- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpikatroka mitaky ny hamaranana ny fanakatonana aterineto naharitra herintaona ao amin'ny fanjakana Rakhine sy Chin ao Myanmar

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Fanampenam-bava, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana jona 2020)

[1]

Tanora mpanao fihetsiketsehana ao Myanmar miantso ny hisian'ny fandriampahalemana ao amin'ny faritra Arakan sy ny famerenana amin'ny laoniny ny aterineto any amin'ny tanàna miisa 8 ao amin'ny fanjakana Rakhine sy Chin. Saripika avy amin'ny fahalalahan-tanan'i Athan, nahazoana alalana

Herintaona izay ny nameran'ny [2] governemantan'i Myanmar ny tambajotran'aterineto finday any amin'ny tanàna miisa valo ao amin'ny fanjakana Rakhine sy Chin. Mihoatra ny 1,4 tapitrisa ny olona miaritra amin'ny fanakatonana ary tsy afa-mahazo torohay iankinan'ny aina amin'ny fiitaran'ny fifanandrinana ao amin'ny faritra sy ny resaka COVID-19 ao amin'ny firenena.

Ankilan'ny fanakatonana ny aterineto finday any amin'ny faritra sasany ao Rakhine sy Chin, nobaikon'ny governemanta ihany koa ny hanakanana [3] ireo tranonkala heverina ho manaparitaka vaovao diso. Saingy tafiditra ao anatin'izany baiko izany ihany koa ny tranonkalam-baovao miahy tena sy ara-poko izay manome vaovao ao an-toerana.

Nanamarina ny faherintaona ny vondrona mpandala ny fahalalaham-pitenenana sy ireo vondrom-piarahamonina hafa ka nametraka [4] ny fanoheran-dry zareo tamin'ny alalan'ny famoriana anjotra.

Athan [5], fikambanam-piraisamonina iray tarihan'ny tanora izay mampiroborobo ny fahalalaham-pitenenana nisioka ny amin'izany lanonana izany:

Hetsika iankinan'ny ain-dehibe hanamarihana ny faherintaonan'ny fanakatonana ny aterineto ao amin'ny fanjakana Rakhine sy Chin.

Mpanatrika miisa 170 no azon'izany hetsika anjotra izany. Nasongadin-dry zareo fa mahatonga ny olona ao an-toerana tsy hahazo vaovao ara-pahasalamana momba ny COVID-19 ny fanakatonana. Nangatahan'ireo mpikambana ao amin'ny fiaraha-mientana nandritra ny lanonana anjotra ny OMS handrisika ny governemantan'i Myanmar hamarana ny fanakatonana ny aterineto ao anatin'izao valan'aretina izao.  

Nisy sora-baventy nanontany amim-pihantsiana navoaka teo amin'ny Kianja Sule ao Yangon.

Nanoratra momba ilay hafatry ny sora-baventy i Thinzar Shunlei Yi [12] mpandala ny zon'olombelona:

Tapahanareo ny fidirana aterineto satria tsy tianareo ho fantatray ny heloka an'ady sy ny famonoana olona an-tondromolotra tanterahanareo? Fanontaniana an-tsorabaventy napetraky ny mpikatroka ao Yangon mihantona tamin'ny tetezan'i Sule. Androany no manamarika ny faherintaonan'ny fanapahana aterineto amin'ny tanàna valo.

Manana hafatra ho an'ny antoko Ligy Nasionaly ho amin'ny Demaokrasia (NLD) mitondra amin'izao fotoana izao i Khin, mpikatroky ny zo nomerika:

Ao anatin'izao valan'aretina izao, androany no feno herintaona ny tsy fahazoan'olona monina amin'ny tanàna valo ao Rakhine sy Chin aterineto. Raha mbola misy henatra ihany ny NLD dia navelany hisy ny aterineto ho amin'ireo tanàna ireo izao.

Indro ny sary sy filazàna fanampiny manameloka ny fitohizan'ny fanapahana aterineto:

Antoko politika, fikambanam-piraisamonim-pirenena sy sampana fampitam-baovao mihoatra ny 70 ao Arakan no niara-nanasonia taratasy misokatra ho an'ny filohan'i Myanmar sy ny Mpanolotsaim-panjakana amin'ny resaka fapanahana aterineto ao amin'ny tanàna fito ao Rakhine sy ny tanànan'i Paletwa ao Chin.

Hetsi-panoherana amin'ny fanapahana aterineto mandritra ny 365 andro ao amin'ny fanjakana Rakhine sy Chin

Androany 21 jona no tsingerintaona voalohany amin'ny fanapahana ny aterineto finday rehetra ao amin'ny Fanjakana Rakhine sy Chin ao Myanmar. Ity no fanapahana aterineto lava indrindra manerantany.

Nahatra ny fanapahana tamin'ny tanàna valo izay, araka ny Amnesty International [29], ahitana heloka an'ady ataon'ny tafik'i Myanmar, sy ny fihoaram-pefy ataon'ny Tafika Arakan, vondrona ara-poko iray mitam-piadiana miasa any andrefana sy avaratr'i Myanmar.

