Naverin'ny filohan'i Mozambika tany amin'ny parlemantera ny lalànan'ny fizarana tombontsoa ho an'ny mpitondra teo aloha

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Jona 2014)

Parlamento moçambicano. Foto de Deputados de Luxo no Facebook

Parlemanta Mozambikana. Sarin'ny Solombavambahoaka Mirentirenty tao amin'ny Facebook.

Taorian'ny nahazoana ny fankatoavana avy amin'ny sampana parlemantera miisa telo ny lalàna roa momba ny fanitsiana sy ny fizarana tombontsoa ho an'ireo depiote teo aloha sy ireo filoha teo aloha tao amin'ny Lapan'ny Antenimieran'ny Repoblika dia maro ireo fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena no nanao fanentanana handavana izany fanapahan-kevitra noraisin'ireo olom-boafidim-bahoaka izany.

Marcha contra as regalias de ex-governantes

Manohitra ny tombontsoa ho an'ireo filoha teo aloha.

Tamin'ny 16 Mey 2014 no nivory ny fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena Mozambikana maro – isan'ireny ny Rafitra manohana ny Fiarahamonim-pirenena (MASC), ny Zaikabe Vondrom-piarahamonina Onjam-peo ao Mozambika (FORCOM), ny Zaikaben'ny Vehivavy, Ivotoerana ho an'ny Fahamendreham-bahoaka (CIP), ankoatra ny hafa – ho “fanoherana ny fangalarana ara-dalàna“. Niseho tamin'ny fotoana tsy fananan'ny Mozambikana maro fiainana mirindra ara-tsosialy vokatry ny hantsana eo amin'ny fiarahamonina sy ny tsy fisian'ny fitaterana mendrika ilay hetsi-panoherana, nokarakaraina amin'ny Solombavambahoaka Mirendrarendra.

Ho valin'ity tsindry ity, naverin'ny filohan'ny Repoblika Armando Guebuza tany amin'ny Parlemanta mba hojerena ireo lalàna roa ireo, vaovao izay nohavaozin'ny pejin-gazety Canal de Moçambique tamin'ny lohateny hoe “Fandresena voalohany ho an'ny olom-pirenena”.

Faly tamin'ny fihetsiky ny Lehiben'ny Fanjakana ny vondrona Solombavambahoaka Mirendrarendra, izay nanao ny fanentanana amin'ny fandavana ireo lalàna ireo:

Caros Compatriotas! Uma parte dos nossos objectivos, como moçambicanos, foi alcançada. O PR devolveu a Assembleia da Republica, a lei que faz menção as mordomias dos deputados. Traremos mais informações…Viva o Povo!!!

Ry mpiray tanindrazana amiko! Tratra ny ampahany amin'ny tanjontsika, amin'ny maha Mozambikana antsika. Naverin'ny filohan'ny Repoblika any amin'ny Antenimieran'ny Repoblika, ny lalàna izay ahitana ireo tombontsoa ho an'ny solombavambahoaka. Hitondra fanazavana fanampiny izahay… Ho ela velona ny vahoaka Mozambikana !!!

Ao amin'ity fanambarana ity ihany, nilaza i Narciso Francisco fa tsy ho tombony politika avy amin'ny Filoham-panjakana ity fanapahan-kevitra ity:

Espero que não seja uma questão de tempo para garantir o voto nas eleições que se avizinham e a posterior aprovar…a luta continua e o povo e que esta no poder.

Manantena aho fa tsy ny fotoana no olana hanatanterahana ny fifidianana hoavy sy ny manaraka hankatoavana izany… Mitohy ny tolona ary an'ny vahoaka ny fahefana.

Nahita i Ericino de Salema, mpitsikera sy mpanao gazety Mozambikana fa fihetsika manan-danja tokoa ny famerenana ireo lalàna ireo:

PR Armando Guebuza e a devolução das duas “leis da (des)graça” ao Parlamento: uma decisão sabia, clarividente e visionaria!

Fanapahan-kevitra feno fahendrena, mitsinjo lavitra ary maminavina ny hoavy ny famerenan'ny PR Armando Guebuza ireo “lalànan'ny tombontsoa mivilana” roa ireto tany amin'ny Parlemanta.

Ho an'i Francisco Alberto Tembo, mpianatry ny oniversite, fisaorana lehibe no atolotra ny fiarahamonim-pirenena noho ny tsindry nataon'izy ireo nahazoana izany fandresena izany.

Ponto para sociedade. É muito bom saber que sociedade tem capacidade para influenciar as decisoes politicas, pois, se assim não fosse sabe se lá onde é que estaria o país.

Isa ho an'ny fiarahamonina. Tena tsara ny mahafantatra fa manana fahaizana mamaritra fanapahan-kevitra politika ny fiarahamonina, raha tsy izany tsy misy mahalala hoe aiza no misy ny firenena amin'izao fotoana izao.

Tonga mpandresy lehibe indrindra tao anatin'ny dingana ny olom-pirenena ao Mozambika. Na eo aza izany, antenaina ny fandinihana vaovao momba ireo lalàna naverina tany amin'ny Antenimieran'ny Repoblika ireo, azo lazaina fa ny tolona ihany no nahazoana fandresena teto fa tsy ny ady.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.