- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpianatra ho mpitsabo Kashmirita mandoko amin'ny ravina handresena ny rarintsaina ateraky ny COVID-19

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka, Vaovao Tsara, Voina, Zavakanto & Kolontsaina, COVID-19
Tabish Aijaz Khan. Screenshot from Youtube Video. [1]

Tabish Aijaz Khan. Pika avy amin'ny horonantsary Youtube [1].

Ny ôrizinalin'ity lahatsoratra ity dia hita ao amin'n Video Volunteers [2], fikambanam-piarahamonina media iraisampirenena iray miorina ao India efa nahazo loka. Navoaka eto ambany ny endrika nasiam-panovana izay ao anatin'ny fifanekena hifampizara votoaty.

Mampiasa izay fahaizany tsotra amin'ny fandokoana i Tabish Aijaz Khan, tanora iray mpianatra fitsaboana avy ao amin'ny distrikan'i Anantnag ao Kashmir, handreseny ny rarintsaina ateraky ny fanadinana sy ny valan'aretina COVID-19.

Tamin'ny 9 marsa 2020, ny fanjakana Indiana Jammu sy Kashmir [3] no nahitana tranga voalohany [4] tamin'ny COVID-19. Ny tarehimarika farany indrindra amin'ny tranga COVID-19 [5] raha ny tamin'ny 11 oktobra ho an'i Jammu sy Kashmir dia  83.064 ka ny maty tamin'izany dia 1313.

Hatramin'ny taona 2012 i Kashmir no nahitana fanakanana aterineto miisa 413, ka ny lava indrindra tamin'izany dia ny nanomboka tamin'ny 4 aogositra 2019 ka hatramin'ny 4 marsa 2020 araka ny hita ao amin'ny Internetshutdowns.in [6]. Voafetra [7] ho 2G ny servisy aterineto amin'izao fotoana izao. Araka ny fikarohana nataon'i Sheikh Shoib sy S. M. Yasir Arafat nivoaka tao amin'ny The Lancet [8] tamin'ny septambra 2020, mety niteraka fanirery sy fitomboan'ny tebiteby ara-tsaina ny fitambaran'ny fanapahana fifandraisana sy ny fihibohana tao Kashmir.

Nanomboka nandoko [9] tao Fourth Standard i Tabish Aijaz ary nanomboka teo dia io no lasa fanalany andro ankafizina. Mianatra [10] ho dokotera izy amin'izao fotoana izao. Koa satria moa midadasika be ny fianarany fitsaboana ary ahitana fianarana sy fanadinana maro dia maro, dia niditra tamin'ny fandokoana i Tabish hampihenany ny rarintsainy ateraky ny valanaretina sy ny fianarana.

Niantsafa [2] azy hamantarana ny ezaka nataony i Rayees Ahmad, mpiasa ara-tsosialy sady mpampita vaovao avy amin'ny fiarahamonina mifandray amin'i KashmirUnheard:

Tsy tahaka ny hafa mandany fotoana amin'ny fijerena efijery, andanian'i Tabish fotoana kokoa ny mandoko ambony ravina chinar (Platanus orientalis [11]) ary mamoaka [12] izany ao amin'ny fantsona media sosialy. Mety mandany manomboka amin'ny ora efatra ka hatramin'ny fito andro ny fanaovana hosodoko iray.

Lanitra lokoina manga, voaravaka hazo kesika ? miaraka amin'ny rantsany, bozaka tena izy, ahitana vato sy vita amin'ny taratasy mafy ny hotels ary farany lemaka mahafinaritra ao anatiny
Tiako ny manangana zavatra mahafinaritra avy amin'ny fakofako❤️

View this post on Instagram

"Gar firdaus bar-rue zamin ast, hami asto, hamin asto ,hamin ast" #acrylic on real #chinar leaf ? I am always so excited to paint chinar leaves .. ❤️❤️❤️ #kashmirart #kashmirculture #art_realism_ #kashmir #jktourism #kashmiri #kashmiriartist #girlartist #viral #explorepage #exploremore #likesforlike #artaccount #art_4share #artsy #artist #artwork #artsanity #artisfun #arts_help #artdiscover #artcurator #artcollector #artnerd #dailyart #art_daily #artistic @kashmirobserver @rjmehakz @kashmir__valley @kashmir_update @i_explore_kashmir @kashmirlifeofficial @page.of.kashmir @artists_of__kashmir @srinagar__ @srinagar_news_times [20]

A post shared by tabish aijaz khan [21] (@artby_tabishkhan) on

“Raha misy lanitra eto an-tany,dia eo, dia eo, dia eo.”

Vao haingana izao i Tabish no nahazo fankasitrahana am-bava maro [22] noho ny ezaka fanairana nataony momba ny kolontsaina Kashmirita sy ny fielezan'ny COVID-19.

Kabbah shareef ❤️ amin'ny fotoanan'ny COVID-19 .. Fivahiniana masina mihazona ny fiatahana ara-piarahamonina am-panatontosana ny Hajj2020. Itoeran'ny fandriampahalemana na dia ao anatin'izao valan'aretina izao aza. Manantena hanjavona any ny valan'aretina .. Amen

Mampiasa vato sy zavatra samatsamahana ihany koa i Tabish hananganana zavakanto, ary efa nanao fampirantiana ny zavakantony any amin'ny toerana fampirantiana zavakanto ao an-toerana. Amin'ny maha-dokotera azy atsy ho atsy, ampiasainy ny zavakantony hanasongadinana ny servisy ataon'ny dokotera, mpanampy mpitsabo sy ireo mpiasan'ny fahasalamana hafa ho an'ny firenena hamongorana ny valanaretina.