- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manome voninahitra farany ilay olomangan'ny football arzantinianina Maradona i Bangladesh

Sokajy: Azia Atsimo, Arzantina, Bangladesh, Fanatanjahantena, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Tanora, Tantara
Football fever spreads in Bangladesh during each FIFA World Cup. Jatrabari, Dhaka. Image by Sourav Lasker. Copyright Demotix (8/6/2014) [1]

Miely ao Bangladesh ny fitiavana fatratra ny Football. Milalao football eo anoloan'ny rindrina voaloko sainam-pirenena isankarazany mpandray anjara amin'ny mondialy FIFA. Jatrabari, Dhaka. Saripikan'i Sourav Lasker. Copyright Demotix (8/6/2014)

Mitovy laza tahaka ny ao amin'ny fireneny ny lazan'ilay kintana lehibe Arzantiniana amin'ny football Diego Armando Maradona [2] ao Bangladesh [3]. Nahatohina [4] ny Bangladeshita maro, izay niditra tamin'ny tambajotram-piarahamonina haneho ny lanjan'ilay olomalazan'ny football ho azy ireo ny fahafatesan [5]‘i Maradona tao Buenos Aires tamin'ny 25 Novambra 25.

Mpisera Twitter Akteex namehy ny fahatsapan'ny firenena iray ato amin'ity paositra fohy ity:

Henoko i Bangladesh mitomany

Tamin'ny fanamarihana fa lasa anarana mahazatra ao Bangladesh ny Maradona, namaly ny mpiondana football Sabbir [7]:

Fantatro ny anarany raha iverenana ny tsiaro voalohany indrindra tato amiko. Tamin'izany fotoana izany aho zaza niaina tany amin'ny tanàna iray saro-dalana ao Bangladesh, ary nihevitra fa raha afa-mandeha lavitra aho dia hianjera amin'ity tontolo ity satria mahitsy marin-drano izany, saingy fantatro ny anarana Maradona. Izany no mahangeza azy.

Ny ampitson'io indrindra, nanome voninahitra an'i Maradona tamin'ireo lanonana isankarazany ny Bangladeshita, tahaka ny tamin'ity lalao cricket tao an-drenivohitra Dhaka ity:

Iray minitra fahanginana notanterahan'ny ekipa efatra ho an'ity olomangan'ny Football izay tsy iza fa i Diego Maradona ity. Nitranga izany taorian'ny fanolorana taorian'ny lalao tamin'ny lalao voalohany.

Na dia faramparan'ny laharana aza ny firenena aziatika atsimo amin'ny filaharan'ny football FIFA manerantany [12], dia tena malaza tokoa [13] ilay fanatanjahantena. Manaraka ny ligy football Amerikana Latinina ny ankamaroan'ny Bangladeshi ary manandratra olomanga tahaka an'i Maradona sy i Pele [14] avy ao Brezila. Misy aza moa ny mpiondana no tsy mino fotsiny izao fa efa tsy izy intsony i Maradona.

Anisul Kabir [15], toania mpiara-miasa ao amin'ny gazetiboky mpanao esonteny Unmad, no manoratra ao amin'ny Facebook [16]:

পৃথিবীতে ম্যারাডোনা নামের অবাক করা মানুষটি নাই, ব্যাপারটা বিশ্বাস করতে কষ্ট হচ্ছে। ফুটবল বিশ্ব সেরাদের মধ্যে সেরা একজন লিজেন্ড হারালো। খারাপ লাগলো খবরটা শুনে।

Tsy miaina intsony ilay fahagagana antsoina hoe Maradona, sarotra atelina izany. Namoy fanorolahy ny tontolon'ny football. Tena malahelo aho androany.

Nanampy [17] ilay mpientanentana amin'ny fanatanjahantena Noman Mohammed:

ডিয়েগো ম্যারাডোনা মারা গেছেন। খবরটা মিথ্যা হোক, খুব করে চেয়েছিলাম। বিশ্বের বিভিন্ন দেশের ওয়েবসাইটে ঢুকে বুঝতে চেয়েছি, কেউ যেন এটিকে গুজব বলে। কিন্তু তা হল না।

Tiako ilay vaovao fahafatesan'i Maradona ho hoax [lainga]. Niezaka aho ny hitety ireo tranonkala iraisampirenena isankarazany hahita ny marina. Saingy tsy marina ilay faniriako.

