Mitarika ny hetsik'i India hanoherana ny fiovaovan'ny toetrandro ilay tanora mpikatroka mafana fo Licypriya Kangujam

I Licypriya Kangujam, niresaka tao amin'ny Loabary an-dasin'ireo Mpiaramiasa amin'ny UNESCO (atao isaky ny roa taona ao Luanda) tao Angola ny 20 Septambra 2019. Sary an'i Dilanlekamge avy ao amin'ny Wikimedia Commons, CC BY-SA 4.0.
Roa andro talohan'ny nahatrarany ny fahasivy taonany, nandefa bitsika ilay mpiady ho an'ny toetrandro Licypriya Kangujam — izay manana mpanaraka maherin'ny 93,4K ao amin'ny Twitter, maherin'ny 20K ao amin'ny Facebook, ary maherin'ny 18,6K ao amin'ny fantsona YouTube-ny:
I’m appealing to all the people of my birth state Manipur to plant one tree 🌱 each on 2nd October.
If 2.8 millions people of Manipur plant 2.8 millions trees on this day then it will help to fight the global climate crisis.
Receiving overwhelming great response. 🙏🏻 pic.twitter.com/0ljyUiuXkg
— Licypriya Kangujam (@LicypriyaK) September 30, 2020
Manao antso avo amin'ny vahoaka rehetra ao Manipur, fanjakana nahaterahako, aho mba hamboly hazo iray avy amin'ny 2 Oktobra.
Raha misy olon'i Manipur 2,8 tapitrisa mamboly hazo 2,8 tapitrisa amin'io andro io dia hanampy hiady amin'ny krizin'ny toetrandro maneran-tany izany.
Mahazo valinteny tsara marobe. 🙏🏻
Mampiasa ireo fantsona malaza ao amin'ny tambajotra sosialy ireo i Kangujam hiarovana ilay tolona ho an'ny fitsaràna ara-toetrandro, tsy ao India irery ihany, izay toerana niaviany, fa manerana izao tontolo izao. Vavolombelon'ny fanohanana azony tao anaty aterineto noho ny heviny ny valin'ny antsony :
Today trees 🌱 plantation by 4 communities viz Wabagai Kadajit, Wangkhei Ningthem Pukhri Mapal, Wabagai Mayai Leikai & Sangaiyumpham part 1 for my birthday 🎂.
Thank you everyone 🙏🏻🙏🏻🙏🏻😇😇😇❤️❤️❤️#1TreeForLicyBirthday pic.twitter.com/lSsYCaPntx
— Licypriya Kangujam (@LicypriyaK) October 2, 2020 azzzzzz
Androany, fambolena hazo nataon'ny vondrompiarahamonina 4, dia ny Wabagai Kadajit, Wangkhei Ningthem Pukhri Mapal, Wabagai Mayai Leikai & Sangaiyumpham tapany 1 ho an'ny fitsingerenan'ny taona nahaterahako.
Misaotra anareo rehetra.
Maro amin'ireo mpanaraka azy, toa an'i Nandini Dixit, mpitia voninkazo avy ao Chhattisgarh, no matetika mitondra lavitra ny hevitr'i Kangujam :
Pre birthday wishes for licypriya
Guys let's follow this suite and plant a tree on @LicypriyaK‘s birthday on 2nd October but But on the birthday of all your dear ones . Like my grandmother's birthday is also on 2nd October so I will plant more trees on that day. https://t.co/bBX2WlVELq pic.twitter.com/zzqqWBSR9x— Nandini Dixit (@Nandini72113762) September 28, 2020 zzzzzz
Firariana mialoha ny fitsingerenan'ny taona nahaterahan'i licypriya
Ry zalahy, ndao hanaraka ity hetsika mitohy ity ary hamboly hazo iray amin'ny tsingerintaona nahaterahan'i @LicypriyaK ny 2 Oktobra, sy amin'ny tsingerintaona nahaterahan'ireo malalanareo rehetra ihany koa. Ohatra hoe ny 2 Oktobra koa izao ny fitsingerenan'ny taona nahaterahan'ny renibeko dia hamboly hazo betsaka kokoa aho izany amin'io andro io
Nanohana ilay tanora mpikatroka mahafana fo tamin'ny fomba azo tsapain-tànana kokoa ihany koa ry zareo. Ny 24 Septambra, ohatra, nanaraka an'i Kangujam ireo mpiady ho an'ny toetrandro raha — tsy nivadika tamin'ny toky nomeny tao amin'ny Twitter izy ka — nikasa ny hiditra tao amin'ny parlemanta Indianina tanatin'ny ezaka mba hanentanana ireo mpanao lalàna handany ireo volavolandalàna momba ny fiovaovan'ny toetrandro. Na dia tsy nahazo alalana hiditra aza ny vondrona dia nanao fihetsiketsehana am-pilaminana teo ivelan'ny tranoben'ny parlemanta ao Delhi, nahatonga olona maro hanamarika ny fisiany :
Maro ireo gazetim-paritra sy gazetim-pirenena mpivoaka isan'andro nandrakotra ny ezak'i Kangujam hampirotsaka ireo mpanao lalàna, ary nanonona azy ho nilaza fa mety handray anjara betsaka amin'ny fambolena fahatsiarovantena manoloana ny toetrandro ny lalàna mifehy ny famoahana etona karibaonina sy ny etona miteraka fihafanan'ny maripana.
