- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nankatoa ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana ao amin'ny fanjakan'i Puebla ireo mpanao lalàna Meksikana

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT)

Pikantsary tamin'ny fivoriana tsy ara-potoana Kongresin'i Puebla tamin'ny 3 Novambra 2020, Periscope [1]

Tamin'ny 3 Novambra, lasa fanjakana Meksikana faha-19 nanaiky ny fanambadian'ny mitovy fananahana ao amin'ity firenena ity i Puebla. Olon'ny Kongresy miisa 31 tamin'ny 39 no nanangan-tanana nandany ilay lalàna narahan'ny mpijery efa ho 20 000 tao amin'ny Facebook Live [2] sy Periscope [1]. Natao tamin'ny fomba virtoaly hanajana ny fepetran'ny [3] elanelana eo amin'ny fiarahamonina ny fivoriana.

Nanaraka ny dian'ny fanjakana Meksikana miisa 18 hafa toa an'i Mexico, Jalisco, ary Quintana Roo ny fanapahan-kevitr'i Puebla farany teo momba ny fanekena ny fanambadian'olon-droa mitovy fananahana.

Tamin'ny taona 2015 [4], namoaka didim-pitsarana vaovao manome ny lalàna fototra [5] ho an'ny fitsarana manerana an'i Meksika hanaiky ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana ny Fitsarana Tampony Meksikana. Nanomboka teo, andiana fampakarana didy federaly maro no nanapa-kevitra hiandany amin'ny olon-droa mitovy fananahana, anisan'izany ny didim-pitsarana navoakan'ny Fitsarana Tampony tamin'ny taona 2017 izay nandrava [6] ny fandrarana ny fanambadian'ny lahy samy lahy sy ny vavy samy vavy tao Puebla.

Raha ny tany Amerika, ireo firenena voalohany nanaiky ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana dia i Arzantina tamin'ny taona 2010 sy Brezila roa taona taty aoriana. Manaiky izany fanambadiana izany ankehitriny i Costa Rica, Kolombia, Ekoadaoro, Orogoay, Etazonia, Canada, ary ireo faritany Eoropeanina ampitan-dranomasina.

Tamin'ny volana Desambra 2019, nanolotra [7] dingana hanovana ny lalàm-panorenan'i Meksika sy hanaovana ho ara-dalàna ny fanambadian'ny samy lahy sy ny samy vavy any Meksika i Celeste Ascencio avy amin'ny antokon'ny fitondrana MORENA. Mbola miandry io dingana io.

Tamin'ny taona 2016, Meksikana iray amin'ny fito izay nanontaniana no tsy nanaiky [8] ny zon'ny fanambadian'ny olona LGBTQI +. Miovaova ny isan-jato rehefa mandeha ny fotoana, nahitana fankatoavana bebe kokoa noho ny hafa ny taona sasany. Ao amin'ny Twitter, na izany aza, miabo tanteraka ny fanehoan-kevitra [9] momba ilay vaovao:

#Eny, manaiky aho??

Niaraka tamin'ny vato miisa 31 nanohana, 5 nanohitra ary 3 tsy nifidy, nankatoa ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana i Puebla ?

❤????? Ny fitiavana dia fitiavana! ❤?????

Bravo !!!
Nankatoa ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana ny kongresin'ny #Puebla

Androany, nandresy ny iray tamin'ireo tolona marobe izay niarahantsika niasa aman-taonany. Zava-misy ao #Puebla ankehitriny ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana.

Vato miisa 31 no manohana ??
5 manohitra
3 tsy nifdy

Ny olona rehetra, ny fianakaviana rehetra, ny zo rehetra. Fanambadiana mitovy ho an'ny rehetra