Pakistàna : vehivavy mikarakara hetsika nasiônaly ho setrin'ilay fanolànana nahavaky fo

Diabe Aurat Azadi (fanafahana ny vehivavy) teo amin'ny fiolahana iray ao Lahore Liberty, ny 12 Septambra 2020. Tsonga avy amin'ny lahatsary YouTube an'i Ilme Alim. Fandikàna: Nahoana ireo vehivavy liberaly no manohitra ilay sazy faratampony?
[Raha tsy asiana fanamarihana manokana dia mankany amina lahatsoratra amin'ny fiteny anglisy ny rohy rehetra]
Ny 12 Septambra, nanao hetsipanoherana faobe ireo vehivavy pakistaney tany amin'ireo tanàandehibe tao amin'ny firenena mba hahazoana ny rariny sy hitakiana mba handray ny valinasany ireo nanao herisetra ara-nofo, taorian'ny nitantarana be tamin'ny media ny fanolanana iray nitranga tao amin'ny faritr'i Lahore.
Ny alin'ny 9 Septambra, teny amin'ny lalambe Lahore-Sialkt, raha sendra lany solika teny am-pamiliana fiara ity vehivavy iray niaraka tamin'ny zanany telo, avy ao Lahore ho any Gujranwala (97 km), no niharan'ny fandrobana sy fanolanana rehefa voaamban'ny lehilahy telo tamin'ny basy.
Araka ny nambaran'ny pôlisy ao Pendjab, ilay lalambe migodana, izay vao haingana no nisokafany, dia tsy misy andiana mpitandro filaminana manao fisafoana.
Tezitra mafy tokoa ireo media sôsialy rehefa avy nandre nandritra ny antsafa iray tao amin'ny fahitalavitra ilay manampahefana ao amin'ny pôlisin'ny renivohitra Lahore (Capital City Police Officer, CCPO), Umar Sheikh, nanome tsiny ny niharamboina noho izy namily fiara amin'ny andro alina.
Fotoana fohy taorian'izay, niparitaka nameno ny Twitter ny tenifototra iray mitaky ny hametrahan'i Umar Sheikh ny fialàny.
Nomelohin'i Shireen Mazari, minisitra federaly misahana ny zon'olombelona ao Pakistàna, ilay fanambaràna nataon'ny CCPO :
For an officer to effectively blame a woman for being gang-raped by saying she should have taken the GT Road or question as to why she went out in the night with her children is unacceptable & have taken up this issue. Nothing can ever rationalise the crime of rape. That's it.
— Shireen Mazari (@ShireenMazari1) September 10, 2020
Tena tsy azo ekena raha manampahefana no hanatsiny, raha izay no azo ilazàna azy, vehivavy iray noho izy niharan'ny fanolanana tambabe, amin'ny fitenenana hoe tokony ho ny lalambe GT (Grand Trunk Road) no noraisiny, na mametraka fanontaniana momba izay antony nivoahany tamin'ny alina niaraka tamin'ireo zanany, ary dia raisiko an-tànana ity raharaha ity. Tsy misy mihitsy afaka entina manamarina ny heloke bevava momba ny fanolanana. Izay no izy.
Nanakiana ireo voalazan'ny CCPO ihany koa i Khadija Siddiqui, vehivavy mpisolovava, efa niharan'ny herisetra henjana nataon'ny tovolahy iray niray kilasy taminy teny an-dàlana iray tao Lahore tamin'ny May 2016 :
Ccpo claiming that in our society women/children arent allowed to go outside after 12:30 am! Who are you to set time limits for us?
I was stabbed 23 times in broad daylight! Dont tell us that ‘time’ is directly connected to the commission of offence! #motorwayincident pic.twitter.com/8z9ERuJ3Rc— khadija siddiqi (@khadijasid751) September 10, 2020
Lazain'ny CCPO fa ao anatin'ny fiarahamonintsika, tsy manana alàlana hivoaka aorian'ny 12:30 mn alina ny vehivavy sy ny ankizy! Fa iza ianareo no hametraka fetram-potoana ho anay! Antoandro be nanahary izao aza aho no voatsindrona antsy in-23 ! Aza miteny aminay hoe mifandray mivantana amin'ny fitrangan'ny loza ny “fotoana”!