Toy izao ny nolazain'ny vondrona mpandala ny zon'olombelona tao amin'ny fanambaràna navoakany tamin'ny herintaona raha niandoha ny famerana: 

The shutdown has created an information black hole in an area where the Myanmar military has committed serious violations – including war crimes – raising serious concerns about the safety of civilians. It is essential that the Myanmar authorities ensure the right to information in times of crisis.

Niteraka lavaka mainty ara-torohay any amin'ny faritra anaovan'ny miaramilan'i Myanmar fandikan-dalàna henjana – tafiditra amin'izany ny heloka an'ady – izay miteraka olana goavana amin'ny filaminan'ny sivily ny fanakatonana. Ilaina ny manampahefana ao Myanmaro miantoka ny zo hahazo vaovao ao anatin'ny fotoanan'ny krizy.

Linda Lakhdhir, mpanolotsaina ara-pitsarana ao amin'ny Human Rights Watch nilaza [30] fa tokony hamarana avy hatrany amin'izay efa lasa fanapahana aterineto lava indrindra manerantany napetraky ny governemanta i Myanmar:

The internet shutdown, along with restrictions on access by aid agencies, has meant that people in some villages are unaware of the Covid-19 [31] outbreak, humanitarian workers told Human Rights Watch. Local groups report that the shutdown has made it difficult to coordinate the distribution of aid to conflict-affected communities, and to communicate with their field teams to ensure staff safety. A local editor said the shutdown greatly impedes media coverage of the fighting between the Myanmar military and the ethnic Arakan Army, making it hard for villagers to get up-to-date information.

Ny fanapahana aterineto, miaraka amin'ny tsy fahazoan'ny sampandraharaha misahana ny fanampiana, no nidika fa misy tanàna ambanivohitra sasantsasany tsy mahalala ny fielezan'ny COVID-19, ireo mpiasa sosialy hoy ny Human Right Watch. Nilaza ny vondrona ao an-toerana fa nanasarotra ny fandrindrana ny fitsinjarana fanampiana any amin'ireo vondrom-piarahamonina tratran'ny fifanandrinana, sy ny fifandraisana amin'ireo ekipa eny ifotony hiantohana ny fiarovana ny ekipa, ny fahatapahan'ny aterineto. Tonian'ny fanoratana iray ao an-toerana no nilaza fa tena nanelingelina tanteraka ny fitantarana ny fifanandrinan'ny miaramila Myanmar sy ny tafika ara-poko Arakan, ny fanakatonana aterineto, mahatonga ny olona ambanivohitra sarotra ny mahazo vaovao farany.

Niaro ny fanaovana ny fanakatonana ny governemanta sivilin'i Aung San Suu Kyi, mamerimberina hatrany fa ilaina ny fanakatovanana noho ny ady mangotraka ifanaovan'ny miaramila sy ny tafika Arakan. U Zaw Htay, mpitondratenin'ny biraon'ny prezidansa, vao haingana no nilaza [32] tamin'ny Deutsche Welle fa azon'ny governemanta ny ahiahin'ny mpikatroka mpandala zon'olombelona, ao anatin'izany ny Vaomieran'ny Firenena Mikambana misahana ny zon'olombelona, saingy ny filaminana aloha no vaindohan-draharaha any amin'iny faritra iny.

Nilaza izy fa manome izay tsy maintsy ilaina rehetra ny governemanta hanampiana ny miaramila iadiana amin'ny mpioko. 

Tamin'ny 12 jona, nanambara [30] ny ministeran'ny fitaterana sy ny fifandraisana fa hanitatra ny fanakatonana ny aterineto hatramin'ny 1 aogositra ny governemanta.

“Haverinay amin'ny laoniny ny servisy aterineto rehefa tsy misy intsony ny fandrahonana amin'ny vahoaka na fanitsakitsahana ny lalànan'ny fifandraisandavitra,” hoy i Soe Thein, sekretera maharitry ny ministera, nandritra ny filazana fohy ho an'ny media ao Yangon.

Any amin'ny fivoaran-draharaha hafa indray, nisy fitoriana (FIR) voarakitra manenjika an'i Maung Saungkha, mpikatroka iray amin'ny fahalalaham-pitenenana vao nahazo ny loka Tolipa avy any Holandy. Samy voampanga [33] izy sy ny mpikatroka dimy hafa araka ny toko faha-19 amin'ny Lalànan'ny fivoriana sy filaharana milamina (PAPPL) amin'ny fanomanana fihetsiketsehana tsy misy fampilazana any amin'ny polisy. Miatrika telo volana an-tranomaizina izy raha meloka.

Maloto sy tsy azo ekena. Vao voampanga amin'ny and.19 amin'ny PAPPL noho ny hetsika anoherana ny fikatonan'ny aterineto tamin'ny faha-21 ny volana i @maung_saungkha [34] , mpikatroka fahalalaham-pitenenana avy ao amin'ny @athan_info [35] sy ny mpikatroka 5 hafa (mbola tsy fantatra).