Tantara tamin'ny Novambra, 2020
Manameloka ny fanafihan'ny Boko Haram nandritra ny torimason'ny miaramila ny filohan'i Kamerona
Ny alin'ny vovonana tany Paris hisian'ny filaminana tany Nizeria, niampita nankany Kamerona ny vondrona mitam-piadiana Nizeriana Boko Haram na dia teo aza ny fisian'ny mpitandro ny filaminana marobe.
Misonga ny tranga COVID-19 nefa manentana dia araham-panohanana i Japana
Na dia tsy mitsaha-misonga aza ny tranga COVID-19 ao amin'ireo tanandehibe ao Japana, mbola nanomboka ny fanentanana hisian'ny fizahantany anatiny ihany ny governemanta.
Namoaka fitaovana ahafahan'ny mpifidy mampitaha ny programan'ny antoko mpifaninana momba ny zon'olombelona ny ONG ao Myanmar
"Ny hanome ny mpifidy fampahalalana feno momba ny fampanantenan'ny antoko politika ny zon'olombelona - na ny tsy fisian'ny fampanantenany - no tanjonay mba hahafahan'ny mpifidy mandray fanapahan-kevitra feno avy amin'ny torohevitra."
Nankatoa ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana ao amin'ny fanjakan'i Puebla ireo mpanao lalàna Meksikana
Puebla no fanjakana Meksikana farany nankatoa ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana..
‘What a Bam Bam!’ Mankalaza ny fandresen'i Biden/Harris ny Jamaikana
Asongadin'ny siokam-piarahaban'ny Praiminisitra Andrew Holness fa taranaka Jamaikana ny Filoha-lefitra voafidy Kamala Harris ary nantsoiny izao dingana vitany manan-tantara izao ho "fahavitana goavana dia goavana ho an'ny vehivavy manerantany"
Mirongatra ny doro tanety any Arzantina noho ny tombontsoa ara-toekarena
"May ny firenena noho ny fihariana goavana ara-pambolena sy ny fitadiavan-tombontsoa tafahoatra amin'ny asa fanorenana. Any amin'ny toerana misy afo, androany no misy fambolena saozaha sy milina vonona amin'ny fanamboarana".
Tobago Avaratra-Atsinanana, notendren'ny UNESCO ho ‘Tahirin-javaboary sy ny Olombelona’
Noho ny fananan'ny tandavan-tendrombohitra Main Ridge fifangaroan-javaboary tokamiavaka ao aminy dia tamin'ny fomba ofisialy no nanendren'ny UNESCO ho Tahirin-javaboary sy ny Olombelona (MAB) io faritra Avaratr'i Tobag io
Moanina Bodista avy any Japana miangaly mozika amin'ny vavany mba ‘hampitoniana ny fijaliana’
Manambatra ny fidoboky ny beatboxing sy ny sutra Bodista nentim-paharazana i Yogetsu Asakusa.
Kolombia: Pretran'ny Paroasy avy any Jongovito nandrara ny Fetiben'ny Olom-masina mpiahy
Niteraka fanehoan-kevitra avy hatrany tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Kolombiana ny vaovao avy amin'ny pretran'ny paroasy ao Jongovito, ao an-tanàndehiben'i San Juan de Pasto izay nandràra ny fankalazana ny fetiben'i San Pedro y San Pablo (natao ny 29 Jona).
Tsy nahomby naneho ireo mpanao fihetsiketsehana ho mahery setra , nesorin'ny governemanta Thailandey ny fanjakana anaty hamehana
Tsy nahomby tamin'ny fanehoana ireo mpanao fihetsiketsehana ho mihantsy sy mahery setra ny governemanta, ka lasa nitampody fohy ara-politika sy nanery ny manampahefana hiverin-dalana.