(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Desambra 2007)
“Miaina fa tsy maty” hoy i Claudia Navas tao amin'ny bilaogy Ordinaria Locura [es] , izay nanazavany ny antsipirihany momba ireo olana lehibe atrehin'i Goatemalà manoloana ny herisetra atao amin'ny vehivavy, hoy izy:
Las cifras de feminicidio en el país son alarmantes, según la Policía Nacional Civil, hasta el 2 de octubre se habían registrado 377 muertes, cifra que seguramente ha aumentado, pues tan sólo al hojear los periódicos cada día me encuentro con una víctima más. Entre ellas, a muchas que ni siquiera han llegado a la mayoría de edad.
Mampanahy ny antontan'isa momba ny famonoana vehivavy ao amin'ny firenena, araka ny Polisy Nasionaly. Hatramin'ny 2 Oktobra 2007, vehivavy miisa 377 no nisy namono, isa azo antoka fa nitombo nanomboka tamin'izay rehefa mijery gazety isan'andro, samihafa ny anarana hitako ary maro amin'ireo no tsy mahatratra 18 taona.
Manoloana ireo antontanisa mampivarahontsana ireo dia nisy orinasa mpanao kiraro ao Goatemala namoaka fanentanana dokambarotra izay noheverin'ny bilaogera maro fa tsy mety. Manazava ny atin'ity dokambarotra ity ao amin'ny lahatsoratra antsoina hoe Poco hombre ny bilaogy iraisam-pirenena VISUALMENTE [es]. Ahitana ireo dokambarotra roa resahna ireo ihany koa ao amin'ilay bilaogin-dahatsoratra.
El 19 de noviembre en Guatemala una empresa zapatera llamada MD lanzó una campaña por su nueva colección de zapatos. “Está de muerte” es el eslogan que acompaña las piezas gráficas de esta patética campaña de publicidad, en cuya imágenes aparece el cadáver de una mujer desparramado sobre un sofá, y en otra, el cadáver de otra mujer en una camilla de una morgue o de un hospital, eso sí, ambas con unos zapatos muy lindos y vistosos, pero muertas. ¿Mujeres muertas para promocionar zapatos?
Ny 19 Novambra 2007 tany Goatemalà, nanao fanentanana ny fivarotana kiraro antsoina hoe MD mba hampiroboroboana ny modelina kiraro manaraka miaraka amin'ny teny filamatra hoe “natao imatesana.” Misy zazavavy maty mandry eo ambony seza lava ao amin'ny iray amin'ireo afisy, ary misy tovovavy iray hafa maty ao amin'ny tranom-patin'ny hopitaly eo amin'ny afisy iray hafa, samy manao kiraro vaovao be izy roa ary samy maty. Ny vehivavy maty ve no hampiroboroboana kiraro?
Nahatsikaritra i Desing Drink [es] tao amin'ny lahatsorany fa tena masira be mihitsy izany:
Coincido con muchos periodistas guatemaltecos que tachan la publicidad de la zapatería MD como INOPORTUNA, ya que el pasado 25 de noviembre se conmemoró un día más de la NO VIOLENCIA CONTRA LAS MUJERES, una fecha que ni siquiera debería existir.
Miombon-kevitra amin'ireo mpanao gazety Goatemalteka maromaro aho izay nitsipaka ny dokambarotr'i MD, mihevitra izany ho tsy mendrika, indrindra nanomboka ny Andro Iadiana ny Herisetra atao amin'ny Vehivavy tamin'ny 25 Novambra lasa teo, fankalazana izay tsy tokony natao akory.
Nizara ny hevitr'izy ireo ihany koa ny Black Creative Box [es] :
somos nosotros los exagerados? Es cierto que la publicidad mientras más controversial mejor pero existen millones de formas de hacer una campaña de zapatos.
Manao zavatra amin'ny fomba tafahoatra ve isika? Marina fa tsara kokoa ny maha be resaka amin'ny dokambarotra, saingy misy fomba hafa an-tapitrisany maro azo hanaovana fanentanana ho an'ny kiraro.
Nizara tao amin'ny bilaoginy ny tantaran'ny tovovavy iray (Wendy) novonoin'ny sipany tezitra taminy, sy ny fandàvan'izy ireo ilay dokambarotra eny an-dalamben'i Goatemalà ny Guatemalidades [es]:
..no pienso comprar nunca zapatos en MD. las muchas Wendys de Guatemala que han visto sus sueños truncados por una violencia tonta y la rídicula imposición de la moda y la necesidad de “venderse” para convertirse en mujeres “honradas” y “esposas”. esa misma moda que descalifica el cerebro y cualifica a la mujer por el tamaño de sus tetas y el diámetro de su cintura, es aberrante usar la muerte para vender precisamente lo que provoca la violencia.
… Tsy hividy kiraro ao amin'ny MD aho, satria maro ny Wendys any Goatemalà izay nahita ny nofinofin'izy ireo rava noho ny herisetra tsy voahevitra sy ny fametrahana endrika lamaody mampihomehy, ary ny fitiavana hivarotra ny tenany mba ho tonga “vehivavy” sy “vady” mendrika. Mampihena ny faharanitan-tsaina ny fironana mitovy amin'izany ary manome lanja ny vehivavy amin'ny haben'ny nonony sy ny haben'ny andilany. Maharikoriko ny fampiasana ny maty hivarotana satria mandrisika herisetra izany.
Nizara ireo ahiahy ireo ny La columna de Ana, tamin'ny filazany tao amin'ny lahatsorany Muerte Súbita:
Esa publicidad, que copia una corriente surgida algunos meses atrás en otros países, y que fue interrumpida inmediatamente por las entidades de mujeres y de derechos humanos, debe ser retirada de inmediato porque es una bofetada en el rostro de las mujeres guatemaltecas. Guatemala es el segundo país en el mundo –solo Rusia le gana– con el mayor número de mujeres asesinadas.
Tokony esorina avy hatrany io dokambarotra io, izay naka tahaka dokambarotra mitovy ny any amin'ny firenen-kafa ary noraràn'ny vondrona mpiaro ny zon'ny vehivavy sy ny zon'olombelona avy hatrany satria felaka ho an'ny vehivavy Goatemalteka izany. Goatemalà no laharana faharoa eran'izao tontolo izao – aorian'i Rosia – ahitana vehivavy novonoina betsaka indrindra