Manome voninahitra farany ilay olomangan'ny football arzantinianina Maradona i Bangladesh

Miely ao Bangladesh ny fitiavana fatratra ny Football. Milalao football eo anoloan'ny rindrina voaloko sainam-pirenena isankarazany mpandray anjara amin'ny mondialy FIFA. Jatrabari, Dhaka. Saripikan'i Sourav Lasker. Copyright Demotix (8/6/2014)
Mitovy laza tahaka ny ao amin'ny fireneny ny lazan'ilay kintana lehibe Arzantiniana amin'ny football Diego Armando Maradona ao Bangladesh. Nahatohina ny Bangladeshita maro, izay niditra tamin'ny tambajotram-piarahamonina haneho ny lanjan'ilay olomalazan'ny football ho azy ireo ny fahafatesan‘i Maradona tao Buenos Aires tamin'ny 25 Novambra 25.
Mpisera Twitter Akteex namehy ny fahatsapan'ny firenena iray ato amin'ity paositra fohy ity:
I can hear Bangladesh crying
— t (@akteex) November 25, 2020
Henoko i Bangladesh mitomany
Tamin'ny fanamarihana fa lasa anarana mahazatra ao Bangladesh ny Maradona, namaly ny mpiondana football Sabbir:
I knew his name tracing back to the very first memories I have. At that time I was a kid who lived in a remote village in Bangladesh, and thought if I could walk far enough I would fall off this world because it's flat, but I knew the name Maradona. That's how great he is.
— Sabbir (@sal_b2bg) November 25, 2020
Fantatro ny anarany raha iverenana ny tsiaro voalohany indrindra tato amiko. Tamin'izany fotoana izany aho zaza niaina tany amin'ny tanàna iray saro-dalana ao Bangladesh, ary nihevitra fa raha afa-mandeha lavitra aho dia hianjera amin'ity tontolo ity satria mahitsy marin-drano izany, saingy fantatro ny anarana Maradona. Izany no mahangeza azy.
Ny ampitson'io indrindra, nanome voninahitra an'i Maradona tamin'ireo lanonana isankarazany ny Bangladeshita, tahaka ny tamin'ity lalao cricket tao an-drenivohitra Dhaka ity:
1 minute silence observed by all today's 4 teams for football Legend Diego Maradona. The event took place immediately after the post-match presentation of the first match. pic.twitter.com/jWmtdcVQBV
— Bangladesh Cricket (@BCBtigers) November 26, 2020
Iray minitra fahanginana notanterahan'ny ekipa efatra ho an'ity olomangan'ny Football izay tsy iza fa i Diego Maradona ity. Nitranga izany taorian'ny fanolorana taorian'ny lalao tamin'ny lalao voalohany.
Vakio ihany koa: Caribbean football enthusiasts mourn the passing of Diego Maradona
Na dia faramparan'ny laharana aza ny firenena aziatika atsimo amin'ny filaharan'ny football FIFA manerantany, dia tena malaza tokoa ilay fanatanjahantena. Manaraka ny ligy football Amerikana Latinina ny ankamaroan'ny Bangladeshi ary manandratra olomanga tahaka an'i Maradona sy i Pele avy ao Brezila. Misy aza moa ny mpiondana no tsy mino fotsiny izao fa efa tsy izy intsony i Maradona.
Anisul Kabir, toania mpiara-miasa ao amin'ny gazetiboky mpanao esonteny Unmad, no manoratra ao amin'ny Facebook:
পৃথিবীতে ম্যারাডোনা নামের অবাক করা মানুষটি নাই, ব্যাপারটা বিশ্বাস করতে কষ্ট হচ্ছে। ফুটবল বিশ্ব সেরাদের মধ্যে সেরা একজন লিজেন্ড হারালো। খারাপ লাগলো খবরটা শুনে।
Tsy miaina intsony ilay fahagagana antsoina hoe Maradona, sarotra atelina izany. Namoy fanorolahy ny tontolon'ny football. Tena malahelo aho androany.
Nanampy ilay mpientanentana amin'ny fanatanjahantena Noman Mohammed:
ডিয়েগো ম্যারাডোনা মারা গেছেন। খবরটা মিথ্যা হোক, খুব করে চেয়েছিলাম। বিশ্বের বিভিন্ন দেশের ওয়েবসাইটে ঢুকে বুঝতে চেয়েছি, কেউ যেন এটিকে গুজব বলে। কিন্তু তা হল না।
Tiako ilay vaovao fahafatesan'i Maradona ho hoax [lainga]. Niezaka aho ny hitety ireo tranonkala iraisampirenena isankarazany hahita ny marina. Saingy tsy marina ilay faniriako.
