- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kôety: Fifidianana, klinika mampiahiahy ary mpiasa an-trano atao ratsy fitondra

Sokajy: Koety, Fahasalamàna, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Sendikà, Teknolojia, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny May 2009)

Arahaba avy aty Kôety! Amer Al-Hilal namanareo ity, miaraka amin'ny fintina vaovao avy amin'ny tontolon'ny bilaogy kôetiàna, miainga avy amina lahatsoratra momba ny fiantraikan'ny fanairana noho ny gripan-kisoa ka mandalo amin'ny sompatra manahirana tamin'ny fanontàna ireo antontan-taratasy ofisialy, ary hatramin'ny toedraharaha sarotra momba ny maha-olona manjo ireo mpanampy an-trano, sy zavatra hafa marobe.

Atombotsika amin'ilay bilaogy malaza 4th Ring Road [1]izay maneso ny orina ara-pivavahana ‘Koweït Awqaf Public Foundation’ noho izy io nanao natsirambina ny fanamarinana ilay fandikàna ho amin'ny teny anglisy ny antontan-taratasin-dry zareo, nialohan'ny nanontàna azy ho an'aliny maro miaraka amin'ny hadisoana manahirana hoe  : ‘Koweït Awqaf Pubic Foundation.’ (Fanamarihan'ny mpandika: ny hoe pubic dia manondro ny vavam-pivaviana)

Satria anaty fotoam-pifidianana isika izao, marobe ireo bilaogera no nandeha tany amin'ny foiben-toeran'ireo mpirotsaka hofidiana mba hilona anatin'ireo kabary pôlitika isankarazany, toa an'i  Jelly Belly Nonsense [2] [angl.]. Kanefa, nandritra ny fitsidihan'ity vehivavy bilaogera ity ny tranolain'ny kandidà Dr. Abdulla Al-Turaiji, nanafintohina azy ny zavatra niseho. Hoy izy tao anaty lahatsoratra iray nitondra lohateny hoe  ‘Jelly Belly sy ny fifidianana’ :

Omaly aho, izaho sy ny zanak'olom-pianadahy amiko dia nandeha tany amin'i Dr. Abdullah Al-Turiji, zava-baovao ho azy koa izy io… nandeha tsara ny zavatra rehetra mandra-pahatongan'ny lehilahy iray izay toa mpanolotra fandaharana ao amin'ny Scope TV  [izay tsy iza ny anarany fa] Anwar Malallah… Raha fintinina, navoitran-dry zareo ny resaka zompirenena/aljenseya… Nanomboka noresahany ny amin'ireo lehilahy kôetiàna manambady vehivavy tsy manam-piaviana kôetiàna, izay nangalatra ireo lehilahy tokony ho an'ireo vehivavy kôetiàna, ny fomba akàn'ireny “vahiny” ireny ny zon-dry zareo amin'ny maha-kôetiàna azy sy ny fomba ahafahan'ny taranany hiova noho ireny fifanambadiana ireny ! Tamin'izay fotoana izay indrindra, nijery ahy ilay zanak'olo-mianadahy amiko ary dia samy TENA TEZITRA izahay roa… Raha mbola tsy fantatrareo, avy any Bahreïn ny reniko ary efa nolazaiko fa noho izy manana ny zompirenena kôetiàna amin'izao fotoana izao – efa ho 30 taona, ary ny renin'ilay zanak'olo-mianadahy amiko kosa dia amerikàna saingy nisafidy ny hitazona ny zompirenena maha-amerikàna azy ka tsy nahazo mihitsy ny zompirenena kôetiàna, saingy tsy olana aloha izany hatreto, ny olana, raha ny marina, dia ny fomba fihevitr'ity “lavabody” ity ny reninay !!

