- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Melohin'ny Global Voices ny fanafihana natao tamin'ny FTMF Metamorphosis any Makedonia Avaratra

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Makedonia, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka
[1]

Sarin'ny vondron'ny mpiasa Metamorphosis nalaina nandritra ny hetsika tamin'ny volana Septambra 2019, navoaka tao amin'ny pejin'izy ireo Facebook. Nahazoana alàlana.

Nanomboka ny 12 Novambra dia nanaratsy tamin'ny fomba voarindra ireo mpiasan'ny Orina Mpanasoa Metamorphosis [2], FTMF iray any Skopje ny vondrona fampahalalam-baovao an-tserasera sy ny kaontin'ny tambajotra sosialy any Avaratr'i Makedonia. Miara-miasa amin'ny Global Voices, nanao asa mitondra zava-baovao ho an'ny fahalalahana maneho hevitra sy ny zo dizitaly hatramin'ny taona 2004 ny Metamorphosis, anisan'izany ny fananganana ny sampana manamarina ny zava-misy an-tserasera Truthmeter [3] (Vistinomer), ankoatra ny tetikasa hafa.

Noararaotina ny fikorontanan'ny toe-draharaha politika izay manjaka ankehitriny ao Makedonia Avaratra nanaovana izany fanaratsiana izany, niampanga tamin'ny lainga ny Metamorphosis ho mpiray tsikombakomba tamin'ny Facebook tamin'ny fanivanana ny votoaty “tia tanindrazana” tao amin'ny sehatra tambajotra sosialy. Nanao antso ihany koa izy ireo nandrahona ny hanao herisetra ara-batana tamin'ireo mpiasa ao amin'ny Metamorphosis, nandrahona ny hizara ny mombamomba azy ireo ary nisotasota an-tserasera. Naely an-tserasera tamin'ny endrika ferapara na peta-drindrina fikarohan-jiolahy “Wanted” tamin'ny andron'ny Western ny sarin'ireo mpiasan'ny Metamorphosis, ao anatin'izany ny mpanao gazety sy ny mpitantana azy.

Manameloka tanteraka ireo fanaratsiana atao amin'ity mpiara-miasa maharitra aminy ity ny Global Voices. Miantso ny manampahefana any Makedonia Avaratra izahay mba hanao fanadihadiana momba ireo fanaratsiana ireo ary hampihatra ny lalàna mifanaraka amin'izany amin'ireo mpanao meloka, ary koa hiaro ny mpiasan'ny Metamorphosis. Izahay dia mamerina ny antso [4] nataon'ny Orina Mpanasoa Metamorphosis ho an'ireo fampahalalam-baovao ao an-toerana izay nanamafy ireo fanaratsiana ireo mba hanafoana izany haingana araka izay tratra.

Hatramin'ny nanombohany 16 taona lasa izay, loha-laharana tamin'ny tolona ho an'ny fahalalahana maneho hevitra, ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, ary ny fiarovana ny zo dizitaly ao Makedonia Avaratra sy any amin'ny faritra Balkans ankapobeny ny Orina Mpanasoa Metamorphosis.

Mpanao sonia voamarina amin'ny Fitsipika mifehy ny Tambajotra Iraisampirenena Manamarina ny Zava-misy [5] ny Truthmeter. Niara-niasa tamin'ny Facebook izy araka ny Fandaharan'asa Manamarina ny Zava-misy [6] Ankolafy Fahatelo nanomboka tamin'ny volana Jolay 2020 [7] izy io. Araka ity programa ity, nampiasa mpanamarina zava-misy voamarina manerantany ny Facebook mba hamantarana ireo vaovao diso mivezivezy eo amin'ny tambajotra. Tsy miditra amin'ny sivana na inona na inona karazany ny Truthmeter, tahaka ireo hafa mpiara-miasa amin'ny Facebook, fa mamerina mijery sy manome naoty ny maha-marina sy ny maha azo antoka ny votoaty mivezivezy ao amin'ny tambajotra fotsiny ary mandefa lahatsoratra manamarina ny zava-misy izay ampiarahan'ny Facebook amin'ny lohahevitra tsirairay nahazo naoty. Miankina hatrany amin'ny fanapahan-kevitra manokan'ny orinasa irery ny fanesorana votoaty, izay mampiasa ny fomba fiasany ao aminy ary mampihatra ny Fenitra Iorenany manokana amin'ny fanatanterahana izany asa izany .

Taorian'ny fampandrenesan'ny Metamorphosis ny Facebook momba ny fanafihana natao azy ireo, nesorin'ilay orinasa ireo lahatsoratra izay hitany fa nanitsakitsaka ny politikany manohitra ny fanorisorenana. Na izany aza, nanambara ny fanadihadiana nataon'ny Metamorphosis fa mbola mivezivezy hatrany any amin'ny tambajotra sosialy malaza hafa ny pikantsarin'ireo lahatsoratra ireo.

Tamin'ny 13 Novambra, namoaka fanambarana ny Metamorphosis mitsipaka ny fanalam-baraka [4] amelezana ny mpiasa ao aminy. Nametraka fitoriana teo anivon'ny manampahefana tao an-toerana ihany koa izy ireo. Tamin'ny fotoana namoahana ity fanambarana ity dia mbola tsy nahazo valiny avy amin'ny Minisiteran'ny Atitany ao Makedonia Avaratra ny Metamorphosis.

Mikasa ny hitory ny fanalam-baraka nataon'ireo fampitam-baovao izay nanohana ny fanentanana fankahalàna ary tsy mety manala izany ihany koa ny Orina Mpanasoa Metamorphosis.

Ny Global Voices dia manatevin-daharana ny fikambanan'ny mpanao gazety any Makedonia Avaratra sy ireo mpiaro ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety [8], ny Ivontoerana Sivily ho an'ny Fahalalahana [9], ny Komity Helsinki Makedoniana Miaro ny Zon'olombelona [10] ary ireo masoivoho any Makedonia Avaratra avy amin'ny Vondrona Eoropeana [11] sy ny Fanjakana Britanika [12] amin'ny fanamelohana feno ireo fanaratsiana ireo. Mijoro ho amin'ny firaisankina miaraka amin'ireo mpiara-miasa aminay izahay.