batravatra, ary nanohina izao tontolo izao ny fianjerana fiaramanidina tany Rosia sy India. Nakatona ny Facebook tao Pakistan, nahatonga lohateny lehibe manerantany ny hetsi-panoherana akanjo mena tany Thailandy, ary niresaka momba ny krizy ara-toekarena kosa ireo bilaogera Grika.
Namerina nijery ny zava-nitranga tamin'ny 2010 ireo toniandahatsoratra ato aminay
- Southeast Asia: Review of 2010
- Glimpses of Citizen Media from Portuguese Language Countries in 2010
- South Asia: Looking Back at the Citizen Media Storylines in 2010
- Caribbean: Defining Moments of 2010
- Japan: A year of blogs
- Japana: Ny herintaona nitorahana bilaogy [mg]
- Amerika Latina : tamberina ny taona 2010 [mg]
- Caucasus: The Year in Review
- 2010 Chinese blogosphere: Peace and conflict
- South/North Korea: A Review of 2010 in Keywords
Ny be mpamaky indrindra
Ny lahatsoratray be mpamaky indrindra tamin'ny taona 2010: Brazil: The Cala Boca Galvao Phenomenon, izay misy ampahany noho ny firesahan'i Ethan Zuckerman mpiara-manorina ny tranonkala ny tantara tamin'ny famelabelarana TED nataony.
Shina no firenena miseho matetika ao amin'ny lisitr'ireo “lahatsoratray be mpamaky indrindra”. Anisan'izany, “China: ‘My father is Li Gang'” , “Chinese blogger reviews of Avatar” , ary “China: Confessions of a naked Internet runner”.
Jereo misimisy kokoa ireo lahatsoratray be mpamaky indrindra tamin'ny taona 2010 [mg]

Taonan'ny Vovonana ho anay ihany koa ny taona 2010. Ireto ny sasany tamin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices teo anoloan'ny tranombokim-panjakana tany Santiago, Shily, izay nandray ny fivoriana tamin'ity taona 2010 ity.