Tamin'ny fahatongavany tao amin'ny seranam-piaramanidina tao Koweit, nampandalovina fitsirihana sao mitondra otrikaretina gripan-kisoa i Mark [3]avy ao amin'ny bilaogy 248am (izy vao tonga avy any Amsterdam mihitsy) ary nampanantsoina hanamafy ny karinem-pahasalamàny tany amin'ny klinika iray tao an-toerana nony ampitso. (jereo ny lahatsoratra nosoratany hoe ‘Tafaverina avy any amin'ny Klinika’)  :

Ny maraina teo, nandalo tao amin'ny klinika Salmiya aho hampanao sonia ny antontan-taratasy momba ny gripa H1N1 azoko teny amin'ny seranam-piaramanidina. Iny no voalohany nidirako tany ary tsoriko fa tena naharikoriko ahy ilay toerana. Tsy afaka hino mihitsy ianao hoe toeram-pitsaboana ilay izy, fa mitovy kokoa amin'ny hoe lakozia iray goavana na efitrano fandroana. Nahitako bibikely iray somary vaventy maty aza teo amin'ilay gorodona maloto sy misolitika, maharikoriko ! Na izany na tsy izany, nandeha nanatona ilay sampana voalaza aho, izay toerana ahitàna ilay vehivavy mitàna boky iray tena lehibe nanoratana ny anarako sy ireo torohay momba ny diako. Nanontaniany aho raha narary, tsia no navaliko azy, araka izany nilazàny aho hiverina amin'ny Alahady, dia izay.

Ndeha hirosoana ny momba ny zon'olombelona, ny bilaogera q8sws [4], tao anaty lahatsoratra iray mampihetsipo, nomeny lohateny hoe ‘Numbers’ [ISA , amin'ny fiteny anglisy], no mitondra fanazavana momba ny toedraharaha henjana iainan'ireo mpanampy an-trano ao Kôety:

Niresaka aho tamin'ireo olona miasa manampy an'ireny mpanampy an-trano natao ratsy fitondra ireny, tany amin'ny masoivohon-dry zareo, ary dia azoko natao ny nanombana ny isan'ireo tranga atrehantsika : 80 ireo mpanampy an-trano tonga tao amin'ny masoivohon'i Etiopia (masoivoho izay efa tena tototra tokoa ankehitriny ka manosi-bohon-tanana ireo mpandositra) ; 400 tao amin'ny masoivohon'i Indônezia, 100 hatramin'ny 300 tao amin'ny masoivohon'i Filipina (miovaova matetika io isa io), 300 tao amin'ny masoivohon'i Sri-Lanka.

Fantatro koa fa nisy vehivavy latsa-tomany nitalaho tamin'izy ireo saingy noroahan'ny masoivoho indiàna, teo imason'ny rehetra, nilaza ilay ramatoa fa natao ratsy fitondra izy, fa novalian-dry zareo hoe tsy ao no toerana tokony nalehany. Mazava loatra fa tsy tena ny isa marina ireo – tombantombana ihany fotsiny ireo. Ary azoko ambara aminareo fa tsy faly ireo ramatoa roa ireo, na hoe salama avokoa. Ary rehefa tao amin'ny masoivohon'i Filipina ny tenako, tena kivy nahita ireo vehivavy nilahatra nameno efitrano iray tao amin'ilay rihana ambanin'ny tany, feno izay toerana rehetra azo nampiasaina.

Tsy tarehimarika ny olombelona iray. Mendrika ny ho entina amin'ny maha-olona miavaka, tokana an-tany azy ny tsirairay. Saingy na izany aza dia tarehimarika no kiraintsika eto, azafady mba tsiahivo ao an-tsainareo fa olona mandositra izy ireny no nahavita namonjy ny masoivoho. Misy hafa marobe tahàka azy ireo, any amin'ny hôpitaly, any an-tranon'ny mpampiasa azy, any am-ponja sy any amin'ireo ivontoerana fampodiana an-tanindrazana, mahatsiaro tena ho tsy ara-dalàna ao Kôety, voatery mampanofa vatana sy mazava loatra – any amin'ny tranompaty.

Ho famaranana, ndeha hikisaka hiresaka teknôlôjia. Ny bilaogy A Puddle Of Red [5] [ang.] dia manao teny tsy loabody amin'ilay lahatsoratra navoakan'i Endgadget tao amin'ny Cablevision izay manome hafainganam-pandeha 101 Mps ao New-York sy any amin'ireo tanàna sasantsasany ao amin'ny morontsiraka atsinanan'i Etazonia, amin'ny sanda 99 dôlara amerikàna isambolana. Ambarany fa ao Kôety, “Na 256K aza tsy ho azonao amin'io sanda io.