- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mandraisa anjara amin'ny resadresaka an-jotra momba ny ‘Ady amin'ny fandisoam-baovao mihatra amin'ny fiteny marefo’

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Mandraisa anjara amin'ny resadresaka an-jotra malalaka momba ny lohahevitra hoe “Ady amin'ny fandisoam-baovao hita amin'ny fiteny tsy ampy votoaty” miaraka amin'ny Global Voices [1] sy ny tetikasa Rising Voices [2] miasa miaraka amin'ny First Draft [3] ny Alakamisy 10 Desambra 2020 izao.

Hotrandrahana amin'ity fotoana ity ny fiantraikan'ny fandisoam-baovao amin'ny fiteny sy ny foko vitsy an'isa sasantsanay any Afrika sy Azia, sy ny fahavononan'ny mpikambana sasany any amin'ireo vondrom-piarahamonina ireo hiatrika izany.

Ohatra roa fotsiny amin'ny lohahevitra izay ahitana ny fanamby amin'ny fanomezana vaovao marim-pototra ho an'ny olom-pirenena ny coronavirus sy ny fifidianana. Na dia manana ny zo hahazo vaovao marim-pototra aza ny olona, matetika ny sehatra sasany amin'ny fiarahamonina ihany no mahazo vaovao azo itokiana sy voamarina, azo inoana fa ireo izay miteny amin'ny fiteny manjaka kokoa izany. Moa ve ampy ny zavatra ataontsika hanaraha-maso ny fiantraikan'ny fandisoam-baovao amin'ny fiteny sy ny foko vitsy an'isa ary ho an'ireo mpampiasa fiteny izay zara raha manana loharanom-pahalalana, ary ahoana moa ny fomba fielezany amin'ireo vondrom-piarahamonina ireo?

Ny tanjonay amin'ity fivoriana an-jotra ity dia ny hahatonga azy ho toerana ahafahan'ny mpanao gazety sy ny mpanamarina fisian-javamisy mihaona amin'ireo olona miady hahazo vaovao marim-pototra ao an-toerana, ao amin'ny faritra, na amin'ny amin'ny fiteny tsy ampy loharanom-pahalalàna, ka ahafahana mahatakatra kokoa ny olan-dry zareo, ary ianarana avy amin'ny zavatra niainany sy ny teknikan'izy ireo manokana ihany koa.

Ireto avy ny hiakatra an-tsehatra amin'ity fivoriana ity:

Hanentana ny fotoana i Marie Bohner (First Draft [3]) sy Eddie Avila (Global Voices [1]).

Misorata anarana eto [7] raha handray anjara hiaraka aminay ny Alakamisy 10 Desambra amin'ny 2 ora tolakandro, ora UTC (tsindrio eto [8] raha hanova ora any amin'ny faritra misy anao).