- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Tovovavy iray avy ao Yunnan, niboridana ho fitakiana ny rariny

Sokajy: Shina, Fanoherana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Vonjy Voina

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Septambra 2009)

Tsy ela akory izay, lasa iray tamin'ireo lohahevitra nafàna teny anatin'ny aterineto shinoa ny tantaran “ilay tovovavy nitanjaka tao Yunnan”. Nanapaka hevitra ny tovovavy iray 21 taona, Peng Chunping, fa hametraka ety anaty aterineto ny sariny, mitanjaka, mba hisintonana ny saina sy hakàna ny fanohanan'ny fiarahamonina. Voadikan'ny bilaogy ESWN [1] [ho amin'ny fiteny anglisy] ny fanadihadiana manontolo natokan'ny gazety Southern Weekend ho an'ny lasan'ity tovovavy ity, ny tantaran'ny fitakiany sy izay nolalovany nandritra ny “fanoherany tamim-pitanjahana”.

Araka ny fitantaran'ny Southern Weekend, zazavavy kamboty i Peng, nohelohina ho faty tamin'ny taona 2000 noho ny vono olona ny rainy. Noho ny asa fitadiavana dia nandao ny tanànany ny reniny tamin'io taona io ihany. Tamin'ny 2003, mbola 15 taona izy tamin'izany, nanainga hikaroka ny reniny i Peng. Rehefa niverina izy taona roa taorian'izay, hitany fa nesorina tsy ho azy ny tranony sy ny karatra maha-mponina azy. Notazoniny ho tomponandraikitra amin'ny hirifiry ara-pianakaviana manjo azy ny governemanta eo an-toerana, ary dia natombony ny dia lavitra ezaky ny fitakiany.

Nanoratra bilaogy izy, niantso ireo mpampahalala vaovao goavana, nandeha nanatitra fanangonantsonia tany amin'ny governemantam-bohitra sy ny governemantam-paritra, ary farany tonga tany Beijing tamin'ny Jona 2008. Tany no nandrenesany ny tantaran'i Furong Jiejie na Soeur Lotus [2][angl] – ary ny fomba nahatonga azy io ho lasa nalaza taorian'ny namoahany sary tety anaty aterineto. Nanomboka teo, andiantsary telo ahitàna azy mitanjaka no napetrak'i Peng tety anaty tambajotra, izay nahasarika ny sain'ny media vitsivitsy. Mazava loatra fa tsy nanisy tsindrimpeo tamin'ny tsy rariny nanjo azy ireto farany. Nisy aza mpanao gazety vitsivitsy, mivantana na ankolaka, nanamarika hoe tsy mitombina ny tantarany momba ‘ny tsy rariny”. Nahatezitra azy izany ary dia nanatefotefoka ireto mpanao gazety izy. Ny fivoarana farany indrindra tamin'ilay raharaha dia ny fitantarana ny resaka firaisana ara-nofo nataony tamina mpanao gazety iray avy ao Yunnan, ity farany izay diso fanantenana tamin'ny fomba nitantarany ny tantarany nony farany.

Mahabe fisalasalàna ny maha-marina na tsia ny tantaran'i Peng. Ny sasantsasany amin'ireo fanehoankevitra navoaka tao amin'ny bilaoginy [3][amin'ny fiteny shinoa, toy ireo rohy rehetra manaraka] nilaza hoe :

如果是一件客观真实的事情,逻辑上是不会出现这么多可笑甚至荒谬的结构的。你说的东西可能是真的,但是那成分少得可怜。

Raha  marina ilay tantara, mety tsy ho nisy ny fikatsahana fomba hahatafavoahana mampihomehy sy mahatsikaiky tahaka izao. Mety ho marina ny voalazanao, saingy manify loatra io ampaham-pahamarinana io.

Mpisera aterineto ao amin'ny NetEase [4]no mametraka fanontaniana momba izay tiany hahatongavana:

彭春平就是想骗钱……她在我们这里就是做小姐的,到处骗男人的钱!

