Nankatoa ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana ao amin'ny fanjakan'i Puebla ireo mpanao lalàna Meksikana

Pikantsary tamin'ny fivoriana tsy ara-potoana Kongresin'i Puebla tamin'ny 3 Novambra 2020, Periscope

Tamin'ny 3 Novambra, lasa fanjakana Meksikana faha-19 nanaiky ny fanambadian'ny mitovy fananahana ao amin'ity firenena ity i Puebla. Olon'ny Kongresy miisa 31 tamin'ny 39 no nanangan-tanana nandany ilay lalàna narahan'ny mpijery efa ho 20 000 tao amin'ny Facebook Live sy Periscope. Natao tamin'ny fomba virtoaly hanajana ny fepetran'ny elanelana eo amin'ny fiarahamonina ny fivoriana.

Nanaraka ny dian'ny fanjakana Meksikana miisa 18 hafa toa an'i Mexico, Jalisco, ary Quintana Roo ny fanapahan-kevitr'i Puebla farany teo momba ny fanekena ny fanambadian'olon-droa mitovy fananahana.

Tamin'ny taona 2015, namoaka didim-pitsarana vaovao manome ny lalàna fototra ho an'ny fitsarana manerana an'i Meksika hanaiky ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana ny Fitsarana Tampony Meksikana. Nanomboka teo, andiana fampakarana didy federaly maro no nanapa-kevitra hiandany amin'ny olon-droa mitovy fananahana, anisan'izany ny didim-pitsarana navoakan'ny Fitsarana Tampony tamin'ny taona 2017 izay nandrava ny fandrarana ny fanambadian'ny lahy samy lahy sy ny vavy samy vavy tao Puebla.

Raha ny tany Amerika, ireo firenena voalohany nanaiky ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana dia i Arzantina tamin'ny taona 2010 sy Brezila roa taona taty aoriana. Manaiky izany fanambadiana izany ankehitriny i Costa Rica, Kolombia, Ekoadaoro, Orogoay, Etazonia, Canada, ary ireo faritany Eoropeanina ampitan-dranomasina.

Tamin'ny volana Desambra 2019, nanolotra dingana hanovana ny lalàm-panorenan'i Meksika sy hanaovana ho ara-dalàna ny fanambadian'ny samy lahy sy ny samy vavy any Meksika i Celeste Ascencio avy amin'ny antokon'ny fitondrana MORENA. Mbola miandry io dingana io.

Tamin'ny taona 2016, Meksikana iray amin'ny fito izay nanontaniana no tsy nanaiky ny zon'ny fanambadian'ny olona LGBTQI +. Miovaova ny isan-jato rehefa mandeha ny fotoana, nahitana fankatoavana bebe kokoa noho ny hafa ny taona sasany. Ao amin'ny Twitter, na izany aza, miabo tanteraka ny fanehoan-kevitra momba ilay vaovao:

#Eny, manaiky aho??

Niaraka tamin'ny vato miisa 31 nanohana, 5 nanohitra ary 3 tsy nifidy, nankatoa ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana i Puebla ?

❤????? Ny fitiavana dia fitiavana! ❤?????

Bravo !!!
Nankatoa ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana ny kongresin'ny #Puebla

Androany, nandresy ny iray tamin'ireo tolona marobe izay niarahantsika niasa aman-taonany. Zava-misy ao #Puebla ankehitriny ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana.

Vato miisa 31 no manohana ??
5 manohitra
3 tsy nifdy

Ny olona rehetra, ny fianakaviana rehetra, ny zo rehetra. Fanambadiana mitovy ho an'ny rehetra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.