Mpanohana mavitrika ny fampidirana ny fanabeazana momba ny fiovaovan'ny toetrandro any am-pianarana ihany koa i Kangujam, fidirana an-tsehatra notohananà mpikatroka mafana fo maro izay mino fa mety handaitra amin'ny fanenana ireo hetsika manimba ny tontolo iainana ny fambolena fahatsiarovantena momba ny toetrandro anatin'ny fahazazàna.
Teraka tao Manipur tao avaratra atsinanan'i India i Kangujam, ary ankehitriny dia mipetraka ao Noida, tanàna zanabolana akaiky an'i Delhi, ilay renivohitra. Efa tamin'ny fahenin-taonany izy no nirotsaka tanatin'ny ady manohitra ny fiovaovan'ny toetrandro ary tsy nilavo lefona hatreo. Nahatonga azy ho liana tamin'ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetrandro ny fanatrehany ny Loabary an-dasin'ny Minisitera Aziatika momba ny Fanenana ny mety hisian'ny Loza Voajanahary tamin'ny volana Jolay 2018 ; nampirisika azy hirotsaka bebe kokoa anatin'ny fanavotana ny planeta ny traikefa azony tany.
Rehefa niverina avy tany amin'ilay loabary an-dasy izy dia nanangana ny Child Movement, hetsika iray mifototra ao India izay nikendry ny hanentana momba ny fiovaovan'ny toetrandro sy hiatrika ireo loza mba hiarovana ny hoavin'ny planeta.
Nanomboka teo, tsy tapaka ny fikarakarany famoriana tany amin'ireo faritra samihafa tao amin'ny firenena sy ny fandraisany anjara tanatin'ireo hetsika maneran-tany, izay nitsidihany firenena maherin'ny 30 hatreto. Niresaka tamin'ireo mpitarika izao tontolo izao mihitsy aza i Kangujam tao Madrid, Espaina, nandritra ilay Loabary an-dasin'ny Firenena Mikambana momba ny Fiovaovan'ny Toetrandro tamin'ny 2019.
Na dia “mpinamana akaiky” aza izy sy i Greta Thunberg, nandà an-kitsirano ireo fanoharana azy amin'ilay tanora Soedoazy mpikatroka mafana fo i Kangujam, aleony manefy ny maha-izy azy manokana. Tanatinà tafatafa niarahany tamin'ny WION News, nanazava izy fa:
Antsoin'ny olona hoe ‘Greta an'i India’ aho, fa ny tena marina dia ‘Licypriya an'i India’ no izy.
Noho ny faharatsian'ny kalitaon'ny rivotra ao Delhi sy ireo faritra manodidina azy dia nilaza i Kangujam fa nahatonga azy ho sahiran-tsaina bebe kokoa momba ny toetrandro nòho ny hatramin'izay ny fiainany ao Noida. Isaky ny ririnina, iharan'ny fanafihana tsy misy indrafo ataon'ny loto entin'ny rivotra avy amin'ny mololo may ny avokavoky ny mponina, miampy ireo setroka efa mihoampampana avy amin'ny ozinina sy ny fiara :
In 2019, India wear single face mask 😷 to protect from air pollution.
In 2020, India needs to wear double face masks 😷 to protect from both air pollution & COVID19.
Last 9 months, pin drop silent & now started on media to fight air pollution.
No way now. It’s too late. 🙏🏻
— Licypriya Kangujam (@LicypriyaK) September 29, 2020 zzzz
Tamin'ny 2019, nanao arotava tokana i India mba hiarovany tena amin'ny fahalotoan'ny rivotra.
Amin'ny 2020, mila manao arotava roa sosona i India mba hiarovany amin'ny fahalotoan'ny rivotra & ny COVID19.
Tanatin'ireo 9 volana lasa, nangina tanteraka & amin'izao nanomboka tao amin'ny tambajotra sosialy hiadiana amin'ny fahalotoan'ny rivotra.
Tsy misy hevitra intsony. Tara loatra.
Raha ny momba ny fiovaovan'ny toetrandro, tiany heken'ny maro ny olana misy ao amin'ny Ilabolantany Atsimo — anatin'izany i India, fa tsy ho very anatin'ny toedraharaha saro-bahana atrehan'ny ambin'izao tontolo izao. Nanazava ny hevitra hijoroany izy tanatinà resadresaka nataony tao amin'ny TEDxSBSC (Shaheed Bhagat Singh College ao Delhi) tamin'ny voalohandohan'ity taona ity :
Ireo ezak'i Licypriya Kangujam kely — raha tsy hanonona ny olona maro be mpanaraka azy ao amin'ny tambajotra sosialy — dia mampiseho fa tsy sanganehana ireo tanora manoloana ny olan'ny fiovaovan'ny toetrandro, ary maro ireo olona, anatin'ny sokajin-taona rehetra, momba io tolona io. Lafiny tsara maneho izany fa tsy very ny fanantenana ary mbola mety ho avotra ihany izao tontolo izao.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...