Nisioka iTazin nandritra izany fotoana izany:
Football Legend Diego #Maradona left us on Wednesday 25th November.
As like rest of the World Bangladesh has huge fan following since his football career. We brought up seeing his magic on the ground.
Rest in Peace Maradona
My condolences to his #Family & #Friends We LOVE You ❤ pic.twitter.com/0ZcrIp6x1L— iTazin (@htajin) November 26, 2020
Nandao antsika ilay olomangan'ny football Diego Maradona tamin'ny 25 novambra.
Tahaka ireo firenenkafa dia betsaka koa ao Bangladesh no mpiondana hatramin'ny lala-nodiaviny tamin'ny football. Nihalehibe tamin'ny fahagagana nataony teny an-kianja isika.
Mandria am-piadanana Maradona
Fiaraha-miory amin'ny fianakaviany sy ny namany Tia anao izahay ❤
Lasa mpanohana ny ekipan'i Arzantina football ny ankamaroan'ny noho ny fahaizana mahatalanjona nasehon'i Maradona nandritra ny fandreseny tamin'ny mondialy 1986. Tao amin'ny Facebook i Sakibur Rahman Khan nanazava:
অবৈধভাবে ক্ষমতা দখল করে স্বৈরাচারী হোসেন মোহাম্মদ এরশাদ ১৯৮২ সালে বাংলাদেশে প্রথম চমকটি দেখান সরাসরি বিশ্বকাপ ফুটবল টেলিভিশনে দেখিয়ে । বাংলাদেশের সকল মানুষের সাথে আমিও সেই বাল্যকালে নেশায় বুঁদ হয়ে ব্রাজিলের ভক্ত হয়ে যাই । সেই ওয়ার্ল্ড কাপ ফুটবলে বাংলাদেশের মানুষ ম্যারাডোনাকে খুব একটা চিনলো না। ১৯৮৬ সালে যখন ওয়ার্ল্ড কাপ ফুটবল শুরু হয় তখন আমরা দেখি ম্যারাডোনার জাদুকরী ফুটবল খেলা । বাংলাদেশের প্রায় অর্ধেক মানুষ ব্রাজিল ছেড়ে আর্জেন্টিনার সাপোর্ট করা শুরু করে। ঢাকা শহরের আমিনবাজার, Old town তখন ছেয়ে যায় আর্জেন্টিনার পতাকায় । তার পরের ইতিহাস শুধুই ম্যারাডোনার।
Tamin'ny taona 1982, ny mpanao didijadona Hossain Mohammad Ershad nampitolagaga ny firenena tamin'ny nandefasany mivantana voalohany tamin'ny fahitalavitra ao Bangladesh ny Mondialy. Izany ny fahazazako nijery lalao, lasa mpiondana football Latina-Amerikanina tahaka ny hafa maro aho, indrindra fa i Brezila. Tamin'izany fotoana izany, tsy dia nahalala zavatra maro momba an'i Maradona aho. Rehefa nanomboka ny Mondialy tamin'ny taona 1986, Bangladeshita maro no revo tamin'ny talenta tsy mampino nananan'i Maradona tamin'ny football. Nisara-kevitra ny olona tao Bangladesh. Manodidina ny atsasaky ny mponina tao Bangladesh rno nifahatra tamin'i Brezila ary ny atsasany hafa kosa nanohana an'i Arzantina. Ampahany maro ao Dhaka, indrindra fa Aminbazar, no rakotra sainam-pirenena Arzantina. Nanjaka i Maradona tokony ho roapolo taona taorian'izany.
Vakio ihany koa: Brezila sa Arzantina? Tonga Hatrany Bangladesh Ny Fifanandrinana Amin'ny Fiadiana Ny Amboara Eran-Tany Amin'ny Baolina Kitra
Tsaroan‘ilay Bangladeshi Sardar Jobayer Hossain nandao ny tanindrazana noho ny asa ny nahatonga an'i Maradona ho olomanga tao Bangladesh:
স্কুলের খাতায় ম্যারাডোনা, বাজারের ব্যাগে আর্জেন্টিনা, বাড়ির চার দেয়ালে আকাশি-সাদা ডোরা, আমাদের শৈশব ছিল ৫ ফুট ৫ ইঞ্চির ম্যারাডোনাময়। ধানমন্ডিতে মিরপুরের রোডের উপর চাইনিজ রেস্টুরেন্টের নাম ছিল ম্যারাডোনা। পাড়া মহল্লায় আর্জেন্টিনা- ব্রাজিলের নামে ফ্রেন্ডলি ফাইটিং পর্যন্ত চলত। ৮৬ সালের পর বাঁশের আগায় দুইখান পতাকা রাখতাম ঘরে। একখান আর্জেন্টিনা, আরেকখান ঢাকার মোহামেডান । আহা দিন!