[fanolorana fohy ny lahatsary]
Hita ao anatiny i Umar Sheikh, manampahefana avy ao amin'ny pôlisin'ny renivohitra Lahore, manazava ny mety ho antony nahatonga ny fitrangan'ilay fanolanana teny amin'ny lalambe. Amin'ny fiteny Urdu izy no manazava izany nandritra ny antsafa iray ho an'ny mpanao gazety. Somary efa nahazo taona, manao solomaso ary misy volombava, mitafy ny fanamiana maha-pôlisy azy.
Sorabaventy iray goavana avy amin'ireo famoriambahoaka natao tamin'ny 12 Septambra ny hoe « Mera Jism Meri Marzi » (« Ny vatako, ny safidiko »).
Ireo Aurat March (Diaben'ny Vehivavy), izay nandray anjara tamin'ny fanetsehana tany amin'ireo tanàna samihafa, dia namoaka satam-pitakiana iray, tafiditra anatin'izany ny fanoherana ny fanantonana sy ny fanohanana ireo fanavaozana ara-pitsaràna sy eny anivon'ny pôlisy mba hiantohana ny « tsy hahatohina ny vatanay ary mba hanefa noho ny zavabitany ireo mpanao herisetra».
Our charter of demands for the protest today at 5 PM liberty roundabout.
We oppose public hangings and call for meaningful reform to ensure our bodies are safe and there is accountability for violence.#MeraJismMeriMarzi pic.twitter.com/1lV5QWj03s
— عورت مارچ لاہور – Aurat March Lahore (@AuratMarch) September 12, 2020
Ny satam-pitakianay tafiditra amin'ny hetsipanoherana atao androany, ao amin'ny fiolahana ao Lahore Liberty, amin'ny 5 ora hariva.
Toherinay ny fanantonana imasombahoaka ary mangataka izahay ny hitondràna fanavaozana goavana ho entina miantoka fa tsy ho voatohintohina ny vatanay, ary ny hanerena ireo nanao herisetra hizaka ny vokatry ny nataony.
— عورت مارچ لاہور – Aurat March Lahore (@AuratMarch) 12 Septambra 2020
We, as the organizers of the protest that's being held in light of the heinous motorway attack, demand swift justice for all victims of sexual violence BUT we oppose capital punishment & violence begetting violence. Here is our list of demands. #EndRapeCulture #MeraJismMeriMarzi pic.twitter.com/r7m4ca3RC3
— Aurat Azadi March Islamabad (@AuratAzadiMarch) September 11, 2020
Izahay, amin'ny maha-mpikarakara ny hetsika, natao hiseho masoandro noho io fanafihana sahisahy teny amin'ny lalambe io, dia mitaky ny hivoahan'ny rariny haingana ho an'ireo rehetra niharan'ny herisetra ara-nofo SAINGY toherinay ny sazy faratampony sy ny herisetra hiteraka herisetra. Indro ny lisitr'ireo fitakianay.
— Aurat Azadi March Islamabad (@AuratAzadiMarch) 11 Septambra 2020[Sary]
Fitakiana miisa folo no hita ao anatin'ny sary, voasoratra amin'ny fiteny anglisy.
We, the organisers of the Mera Jism Meri Marzi protest in Karachi, demand justice, accountability, an end to violence, and structural reform. We demand radical change within our public institutions to ensure that this culture of patriarchal violence and control comes to an end. pic.twitter.com/6fmCIMAc2r
— Aurat March – عورت مارچ (@AuratMarchKHI) September 12, 2020
Takianay, mpikarakara ny hetsipanoherana Mera Jism Meri Marzi tao Karachi, ny hivoahan'ny rariny, ny fandraisana andraikitra [avy amin”ireo olona voakasik'izany] , ny hitsaharan'ny herisetra sy ny [hametrahana amin'ny toerany] fanavaozana ara-drafitra. Takianay ny hitondrana fanavaozana hatrany ifotony any anatin'ireo andrimpanjakana eto amintsika mba hitsaharan'ny kolontsain'ny herisetra sy ny fanjakan-dehilahy.
