- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Amin'ity Talatan'ny Fanomezana ity, tolo-tanana ho an'ny Global Voices

Sokajy: Mediam-bahoaka
donate to global voices [1]

Amin'ity “Giving Tuesday” ity, manomeza ho an'ny Global Voices: https://globalvoices.org/donate/ [1]

Tena nanao ahoana re ity taona 2020 ity—ary  mbola tsy tapitra.

Ao anatin'izany rehetra izany, izahay ato amin'ny Global Voices dia mbola manohy amin'ny famoahana lahatsoratra tony avy amin'ny vazantany efatr'izao tontolo izao, mitondra fomba fijery tsy manam-paharoa ho an'ny mpamaky amin'ireo lohahevitra manokana tahaka ny valan'aretina COVID-19 [2], ny hetsika mitady rariny ara-bolonkoditra [3] [mg], hetsika any amin'ireo firenena tahaka an'i Belarus [4] sy Thailandy [5], ary hafa maro dia maro.

Niasa ho amin'ny fampifandraisana ireo firenena sy fiteny ary ho fiarovana ny fahaleovantenan'ny fampitam-baovao, ny fisokafan'ny aterineto, ary ny zon'ny rehetra, na aiza na aiza, ho amin'ny fahalalahana miteny ny vondro-piarahamonina Global Voices ahitana blaogera, mpanoratra, mpanoratra an-gazety ary mpikatroka ho an'ny zo an-tsivalo [dizitaly].

Miangavy manomeza ho an'ny Global Voices amin'ity “Giving Tuesday” (Talatan'ny fanomezana) ity

Ny asanay sy ny vondrom-piarahamonina mpandray anjara izay iraisampirenena ato aminay no porofo fa afa-manova ny fahalalàn'ny olona [vahoaka] izao tontolo izao ny fifandraisana ara-olombelona manavatsava ireo tsipiky ny fahasamy hafana.

Miangavy anao hanome anio ahafahanay manohy ity asa lehibe ity.

<< Tolo-tanana ho an'ny Global Voices >> [1]