Ny tena tanjon'i Peng Chunping, dia ny handrebireby (hisandoka) vahoaka… Mpampanofa vatana ao an-tanàna izy ary mitaky vola eny rehetra eny amin'ireo mpanjifa azy !

Na izany aza, misy ihany ireo sasantsasany manisy lanja ny tantaran'i Peng Chunping ka mandray azy ho matotra, ary dia milaza amintsika momba ny fiarahamonina hatrany ifotony ao Shina izany, indrindra fa momba ireo niangaran'ny vintana tsy mahazo tohana sôsialy omena ireo saranga ambany indrindra eny anivon'ny vahoaka. Manamarika ilay vehivavy bilaogera Yghren [5] [teny shinoa] fa na atao hoe manana olana ara-tsaina aza izy, tokony ho afaka manampy azy ny fiarahamonina :

假如她确实是无理取闹,假如她确实有神经病,我们、我们的政府、我们的妇联就看着她自生自灭吗?

Ndeha hataontsika hoe noforomporoniny daholo izao rehetra izao ary tena marary saina tokoa izy, tokony hitazana fotsiny ve isika, sy ny governemantantsika ary ny federasiôna misahana ny vehivavy eto amintsika, ka hitazana azy midaraboka any anaty hantsan'ny fanimbàna tena ?

Nanome tsodrano azy tamin'ny alàlan'ny fanehoankevitra iray napetrany tao amin'ny bilaoginy [4] [teny shinoa] i Liu Xu, mpisera aterineto avy ao Sichuan, izay nizaka ny vokatry ny horohorontany :

祝福你像四川人承受地震灾害一样坚强不屈,与坏人斗争到底!!!相信胜利一定属于正义的,也是属于你的!!!!!!!!

Miangavy anao aho, mahereza ary aza manaiky hofolahana, toy ny nataon'ireo olona tao Sichuan nandritra ny fandalovan'ny horohorontany tao Wenchuan. Mino ny fandresen'ny rariny izahay, toy ny inoanay ny fandresenao koa!

Nisongadina indray ny anjara toerana sy ny fitsipi-pitondrantenan'ireo haino-vaky-jery. Manontany tena [6] momba ny fandrakofana ataon'ny Southern Weekend an'ireo antony nahatonga ilay tovovavy hamoaka ny sariny mitanjaka ilay bilaogera 静夜思(Fisainan'ny Alina Tony) :

5起更多的人们的关注! 一年之后,彭少女之所以愿意献身记者,可能是因为其渐渐明白:自己打打闹闹固然可以声名大噪,但这又能如何?想要真正地吸引眼球、让社会各界知晓自己,还 得借助记者、媒体。因为记者掌握着自己不具备的话语权、媒体具备着自己永远无法企及的社会影响力。

Inona no tena irian'ilay tovovavy? Ny hany valiny tokana dia ny hoe: ny fahalalahana miteny izay lalain'ireo mpanao gazety fatratra ary ny fitaomana entin'ireo media eny amin'ny fiarahamonina. Vantany namoaka voalohany ireo sariny mitanjaka i Peng, ary nanomboka ny tantaran “ilay tovovavy mitanjaka mikaroka ny reniny”, dia mazava be fa ny hanetsika ny fihetsehampo sy ny hisarika ny sain'ny olona maro araka izay tratra no notadiaviny ! Taona iray mahery aty aoriana, rehefa nivonona ny hanao firaisana tamin'ilay mpanao gazety i Peng, mety efa tàkany fa na mety hitondra laza ho azy aza ny resabe momba ireo sariny mitanjaka, hitondra azy ho aiza anefa izany? Tsy misy afa-tsy ny fanampiana avy amin'ireo mpanao gazety sy ny media no ananany vintana hampahafantatra amin'ny fiarahamonina ny tenany (sy mampahafantatra ny tsy rariny niaretan'ny fianakaviany), satria ananan'ireo mpanao gazety ny fahafahana mampiasa ny zo hiteny, zo izay tsy ananany, sady ihany koa tsy ho ananany velively ny fahafahana mitaona fiarahamonina toy ny an'ny gazety.