Anisan'ny firenena milefitra indrindra amin'ny fahapelahana aty Afrika i Cap Vert sy i Mozambika

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Martsa 2016)

Índice de Tolerância em África. Imagem publicada com permissão.

Tondro mampiseho ny Fandeferana aty Afrika. Sary nahazoana alàlana.

Natao tao an-tanàndehiben'i Maputo, nandritra ny Andro Lavitra Fanavakavahana (01.03), nanomboka tamin'ny fakan-kevitra nataon'ny Afrobarometatra mampiseho ny “Fahaleferana aty Afrika” ny famoahana ireo firaketana mampiseho ny tondrom-pandeferana aty Afrika. Toy izany koa no natao tany amin'ny firenena Afrikana miisa 33, ho an'ny olona miisa 2.400 ananana taham-pitokisana 95%.

Mifototra amin'ny tondro izay mametraka ny fanabeazana, ny fahakaikezana ary ny fiharihariana ao amin'ny media sosialy ho mpamelona ny fampiroboroboana ny fandeferana bebe kokoa aty amin'ny kaontinanta Afrikana ity firaketana ity.

Amin'ireo firenena miisa 33, asehon'ny Afrikana mpiserasera ny fahaleferana be amin'ireo olona avy avy amin'ny foko samihafa (91%), olona samihafa finoana (87%), mpifindra monina (81%) ary olona mitondra ny tsimokaretina VIH / SIDA. (68%). Tsy hita ao anaty lisitra ireo Firenena miteny Paortiogey, Angola, Guinea-Bissau ary Guinea Ekoatorialy:

Mampiseho ny fandeferany lehibe amin'ny fahapelahana i Cap Vert, Afrika Atsimo ary Mozambika.

Inona ny Afrobarometatra ?

Tambajotra-pikarohana Pan-Afrikana tsy mitanila izay manao fikarohana momba ny fomba fijerin'ny vahoaka mikasika ny demokrasia, ny fitantanam-panjakana, ny raharaha ara-toekarena sy ny olana mifandraika amin'izany ao amin'ny firenena miisa 30 mahery aty Afrika ny Afrobarometatra. Misy amin'ny teny Anglisy, Frantsay ary Portiogey ny tatitra mitondra ny lohateny hoe “Mpifanila vodirindrina mahafinaritra? Maneho fandeferana ambony ho an'ny maro, fa tsy ho an'ny rehetra ny Afrikana”.

I Mozambika dia ao anatin'ny firenena 4 izay ahitana olona maro milaza fa tian'izy ireo na tsy mampaninona azy ireo raha manana pelaka mpiray vodirindrina aminy izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.