Nisioka iTazin nandritra izany fotoana izany:

Nandao antsika ilay olomangan'ny football Diego Maradona tamin'ny 25 novambra.
Tahaka ireo firenenkafa dia betsaka koa ao Bangladesh no mpiondana hatramin'ny lala-nodiaviny tamin'ny football. Nihalehibe tamin'ny fahagagana nataony teny an-kianja isika.
Mandria am-piadanana Maradona
Fiaraha-miory amin'ny fianakaviany sy ny namany Tia anao izahay ❤

Lasa mpanohana ny ekipan'i Arzantina football ny ankamaroan'ny noho ny fahaizana mahatalanjona nasehon'i Maradona nandritra ny fandreseny tamin'ny mondialy 1986 [23]. Tao amin'ny Facebook [24] i  Sakibur Rahman Khan nanazava:

অবৈধভাবে ক্ষমতা দখল করে স্বৈরাচারী হোসেন মোহাম্মদ এরশাদ ১৯৮২ সালে বাংলাদেশে প্রথম চমকটি দেখান সরাসরি বিশ্বকাপ ফুটবল টেলিভিশনে দেখিয়ে । বাংলাদেশের সকল মানুষের সাথে আমিও সেই বাল্যকালে নেশায় বুঁদ হয়ে ব্রাজিলের ভক্ত হয়ে যাই । সেই ওয়ার্ল্ড কাপ ফুটবলে বাংলাদেশের মানুষ ম্যারাডোনাকে খুব একটা চিনলো না। ১৯৮৬ সালে যখন ওয়ার্ল্ড কাপ ফুটবল শুরু হয় তখন আমরা দেখি ম্যারাডোনার জাদুকরী ফুটবল খেলা । বাংলাদেশের প্রায় অর্ধেক মানুষ ব্রাজিল ছেড়ে আর্জেন্টিনার সাপোর্ট করা শুরু করে। ঢাকা শহরের আমিনবাজার, Old town তখন ছেয়ে যায় আর্জেন্টিনার পতাকায় । তার পরের ইতিহাস শুধুই ম্যারাডোনার।

Tamin'ny taona 1982, ny mpanao didijadona Hossain Mohammad Ershad nampitolagaga ny firenena tamin'ny nandefasany mivantana voalohany tamin'ny fahitalavitra ao Bangladesh ny Mondialy. Izany ny fahazazako nijery lalao, lasa mpiondana football Latina-Amerikanina tahaka ny hafa maro aho, indrindra fa i Brezila. Tamin'izany fotoana izany, tsy dia nahalala zavatra maro momba an'i Maradona aho. Rehefa nanomboka ny Mondialy tamin'ny taona 1986, Bangladeshita maro no revo tamin'ny talenta tsy mampino nananan'i Maradona tamin'ny football. Nisara-kevitra ny olona tao Bangladesh. Manodidina ny atsasaky ny mponina tao Bangladesh rno nifahatra tamin'i Brezila ary ny atsasany hafa kosa nanohana an'i Arzantina. Ampahany maro ao Dhaka, indrindra fa Aminbazar, no rakotra sainam-pirenena Arzantina. Nanjaka i Maradona tokony ho roapolo taona taorian'izany.

Tsaroan [26]‘ilay Bangladeshi Sardar Jobayer Hossain nandao ny tanindrazana noho ny asa ny nahatonga an'i Maradona ho olomanga tao Bangladesh:

স্কুলের খাতায় ম্যারাডোনা, বাজারের ব্যাগে আর্জেন্টিনা, বাড়ির চার দেয়ালে আকাশি-সাদা ডোরা, আমাদের শৈশব ছিল ৫ ফুট ৫ ইঞ্চির ম্যারাডোনাময়। ধানমন্ডিতে মিরপুরের রোডের উপর চাইনিজ রেস্টুরেন্টের নাম ছিল ম্যারাডোনা। পাড়া মহল্লায় আর্জেন্টিনা- ব্রাজিলের নামে ফ্রেন্ডলি ফাইটিং পর্যন্ত চলত। ৮৬ সালের পর বাঁশের আগায় দুইখান পতাকা রাখতাম ঘরে। একখান আর্জেন্টিনা, আরেকখান ঢাকার মোহামেডান । আহা দিন!