Vita printy tamin'ny hajian-tsekoly sy amin'ny harona fiantsenana ny sarin'i Maradona, ny saina Arzantinianina – manga volondahitra sy fotsy — printy amin'ny rindrina. Ny fahazazanay moa dia feno ny sarin'i Maradona 1,60 metatra. Misy restaurant shinoa iray ao amin'ny lalana Mirpur ao Dhanmondi nomena ny anarana Maradona. Nisy ireo lalaom-pirahalahiana tao amin'ny toerana misy anay nomena ny anarana ekipa Brezila sy Arzantina, izay indraindray miafara amin'ny fifandonana. Taorian'ny taona 1986, nahazatra ahy ny nananga-tsaina tao an-trano — ny iray an'i Arzantina ary ny iray an'ny Dhaka Mohamedan [ekipa football ao an-toerana]. Fahiny tokoa!
Tena mahery tokoa ny lazan'i Maradona tao Bangladesh ka mahatonga ny fandresen'i Arzantinina — na ny fahalavoany — ho azy ireo ihany koa. Tamin'ny mondialy 1990, raha niondrika i Arzantinina nanoloana an'i Alemaina tamin'ny famaranana, niara-nitomany tamin'i Maradona i Bangladesh. Raha ny marina, maro ireo mpiondana, tsy mety manaiky faharesena, nidina an-dalambe hanohitra ny fihetsiky ny mpitsara.
Tamin'io taona io ihany, Moudud Ahmed, filoha lefitr'i Bangladesh tamin'izany fotoana izany, nanambara fa hitsidika ny firenena i Maradona, saingy tsy tonga velively izany. Voalaza taty aoriana fa ny tanjon'ny fanambaràna dia ny handresena ireo hetsi-panoherana ny fitondrana tamin'izany fotoana izany.
Efa nisy ireo fikasana hafa mba hitondrana ilay maherifon'ny football ho ao Bangladesh: tamin'ny taona 2008, raha nitsidika an'i India eo akaiky izy, sy toa maneso, ity taona 2020 nahafatesany ity. Noheverina ny hitsidika ny firenena izy hankalaza ny fahazato taona nahaterahan’ny Bangabandhu Sheikh Mujibur Rahman, ny “Rain'ny Firenena” sady filohan'i Bangladesh voalohany.
Tamin'ny taona 1994, nandray anjara farany ny mondialiny i Maradona. Nandritra izany fotoana izany, voarara tsy hahazo hilalao izy fa nandray fampahatanjahana, nahatonga an'i Arzantina hiala an-daharana tamin'ny fifaninanana. Ny mahavariana, tsy i Maradona no nahatezitra ireo Bangladeshi mpiondana fa ny FIFA.
Nisioka izany fotoana izany ny mpanatontosa filma fampahafantarana Asef Hadi:
“When he [Maradona] was kicked out of the ‘94 World Cup: several hundred people in #Bangladesh had attempted mass suicide as a result. It is impossible to overestimate the scope and intensity of #Maradona’s popularity” – #RIPDiego pic.twitter.com/l7YSHqn23P
— Asef Hadi (@AsefHadi) November 25, 2020
“Rehefa nesorina tamin'ny Mondialy 94 i [Maradona]: anjatony maro tao Bangladesh no nikasa hamono tena faobe vokatr'izany, sarotra tanterahana ny manitatra befahatany ny halalina sy ny herin'ny lazan'i Maradona. Mandria am-piadanana Diego
Na dia be aza ny fitiavan'ny Bangladeshis an'i Maradona, misy ireo izay tsy tia ny fomba fiainany. Nisioka ilay mpanoratra Bangladeshi an-tsesitany Taslima Nasrin:
Addiction killed Maradona.
— taslima nasreen (@taslimanasreen) November 25, 2020
Fiankinan-doha no nahafaty an'i Maradona
Tsy isalasalana fa mafy ny fiainana nozakain'i Maradona, saingy tao anatin'ny sarotra sy ny mora, fantany ny fahatsapan'ny Bangladeshis momba azy: voatondro ao amin'ny boky fitantaran'ny tenany ny fiainany mitondra ny lohateny hoe “El Diego” ny fankamamian'ity firenena Aziatika atsimo ity ilay Amerikana tatsimo kintan'ny baolina fandaka — ary efa ampy izany ho an'ny Bangladeshis sasany.
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...