— Aurat March – عورت مارچ (@AuratMarchKHI) 12 Septambra 2020[Sary]
Asehon'ny sary ireo fitakiana ao anatin'ilay sata, manindry mafy ny fandàvana ny fanantonana imasombahoaka sy ny fanamelohana ho faty. Voasoratra amin'ny teny anglisy eo ambony lafika loko mavo.
Tao Pendjab monja, tamin'ny 2019, 3 881 ny tranga fanolanana ary 1 359 ny tranga fanararaotana ara-nofo voarakitra natao taminà ankizy. Araka ireo antontanisa avy amin'ny pôlisy ao Pendjab, 2 043 ireo tranga fanolanana voapetraka nandritra ny tapany voalohany ho an'ny taona 2020.
Ilay herisetra nitranga teny amin'ny lalambe migodàna no anohizan'ny pôlisy ny fanadihadiany. Na nisy aza ireo olona noahiahiana, tsy mbola nisy hatreto ny fisamborana.
Adihevitra ataon'ny media sôsialy momba ny fanamelohana ho faty
Ao Pakistàna, isaky ny lasa lohateny vaventy eny anaty gazety ny trangam-panolanana iray, takian'ny olona hatrany ny hampiharana ny fanamelohana ho faty ho an'ireo lehilahy voaheloka ho nanolana. Tsy mbola misy hafa amin'izany ny toedraharaha amin'izao fotoana izao, ary lasa tsy azo ihodivirana ety anaty media sôsialy ny tenifototra #HangRapistsPublically (Ahantony ho hitan'ny rehetra ireo mpanolana).
Ny rantsana vehivavy ao anatin'ny Jamat-e-Islami [fr], antoko pôlitika iray miankina amin'ny finoana izay nikarakara koa hetsipanoherana ho setrin'ilay tranga teny amin'ny lalambe migodàna, dia isan'ireo kaonty nandefa bitsika nampiasàna io tenifototra io.
General Secretary of JI Women Wing, Ms Durdana Siddiqui spoke from the protest today at Khi Press Club. She asked for the Women Protection & demanded to #hangrapistspublicly #تحفظ_فوری_انصاف pic.twitter.com/Sb1dmXrT8u
— Jamaat e Islami Karachi (Official) (@KarachiJamaat) September 11, 2020
Niteny tao amin'ny Khi Press Club androany ny sekretera jeneralin'ny rantsana vehivavy ao amin'ny Jamat-e-Islami, Rtoa Durdana Siddiqui, nandritra ilay hetsipanoherana. Notakiany ny hiarovana ny vehivavy sy ny hanantonana ho hitan'ny rehetra ireo mpanolana.
— Jamaat e Islami Karachi (Official) (@KarachiJamaat) 11 Septambra 2020[Sary]
Voamarika eto ireo vehivavy vitsivitsy misarona voaly manontolo. Vehivavy roa no miatrika ny fakantsary. Ny voalohany miteny amin'ny mikrô. Lehilahy ilay mpanao gazety manontany raha ny tànany no jerena, tsy hita eo amin'ny fakantsary ny endriny. Ny vehivavy faharoa milanja soratra eny an-tànany, misy fikatiana iray amin'ny fiteny anglisy nadika hoe : « Arovy ny Vehivavy sy ny Ankizy ». Eo ambany no ahitàna filazàna ny fanondroana fa avy amin'ny rantsana vehivavy ao amin'ilay antoko ara-pinoana Jamat-e-Islami ry zareo.
Tao anaty antsafa iray dia niaro ny tokony hampiharana ilay fanantonana koa ny praiminisitra pakistaney, Imran Khan. « Tokony handray sazy ho ohatra ry zareo [mpanolana]. Raha ny hevitro manokana, tokony hahantona eny amin'ny chowk [sampanan-dàlana] izy ireny », hoy i Imran Khan.
Nanohana ny fomba fijerin'ny praiminisitra ihany koa ny governemanta federaly ao Pakistàna, no sady nankasitraka ny hanaovana ilay « famosirana amin'ny fomba simika » ho toy ny sazy entina hiarovana ny firenena amin'ny mety ho kiana ataon'ny Tandrefana.
