- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Famaranana ny herisetra ataon'ny polisy any Nizeria: Fetiben'ny jiro hanomezam-boninahitra ireo maty

Sokajy: Afrika Mainty, Nizeria, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Zon'olombelona

Fetiben'ny jiro hanomezam-boninahitra ireo olona novonoin'ny borigadin'ny polisy SARS, Lagos, Nizeria, 17 Oktobra 2020. Sary nozaraina betsaka tao amin'ny Twitter niaraka tamin'ny hetsika #EndSARS [1] (Ravao ny SARS).

Raha mbola nitohy nanerana an'i Nizeria ny fihetsiketsehana #EndSARS (Ravao ny SARS) dia nitohy toy izany koa ny herisetra ataon'ny polisy.

Nanomboka tao amin'ny Twitter ny hetsika #EndSARS ho fitarainana manohitra ny Borigady Manokana Miady amin'ny Fandrobana an'ny Polisy Nizeriana (SARS), izay nivadika ho fidinana an-dalambe taty aoriana rehefa nitarika hetsi-panoherana ny tanora Nizeriana efa ho 10 andro izao.

Nanapa-kevitra hikarakara ny fetiben'ny jiro ireo mpanao fihetsiketsehana ho fanomezam-boninahitra ireo maherifo namoy ny ainy noho ny herisetra ataon'ny polisy. Olona maherin'ny 100 no voalaza fa novonoin'ny SARS tao anatin'ny efatra ka hatramin'ny dimy taona, hoy ny Amnesty International.

Fiaretan-tory mandrehitra labozia nataon'ny mpanao fihetsiketsehana #EndSARS [3] ho an'ireo novonoina.

Niaina fotoana nampihetsi-po tokoa ny firenena tamin'ny 7 ora hariva tany Nizeria ny zoma 17 Oktobra lasa teo, satria maro ny mpanao fihetsiketsehana nivory tamin'ny fetiben'ny jiro tao an-drenivohitra federalin'ny firenena, Abuja, sy tany Port-Harcourt, renivohitry ny fanjakan'ny River ihany koa ary tany amin'ireo tanàn-dehibe hafa manerana ny firenena.

Tao amin'ny vavahadin'ny Lekki [6] any Lagos, ohatra dia tsy tambo isaina ny isan'ireo mpanao fihetsiketsehana.

Ny vavahadin'ny Lekki omaly alina. TENA NITRANGA izany. Tokony hamonjy ny hetsika #EndSARS [3] isika ary hanohana araka izay azo atao.

Ravao ny SARS-Farano ny Herisetran'ny Polisy ao Nizeria-Fetiben'ny Jiro-Abuja

Notantaraina tao amin'ny fetiben'ny jiro tao Abuja ny tantaran'ny iray tamin'ireo namoy ny ainy noho ny herisetra nataon'ny polisy – tanora iray antsoina hoe Chijoke Iloanya, 20 taona. Nahavaky fo ny fijoroana vavolombelona tamin'ny fijaliana nahazo azy ary nahatonga fahanginana naharitra. Nanohina ny fon'ny mpanao fihetsiketsehana izany amin'ny maha-olombelona.

Henoy ny tantaran'i Chijioke. Mivantana avy any amin'ny Fetiben'ny Jiro, Abuja: natao ho fanomezam-boninahitra ireo izay nandao antsika.

Voalaza fa novonoin'ny [16] Lehiben'ny Borigadin'ny Polisy James Nwofor tamin'ny 2012 i Iloanya. Voalaza fa nilaza tamin'ny renin'ity niharan-doza ity i Nwofor fa hamono ny zanany lahy izy ary tsy hisy na inona na inona hitranga amin'izany.

Mitaky ny rariny ho an'i Iloanya ireo mpanao fihetsiketsehana izay mbola tsy nanaovana famotopotorana na notsaraina ny famonoana azy.

Nanokatra kaonty Twitter ireo mpanao fihetsiketsehana mba hanarahana ny fetin'ny jiro manerana ny firenena:

Faly izahay fa tanteraka ny nofinay, niasa mafy izahay tamin'izany, tsy hatsahatray ny tolona. Namoy aina tsy manan-tsiny izahay teo ampelan-tànan'ny lehilahy mahery setra. Ho hampiharina ny fitsarana. Ataonay izay hampaharitra ny fanovana.

Alimbe taorian'ny lahateny nataon'ny Talen'ny Kabinetra tao amin'ny Fanjakan'ny Lagos, nandohalika ny mpanao fihetsiketsehana rehefa nandeha ny hiram-pirenena tao Lagos, Nizeria, 8 Oktobra 2020. Saripikan'i TobiJamesCandids [22] tao amin'ny Wikimedia CC.BY.4.0 [23].

Fanavaozana haingana ny rafitry ny polisy

Mitaky fandraisana andraikitra avy amin'ny governemanta ny mpanao fihetsiketsehana amin'ny ankapobeny fa tsy teny sy fampanantenana fotsiny. Nivoady izy ireo fa tsy hiala eny an'arabe raha tsy mivaly ny hetahetany dimy lehibe, antsoina hoe  #5for5 [5hoan'ny5]:

Ireo fitakiana Ravao ny SARS-Ravao haingana ny SARS

Vokatr'izany, nanangana vaomieran'ny filoham-pirenena ny governemanta federaly hanavao ny rafitry ny polisy, ary namoaka fanapahan-kevitra maro hamaliana ny fitakian'ny mpanao fihetsiketsehana tao anatin'ny andro vitsivitsy.

Nanamafy tao amin'ny Twitter ny fankatoavan'ny filoha sy ny fanekeny [27] ny vaomiera ary ny fahavononany hamaly ny fitakian'ireo mpanao fihetsiketsehana i Bashir Ahmad, ilay mpanampy manokana ao amin'ny media vaovaon'ny filoha Buhari:

VAOVAO FARANY: Nihetsika ny vaomieran'ny filoham-pirenena misahana ny fanavaozana ny rafitry ny polisy, nekena ny fangatahan'ny mpanao fihetsiketsehana 5 ho an'ny 5.

Vakio ny antsipiriany etsy ambany ary miangavy mba zarao

Nilaza ihany koa ny vaomieran'ny filoham-pirenena fa horoahina ny mpikambana miisa 37 ao amin'ny Borigady Manokana Miady amin'ny Fandrobana noho ny fitondran-tena tsy mendrika sy ny olona miisa 24 hafa izay henjehina noho ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona isankarazany.

Nandritra ny fivorian'ny filankevi-pirenena mpanatanteraka ny Alakamisy izay notarihin'ny filoha lefitra Yemi Osinbajo dia nanolo-kevitra fa tokony hametraka ny Vaomiera misahana ny Fanadihadiana Ara-pitsarana [31] ny governoran'ny fanjakana tsirairay avy mba hanao fanadihadiana momba ny herisetran'ny polisy ao amin'ny fanjakàn'izy ireo.

Na izany aza, tsy nanaiky [32] izany sosokevitra izany ny governoran'ny Fanjakana River, Nyesom Wike, tamin'ny filazana fa nanjavona fotsiny tsotra izao ireo ezaka teo aloha izay tsy nampiharina mihitsy kanefa nampiasana ny volan'ny mpandoa hetra tamin'ny fanaovana fanadihadiana.