- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manameloka ny fanafihan'ny Boko Haram nandritra ny torimason'ny miaramila ny filohan'i Kamerona

Sokajy: Afrika Mainty, Kamerona, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Mey 2014)

Ny alin'ny 16 Mey 2014, niampita nankany Kamerona mpifanila vodirindrina taminy ary nanafika tobin'ny shinoa mpiasa [1] tao Waza ny mpikambana ao amin'ny vondrona mitam-piadiana Islamista Nizeriana Boko Haram ka nahafaty olona iray ary naka an-keriny olona miisa 10 hafa. Nanaitra ny maro ny fahasahian'ny Boko Haram nanao fanafihana tsy nisy toa izany tao amin'ny faritra izay ao anatin'ny fahamehana ary hivezivezen'ny Brigade d'Intervention Rapide Kameroney (fantatry ny besinimaro amin'ny fanafohezana azy amin'ny teny frantsay hoe BIR).

Nitranga talohan'ny vovonana tany Paris momba ny filaminana tany Nizeria [2], izay nampanatsoin'ny filoha frantsay, François Hollande ary natrehin'ny filoham-panjakana avy any Nizeria sy ireo firenena manodidina azy toa an'i Kamerona ny fanafihana tao Waza. Nahataitra ny maro tao amin'ny tambajotra sosialy ny fahitana fa tany Paris no natao ity fihaonana ity fa tsy tany amin'ireo renivohitra Afrikana tany Abuja, Yaounde, Niamey na tany Ndjamena.

Nandritra ny vovonana tany Paris, nanambara ny ady feno tamin'ny Boko Haram ireo filoham-panjakana. Tamin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety [3] [fr] taorian'izay, nanambara ny fanazavany [4] tamin'ny nanafihan'i Boko Haram mora foana an'i Waza ny filohan'i Kamerona Paul Biya:

Mais je dois dire tout simplement que Boko Haram utilise des tactiques assez différentes et assez pernicieuses. Généralement ils attaquent la nuit à partir de minuit et une heure du matin. Combien d’unités sont en éveil à ce moment-là? Et puis Ils profitent de la fluidité de la liberté dans le pays pour envoyer des observateurs le jour. Ils utilisent donc l'effet de surprise et la supériorité numérique. Là où vous avez 15 soldats, ils envoient 100 personnes avec un armement lourd.

But I must state simply that Boko Haram uses quite different and quite pernicious tactics. They generally attack at night from midnight or 1:00 a.m. How many units are awake at that hour? They also observe and take advantage of the free movement of persons in the country and send out scouts during the day. They then mount surprise attacks and use their numerical superiority, for instance where you have 15 soldiers they will send 100 persons with heavy weapons.

Hoy fotsiny aho hoe mampiasa paikady tena hafa sy feno hasomparana ny Boko Haram.  Manafika amin'ny alina izy ireo amin'ny ankapobeny manomboka amin'ny misasakalina na amin'ny 1:00 maraina. Firy ny isan'ny tafika tsy matory amin'izany ora izany? Manararaotra ny fivezivezena malalaka ao amin'ny firenena  ihany koa izy ireo mba handefasana mpanara-maso mandritra ny andro. Avy eo dia manao fanafihana tampoka izy ireo ary mampiasa ny habetsahany. Handefasany olona miisa 100 mitondra fitaovam-piadiana mahery vaika ianao raha 15 ny miaramilanao.

Araka ny efa nampoizina dia haingana dia haingana ny fanehoan-kevitra tamin'ny aterineto tamin'ny fanehoan-kevitry ny filoha. Nanontany i Ngum Ngafor:

Mba fantatrao ve, Atoa filoha @PR_Paul_Biya [5] fa milaza aminay ny politika mitovy amin'ny hoe “lanin'ny alika ny entimodiko” ianao, sa tsy izany?

Nanontany tena ny Dernier Faraon Noir hoe:

Mieritreritra tsara ve i Biya rehefa mitaraina izy fa tsy manafika i Boko Haram raha tsy matory ny miaramila ary rehefa maro an'isa izy ireo?

Ary ilay bilaogera Florian Ngimbis nandambolambo hoe:

Nilaza i Paul Biya fa manafika i Boko Haram amin'ny alina rehefa matory ny hery manokana avy amin'ny BIR. Marina ny anao, izany no atao hoe kanosa tsotra izao!

Fanafihana tao Waza

Ankoatra ny fanazavan'ny filoha, nahasarika ny sain'ny maro tao amin'ny tambajotra sosialy ny fomba nahavitan'ny  Boko Haram ny fanafihana tao Waza :

Misy tobin'ny tafika an'habakabaka any avaratr'i Garoua. Taiza ny fiaramanidina sy ny mpanamory rehefa nanafika an'i Waza ireo be volombava adala ireo?

Ahoana no fomba niadian'ny BokoHaram tamin'ny miaramila nandritra ny adiny 3 mahery ary tsy afaka nandefa hery sy tohana fanampiny ny polisy sy ny tafika?

Nanambara ny iray amin'ireo antony nahatonga ny Boko Haram hanana fahefana malalaka tany Waza i Edouard Tamba:

Ambenan'ny BIR ny toby notafihan'i Boko Haram. Saingy nahena ny miaramilanay satria lasa nankany Yaounde handray anjara tamin'ny matson'ny fetim-pirenena ny 20 Mey ny sasany tamin'izy ireo.

Nohamafisin'ny [16] tompon'andraikitra ambony Kameroney ity fanambarana ity, izay nanambara tamin'ny masoivohom-baovao Frantsay fa:

All the helicopters that might have been used to survey the border area and help with the search were in the capital Yaounde ahead of the 20 May National Day military parade.

Tao an-drenivohitr'i Yaounde nialoha ny matso nataon'ny miaramila ny 20 Mey ny angidimby rehetra izay mety nampiasaina hanaraha-maso ny faritra sisintany sy hanampiana amin'ny fikarohana.

Nahatonga an'i Jean Francis Ahanda hanao ity teny ity ny fanaovana tsirambina ny laharam-pahamehana toy izany:

Nanambara ady isika fa mila mandray anjara amin'ilay matso aloha ary avy eo misotro ho fankalazana ny fetim-pirenentsika. Lazao ny Boko Haram hanaja ny fetim-pirenentsika!

Niteny tamin'ny mpitondra azy ireo ihany koa ireo mpiseran'ny tambajotra sosialy mba hilaza fa ny filohan'i Frantsa fa tsy ny filoham-pirenena Afrikana no nampiantso ny vovonana. Nanao fanamby tamin'ny mpanjohy azy tamin'ity fampiasana saina tsotra ity i Samuel Victor Iyabi:

Fanitsiana tsipelina: Tadiavo ny diso: Vovonana tany Paris momba ny filaminana any Nizeria.

Mivantana kokoa ilay mpisera @africaninmotion:

Tsy afaka nanasa an'i Paul Biya tao amin'ny Villa Aso i Goodluck [ilay birao sy fonenan'ny filohan'i Nizeria] mba hiresaka momba ny Boko Haram sady mihinana Egusi [lasopy Nizeriana malaza]? Tsy maintsy nanao izany ve i Hollande?

Tonga dia nivantambatana ny Vondrom-piarahamonina Kameroney raha nahita ny filoham-pirenena Frantsay voahodidin'ny filoham-pirenena Afrikana nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety taorian'ny vovonana:

Ity misy sary iray milaza aminao fa VENDRANA i Paul Biya sy ny sisa amin'ireo mpitondra any Afrika Afovoany. Tena mangotrangotraka ny rà