Vita printy tamin'ny hajian-tsekoly sy amin'ny harona fiantsenana ny sarin'i Maradona, ny saina Arzantinianina – manga volondahitra sy fotsy — printy amin'ny rindrina. Ny fahazazanay moa dia feno ny sarin'i Maradona 1,60 metatra. Misy restaurant shinoa iray ao amin'ny lalana Mirpur ao Dhanmondi nomena ny anarana Maradona. Nisy ireo lalaom-pirahalahiana tao amin'ny toerana misy anay nomena ny anarana ekipa Brezila sy Arzantina, izay indraindray miafara amin'ny fifandonana. Taorian'ny taona 1986, nahazatra ahy ny nananga-tsaina tao an-trano — ny iray an'i Arzantina ary ny iray an'ny Dhaka Mohamedan [ekipa football ao an-toerana]. Fahiny tokoa!

Tena mahery tokoa ny lazan'i Maradona tao Bangladesh ka mahatonga ny fandresen'i Arzantinina — na ny fahalavoany — ho azy ireo ihany koa. Tamin'ny mondialy 1990 [27], raha niondrika i Arzantinina nanoloana an'i Alemaina tamin'ny famaranana, niara-nitomany tamin'i Maradona i Bangladesh. Raha ny marina, maro ireo mpiondana, tsy mety manaiky faharesena, nidina an-dalambe hanohitra ny fihetsiky ny mpitsara.

Tamin'io taona io ihany, Moudud Ahmed [28], filoha lefitr'i Bangladesh tamin'izany fotoana izany, nanambara fa hitsidika ny firenena i Maradona, saingy tsy tonga velively izany. Voalaza taty aoriana fa ny tanjon'ny fanambaràna dia ny handresena [29] ireo hetsi-panoherana ny fitondrana tamin'izany fotoana izany.

Efa nisy ireo fikasana hafa mba hitondrana ilay maherifon'ny football ho ao Bangladesh: tamin'ny taona 2008 [30], raha nitsidika an'i India eo akaiky izy, sy toa maneso, ity taona 2020 nahafatesany ity. Noheverina ny hitsidika ny firenena izy hankalaza ny fahazato taona nahaterahan’ [31]ny Bangabandhu Sheikh Mujibur Rahman [32], ny “Rain'ny Firenena” sady filohan'i Bangladesh voalohany.

Tamin'ny taona 1994 [33], nandray anjara farany ny mondialiny i Maradona. Nandritra izany fotoana izany, voarara tsy hahazo hilalao izy fa nandray fampahatanjahana, nahatonga an'i Arzantina hiala an-daharana tamin'ny fifaninanana. Ny mahavariana, tsy i Maradona no nahatezitra ireo Bangladeshi mpiondana fa ny FIFA [34].

Nisioka izany fotoana izany ny mpanatontosa filma fampahafantarana Asef Hadi:

“Rehefa nesorina tamin'ny Mondialy 94 i [Maradona]: anjatony maro tao Bangladesh no nikasa hamono tena faobe vokatr'izany, sarotra tanterahana ny manitatra befahatany ny halalina sy ny herin'ny lazan'i Maradona. Mandria am-piadanana Diego

Na dia be aza ny fitiavan'ny Bangladeshis an'i Maradona, misy ireo izay tsy tia ny fomba fiainany. Nisioka ilay mpanoratra Bangladeshi an-tsesitany Taslima Nasrin:

Fiankinan-doha no nahafaty an'i Maradona

Tsy isalasalana fa mafy ny fiainana nozakain'i Maradona, saingy tao anatin'ny sarotra sy ny mora, fantany ny fahatsapan'ny Bangladeshis momba azy: voatondro [40] ao amin'ny boky fitantaran'ny tenany ny fiainany mitondra ny lohateny hoe “El Diego [41]” ny fankamamian'ity firenena Aziatika atsimo ity ilay Amerikana tatsimo kintan'ny baolina fandaka — ary efa ampy izany ho an'ny Bangladeshis sasany.