I personally think pedophiles & rapists must be hanged publicly but I'm told that we have international repercussions. EU's GSP status for trade with Pakistan will be affected by public hangings. Hence I think chemical castration must be conducted on those criminals #PMIKon92News
— PTI (@PTIofficial) September 14, 2020
Izaho manokana dia mihevitra fa tokony hahantona imasombahoaka ireo mpametaveta zaza sy mpanolana, saingy tsy maintsy hiatrika tamberina avy amin'ny sehatra iraisampirenena isika. Mety ho voatohintohin'io fanantonana imasombahoaka io ny sata SPG an'ny Firaisambe Eorôpeàna momba ny fifanakalozana ara-barotra ifanaovana amin'i Pakistàna. Heveriko araka izany fa ny famosirana amin'ny fomba simika no tsy maintsy raisina hampiharina amin'ireny mpanao heloka bevava ireny.
— PTI (@PTIofficial) 14 Septambra 2020
Kanefa, lavin'ny sasany ny sazy famaizana tahàka izany. Hoy i Mehreen Zahra Malik, mpanao gazety :
EU’s Generalized System of Preferences (GSP-plus) status, granted to Pakistan in 2014, is contingent upon observation of international conventions, such as human rights. Don't think they'll be too happy with #chemicalcastration & public executions. #motorwaycase #motorwayincident
— Mehreen Zahra-Malik (@mehreenzahra) September 14, 2020
Araka ny voalazan'ny Generalized System of Preferences (SPG-plus) avy amin'ny Fiombonambe Eorôpeàna, nomena an'i Pakistàna tamin'ny 2014, dia fepetra iray tsy iadian-kevitra ny fanajàna ireo fifanarahana iraisampirenena, toy ny zon'olombelona. Aza mieritreritra hoe ho faly amin'ilay famosirana amin'ny fomba simika ry zareo, sy ireo famonoana imasombahoaka. #raharahaAnDalambe #TrangaAnDalambe
— Mehreen Zahra-Malik (@mehreenzahra) 14 Septambra 2020
Reema Omer, mpanolotsaina amin'ny resaka raharaham-pitsarana ao amin'ny Kaomisiôna Erantanin'ireo Mpahay Lalàna, nilaza hoe :
In addition to public hanging, certain MNAs have also suggested “chemical castration” as punishment for rape
A similar proposal was made to J. Verma Committee (constituted for law reform after the Delhi gang rape) in India
The Committee rejected it for the following reasons: pic.twitter.com/IfD09BYqeV
— Reema Omer (@reema_omer) September 14, 2020
Ankoatry ny fanantonana imasombahoaka, nanosika ny hevitra hampiharana ny “famosirana amin'ny fomba simika” an'ireo mpanolana ihany koa ny sasany tamin'ireo solombavambahoaka.
Efa nisy tolokevitra nitovitovy tamin'io natao tany amin'ny Kaomity J. Verma (J. Verma Committee, najoro hanavaozana ny lalàna taorian'ilay fanolanana tambabe tao Delhi) tao India.
Noho pic.twitter.com/IfD09BYqeV, nolavin'ilay Kaomity ilay izy.— Reema Omer (@reema_omer) 14 Septambra 2020
Nibitsika ilay mpanao gazety, Zarrar Khuhro, hoe :
Systemic reform is what we need to be talking about. Chemical castration, public hanging, dissolving in acid…all that has to come later. Most #rape cases go unreported because of police, legal and societal problems. And of those who go to court, 96% are acquitted.
— Zarrar Khuhro (@ZarrarKhuhro) September 14, 2020
Fanavaozana ara-drafitra no tsy maintsy resahana. Manaraka ho azy avy eo ny famosirana amin'ny fomba simika, ny fanantonana imasombahoaka, ny fandevonana anaty asidra. Noho ny fanasarotan-javatra rehefa tonga eny amin'ny pôlisy, ny olana avy amin'ny lalàna sy ny fiarahamonina, dia tsy aharaisana tatitra ny ankamaroan'ireo tranga fanolanana. Ary afaka ny 96% amin'ireo izay tonga eny amin'ny tribonaly.
— Zarrar Khuhro (@ZarrarKhuhro) 14 Septambra 2020
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...