Namoaka fitaovana ahafahan'ny mpifidy mampitaha ny programan'ny antoko mpifaninana momba ny zon'olombelona ny ONG ao Myanmar

Pikantsary tao amin'ny tranonkala Free Expression Myanmar (Fahalalahana Maneho Hevitra ao Myanmar)

Namoaka fitaovana nomerika ahafahan'ny mpifidy mamaky sy mampitaha ny programan'ny antoko politika momba ny zon'olombelona ny Free Expression Myanmar (FEM), FTMF iray miaro ny fahalalahana maneho hevitra ao Myanmar.

Kasaina hatao ny 8 Novambra ny fifidianana any Myanmar.

Nifandray tamin'ny antoko lehibe miisa 21 ny FEM tao anatin'ny enim-bolana momba ny fanoloran-tenan'izy ireo amin'ny lohahevitra miisa fito: ny zon'olombelona, ​​ny fahalalahana maneho hevitra, ny fahalalahan'ny fampahalalam-baovao, ny zo hahazo vaovao, ny zo nomerika, ny hetsi-panoherana ary ny kabary fankahalana

Misy antoko miisa 90 mifaninana amin'ny fifidianana.

VAKIO BEBE KOKOA: Myanmar Election 2020

Nanazava ny FEM fa sady tsy manohana antoko izy ireo no tsy milaza ihany koa fa ho tanterahana ny fampanantenan'ny antoko aorian'ny fifidianana. Nilaza ny talen'ny FEM Yin Yadanar Thein fa natao hampahalalana tsotra fotsiny ireo mpifidy ny fitaovana:

Our aim is to give the electorate complete, verified, and comparative information about the political parties’ human rights promises – or lack of promises – so that voters can make a fully informed decision in this vitally important election.

Ny hanome ny mpifidy torohay feno, voamarina ary vita fampitahana momba ny fampanantenan'ny antoko politika ny zon'olombelona – na ny tsy fisian'ny fampanantenany – no tanjonay mba hahafahan'ny mpifidy mandray fanapahan-kevitra feno amin'ity fifidianana tena lehibe ity.

Mitanisa ireo programan'ny antoko tsirairay amin'ny lohahevitra iray manokana momba ny zon'olombelona ny fitaovana ary mampitaha izany tamin'ny fifidianana ny taona 2015. Manome naoty kintana 5 ny FEM raha feno sy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny programa, raha kintana iray kosa no omena raha tsy misy ny fanoloran-tena mazava.

Ankoatra ny fanomezan'ny antoko topimaso momba ny paika zon'olombelona ho an'ny mpamaky, ny fitaovana dia afaka mampiseho raha nandray andraikitra tamin'ny olana manokana ny antoko iray hatramin'ny fifidianana teo aloha.

Ohatra, voafetra tamin'ny fisorohana ny fanaovana herisetra sy fanavakavahana ny vehivavy ny programan'ny antokon'ny Firaisankina sy ny Fampadrosona na USDP izay niresaka momba ny kabary fankahalana tamin'ny taona 2015. Saingy nahitana ny firesahana momba ny ady amin'ny herisetra ara-pinoana ny fandaharan'asan'izy ireo tamin'ity taona ity. USDP, antoko tohanan'ny tafika no nitondra an'i Myanmar nanomboka ny taona 2011 ka hatramin'ny fahareseny tamin'ny 2015.

Pikantsary tao amin'ny tranonkala Free Expression Myanmar

Tsy nanana programa ho an'ny fahalalahan'ny fampitam-baovao ny Ligim-pirenena Shan ho an'ny Demaokrasia tamin'ny taona 2015 saingy nahazo kintana dimy izy reo tamin'ity taona ity izy noho ny fampanantenany mafy hiaro ny fahalalahana haneho hevitra:

Pikantsary tao amin'ny tranonkala Free Expression Myanmar

Mandritra izany fotoana izany, marobe ireo fanoloran-tena nataon'ny antoko mpitondra Ligy Nasionaly ho an'ny Demaokrasia (NLD) tamin'ny 2015 no tsy hita tao anatin'ny fandaharam-potoanan'izy ireo tamin'ny fifidianana tamin'ity taona ity.

Pikantsary tao amin'ny tranonkala Free Expression Myanmar

Taratry ny fanambarana sy ny tatitra avy amin'ireo mpikatroka sy vondrona fiarahamonim-pirenena mitsikera ny tsy fahombiazan'ny governemanta tarihan'ny NLD hamadika ny politika didy jadon'ny fitondrana miaramila teo aloha ity tsy fisian'ny fampanantenana ity. Nasongadin'izy ireo fa manohy miatrika fisamborana sy fanenjehana tsy ara-dalàna araka ny lalàna novolavolain'ny miaramila ny mpitsikera toy ny andininy faha 66 (d) amin'ny Lalànan'ny Fifandraisandavitra 2013. Nogadraina noho ny fanitsakitsahana ny lalàna mandrara ny fanevatevana Tatmadaw (tafika mitam-piadiana ao Myanmar) ireo mpanakanto sy mpikatroka manohitra ny fanararaotana ataon'ny miaramila.

Rehefa antomotra ny fifidianana, nandrisika ny antoko sy ny kandida mba hanohana kokoa ny zon'olombelona ny vondrona fiarahamonim-pirenena isankarazany. Namoaka fanambarana iraisana mitaky ireo kandidà hampiroborobo ny fahalalahan'ny fampitam-baovao sy ny fahalalahana sivily ny Fikambanana Manampy ny Gadra Politika (Burma), ny Amnesty International ary ny Athan, vondrona mpiaro ny fahalalahana maneho hevitra:

Despite some positive reforms in the early years of the current administration, a number of laws that arbitrarily restrict the rights to freedom of expression, association and peaceful assembly remain on the books and continue to be regularly used to arrest, prosecute, detain and imprison human rights defenders, activists, and others peacefully exercising their human rights.

As Myanmar heads toward a general election on 8 November 2020, it is imperative that political parties, parliamentary candidates, and campaign groups focus on the urgent human rights situation in the country. The next government must champion human rights.

Na dia eo aza ny fanavaozana miabo tamin'ireo taona voalohandohany nataon'ny fitondrana ankehitriny, dia misy lalàna maromaro tsy ara-drariny mbola mitoetra ao anaty boky izay mametra ny fahalalahana maneho hevitra, ny fikambanana sy ny fivoriana am-pilaminana ary mbola mitohy matetika ny fisamborana, ny fanenjehana, ny fanagadrana, ny fampidirana am-ponja ny olona mpiaro ny zon'olombelona, ​​ny mpikatroka mafana fo ary ireo hafa mampihatra ny zon'izy ireo am-pilaminana.

Tsy maintsy mifantoka amin'ny toe-draharaha maika momba ny zon'olombelona ao amin'ny firenena ny antoko politika, ny kandidà parlemantera ary ny vondrona mifantoka amin'ny fanentanana rehefa miroso amin'ny fifidianana ankapobeny i Myanmar ny 8 Novambra 2020. Tsy maintsy miady ho an'ny zon'olombelona ny governemanta manaraka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.