Nampiantrano ny sehatra fifanakalozan-dresaka voalohany tao amin'ny tambajotra sosialy i Mozambika

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Febroary 2015)  

Participantes do Fórum - Foto: Dércio TSANDZANA.

Mpandray anjara fitenenana nandritra ny sehatra- Sary: Dércio TSANDZANA.

Ny sehatra fifanakalozan-dresaka voalohany tao amin'ny tambajotra sosialy nokarakarain'ny Masoivohon'i Etazonia any Mozambika dia nahafahana niady hevitra momba ny fomba fijery samihafa atrehin'ity firenena ity manoloana ny fivoaran'ny teknolojia eo amin'ny fiarahamonim-pirenena sy ny fikambanan'ny tanora. Nanasongadina lohahevitra miisa telo lehibe ny hetsika, izay natao ny 11 Febroary 2015 tany Maputo. Niresaka momba ireo fitaovana azon'ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana ampiasaina amin'ny andraikitra fisoloany vava ny voalohany. Niresaka momba ny Fandraharahana nomerika (e-Entrepreneurship) ny faharoa ary momba ny tambajotra sosialy sy ny fanatsarana ara-tsosialy ny fahatelo.

Tamin'ny fisokafan'ny fifanakalozan-kevitra, nilaza ny masoivohon'i Etazonia fa “ao anatin'ny fivoarana lehibe amin'ny fidirana sy fanitarana ny fampitam-baovao i Mozambika ka tsy tokony ho tsinontsinoavina, misy herijika lehibe ho an'ny fisoloana vava ao amin'ny fampiasana ny tambajotra sosialy” hoy izy, raha niresaka momba ny @Olhodocidadao, @TxekaMoz ary ny Emprego Moz.

Hoy i Egídio Vaz, mpahay tantara sady iray amin'ireo misarika ny hevitry ny besinimaro momba ny tambajotra sosialy nandritra ny lahateny nataony hoe:

Os media sociais criam uma sensação de poder, mas em si não são capazes de trazer esse poder –  os media sociais hoje em dia, são uma escapatória para os espaços que se julgam ser controlados.

Mamorona fahatsapana tanjaka ny tambajotra sosialy, saingy tsy afaka mitondra izany tanjaka izany irery izy ireo- fandosirana ireo sehatra izay heverina fa voafehy ny tambajotra sosialy ankehitriny.

Tetsy andanin'izany, nilaza ilay mpikatroka lehibe iray hafa ao amin'ny tambajotra sosialy any Mozambika, Edgar Barroso hoe:

O facebook é um espaço que criamos para trazer assuntos que não eram normal de ser debatidos em fóruns formais da sociedade. Activismo é partir de simples ideias, para questões directas no meio social (…) e nós (Edgar e amigos) já lideramos vários movimentos.

Sehatra noforoninay hiresahana lohahevitra tsy mahazatra ary hiadian-kevitra amin'ny sehatra ara-dalàna eo amin'ny fiarahamonina ny Facebook. Mifototra amin'ny hevitra tsotra ny fikatrohana, ho an'ny fanontaniana mivantana eo amin'ny tontolo ara-tsosialy (…) ary efa nitarika hetsika maro izahay (Edgar sy ny namana).

Nilaza izao manaraka izao i Laque Francisco, mpanao gazety sady mpandray anjara amin'ny fikambanan'ny fampitam-baovao antsoina hoe IREX:

Os desafios das páginas das ONGs em Moçambique têm a ver com a sua sustentabilidade. As redes sociais nos ajudam não só a comunicar com o nosso público, mas também com os nossos doadores, temos também que saber entender as estatísticas sobre a evolução das nossas páginas para saber se posicionar.

Misy ifandraisany amin'ny faharetany ireo fanamby ao amin'ny pejin'ny ONG ao Mozambika. Tsy manampy antsika fotsiny hifanerasera amin'ny mpihaino ny tambajotra sosialy, fa amin'ireo mpanohana antsika ara-bola ihany koa, tsy maintsy mila takarina ihany koa ny antontanisa momba ny fivoaran'ny pejintsika mba hamantarana ny toerana misy antsika.

Tao amin'ny twitter, maro no nandray anjara tamin'ity hetsika ity tamin'ny alàlan'ny tenirohy #MoSocial2015. Hoy i Evany Debone hoe:

Miresaka ny fampivondronana ny olona (sekoly sns) isika ao amin'ny tambajotra sosialy. Mampianatra an'ireo olona ireo ny atao hoe aterineto isika.

Niresaka momba ny fiantraikan'ny hetsika i Nethan Reagan:

Ouah. Mpandray anjara maro tamin'ny hetsika #mosocial2015 ! Fomba tsara indrindra hanombohana ny taona amin'ny asa fifaneraserana

Naneho hevitra momba ilay fifanakalozan-kevitra ihany koa i Erika Rodrigues:

Mampiasa ny teknolojia ny sehatra tambajotra sosialy any Mozambika hanatsarana ny ONG, ny orinasanao, ny fandraisanao anjara sivily #MoSocial2015.

Nilaza i Mehera fa hetsika lehibe izany:

Midinidinika miaraka amin'i Mozambika “digirati” ao amin'ny #mosocial2015. Maro ny mpandray anjara tamin'ity hetsika mahafinaritra ity!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.