- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taratasim-baovao isam-bolana momba ny tambajotram-piarahamonina sy ny fidirana amin'ny aterineto isa-toerana – laharana faha 31

Sokajy: Fidirana, Mediam-bahoaka, Rising Voices

AlterMundi nanohana ireo vondrom-piarahamonina manerana an'i Arzantina tamin'ny fametrahana ny tambajotran'izy ireo manokana, na dia ao anatin'ny valan'aretina aza. Sary: AlterMundi, nampiasana lisansa CC BY-SA 3.0.

Ity taratasim-baovao ity dia ao anatin'ny tetikasa mitondra ny anarana hoe “Tambajotra amin'ny Aterineto isa-toerana: Afa-mifanerasera ve ireo tsy miserasera?” novolavolain'ny APC niaraka tamin'ny Internet Society sy ny Rhizomática, ary notohanan'ny Ivontoeram-pikarohana Iraisampirenena ho an'ny Fampandrosoana avy ao Canada (IDRC). Navoaka indray eto amin'ny Rising Voices izany ho ampahany amin'ny fiaraha-miasa amin'ny APC. Namorona sehatra vaovao ho an'ny tambajotram-piarahamonina hizarana ny zavatra niainana sy hivoarana miaraka ny APC. Miangavy ateveno ny https:/communitynetworks.group/ [1]

Hetsika sy fivoriana

  • Fiaraha-miasa eo amin'ny IBEBrasil sy ny ISOC Brazil no manolotra fianarana momba ny fandrindrana ireo tambajotram-piarahamonina. Vakio bebe kokoa [2].

Ireo loharano azo tamin'ny hetsika teo aloha

  • Tamin'ity taona ity, natao an-jotra ny Fivoriana momba ny Fitantanana ny Aterineto (IGF), ary maro ny fotoam-pivoriana momba ny tambajotram-piarahamonina, toa ity atrikasa momba ny Tambajotram-piarahamonina ity, ny Herinaratra sy ny Fampandraisan'anjara Nomerika izay niresahana ny politika fanaovan-dalàna. Vakio bebe kokoa [3] .
  • Isa-taona, mikarakara hetsika antsoina hoe Fifanakalozan-kevitra momba ny Tambajotram-piarahamonina (CNX) ny Orina Mpanasoa Digital Empowerment (DEF). Azonao jerena ato ny firaketana ny andiany tamin'ity taona ity. Vakio bebe kokoa [4].
  • Nanasongadina fotoana momba ny Maodely Fifandraisana Hafa ho an'ny Fifandraisan'ny Vondrom-piarahamonina, izay niresahana ireo tambajotram-piarahamonina isankarazany ny Vovonana Dynamic Spectrum Alliance Global 2020. Vakio bebe kokoa [5].
  • Natao an-jotra ny hetsika Battlemesh tamin'ity taona ity. Efa hita amin'ny Aterineto izao ny firaketana ny hetsika. Vakio bebe kokoa [6].
  • Fivoriana an-jotra momba ny famatsiam-bola ho an'ny tambajotram-piarahamonina aty Afrika, nandritra ny Vovonana momba ny Tambajotram-piarahamonina aty Afrika. Vakio bebe kokoa [7] .
  • Natao an-jotra ny fivoriana miisa dimy nandritra ny Vovonana momba ny Tambajotram-piarahamonina aty Afrika tamin'ity taona ity. Telo no efa vita, fa mbola misy roa ho avy! Vakio bebe kokoa [8].

Ny Tambajotram-piarahamonina ao amin'ny vaovao sy ny blaogy

  • Namoaka fanambarana miaraka amin'ny antso mba ahafahan’ “Ny Vondrom-piarahamonina Mifanerasera” haingana ny fiaraha-miasa amin'ny Public Access (fidirana ho an'ny daholobe). Vakio bebe kokoa [9].
  • Community Networks Stories: Rafi-pifandraisana an-tsivalo nampifanarahana amin'ny filàna sy ny toe-javatra misy ao an-toerana ho an'ireo vondrom-piarahamonina saro-dalana any Amazon. Vakio bebe kokoa [10] .
  • Nasongadina ho toy ny fanadihadiana tranga ny Zenzeleni tamin'ny tatitra isa-taona avy amin'ny Prosperity Fund ho an'ny taona 2019 ka hatramin'ny 2020. Vakio bebe kokoa [11].
  • Lisitry ny loharanon'ny tambajotram-piarahamonina ao amin'ny Zotero, narindran'i Eric avy ao amin'ny Wakoma. Vakio bebe kokoa [12].
  • Natsangana ireo tambajotram-piarahamonina vaovao na dia nandritra ny valan'aretina aza tany Arzantina. Vakio bebe kokoa [13] .
  • Nanasongadina ny sanganasan'ny Zenzeleni ao anatin'ny andian-dahatsoratra bilaogy momba ny tambajotram-piarahamonina ny KICTANet. Vakio bebe kokoa [14].

Manamiralenta tambajotram-piarahamonina

  • Nanasa ireo vehivavy miasa amin'ny tambajotram-piarahamonina hizara ny zavatra niainany tamin'ny fotoanan'ny COVID-19 ny ekipan'ny tetikasa GenderIT.org [15] sy ny tambajotran-tsersera APC eo an-toerana (LocNet) . Ity dia iray amin'ireo tantara nozaraina momba ny fikarakarana ara-pahasalamana miaraka amin'ny teknolojian'ny fifandraisana mandritra ny valan'aretina. Vakio bebe kokoa [16].

Vaovao momba ny politika sy ny fitsipika

  • Fandraisan'ny fiarahamonim-pirenena anjara amin'ny fakana hevitra avy amin'ny vahoaka nataon'ny Anatel, orinasan'ny fifandraisandavitra Breziliana, amin'ny fanamorana ny lasitrasa fahazoan-dàlana ho an'ny mpandraharahan'ny fifandraisandavitra. Vakio bebe kokoa [17].
  • Fandraisana anjara avy amin'ny fiarahamonim-pirenena amin'ny fakana hevitra avy amin'ny vahoaka nataon'ny Manampahefana misahana ny Serasera Etiopiana momba ny Vatsy Fahazoa-[miserasera] Erantany Erandanitra. Vakio bebe kokoa [18] .
  • Fanitarana ny tontolon'ny mpandraharahan'ny fifandraisan-davitra: torolàlana momba ny politika sy ny fitsipika amoahana mpandraharaha ao an-toerana. Vakio bebe kokoa [19].

Fitaovana sy boatim-pitaovana

  • Zahao ity fantsona YouTube ity raha mila fampianarana momba ny tolotra fampiantranoan-tena ho an'ireo tambajotranao. Vakio bebe kokoa [20].

Fahafahana mahazo vatsy ara-bola

  • Nanao antso misokatra ho an'ny Fanamby Famahana Olana Ankapobeny 2021 ny Cisco, miaraka amin'ny loka hatramin'ny 25.000 USD ho an'ny vahaolana ho an'ny tontolo iainana na sosialy. Vakio bebe kokoa [21].

Lahatsoratra teo aloha

  • Ato [22] ny taratasim-baovaon'ny lahatsoratra teo aloha.