- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Facebook, mandà ny fiampangàna azy ho manampy trotraka ny kabarim-pankahalàna sy mpomba ny BJP ao India

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fahalalahàna miteny, Fampandrosoana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
Indian Prime Minister Narendra Modi with the CEO of Facebook, Mark Zuckerberg in the USA (2015). Image from Flickr by Narendra Modi. CC BY-2.0. [1]

Ny praiminisitra indiàna, Narendra Modi, mitafa amin'ny filoha tale jeneralin'ny Facebook, Mark Zuckerberg tao Etazonia (2015). Sary avy ao amin'ny Flickr an'i Narendra Modi [1]. CC BY-2.0 [2].

Ny 16 Septambra, namoaka fanambaràna [3] iray ny lehiben'ny Facebook ao India nandàvany ireo fiampangana ity goavan'ny media sôsialy ity ho maka tombony amin'ny fanomezana sehatra ny kabarim-pankahalàna ao India. Fanazavàna tonga taorian'ny herinandro maromaro nitateran [4]‘ny   Wall Street Journal (WSJ) hoe nolavin'ilay goavan'ny teknolojia ny hanaisotra ireo lahatsoratra nalefan'ireo mpikambana avy amin'ny antoko eo amin'ny fitondràna ao India — ny Bharatiya Janata Party [5] (BJP)— izay nanitsakitsaka ny fitsipika napetrany momba ny kabarim-pankahalàna.

Voasaringotra tanaty resabe iray hoe mandrehitra ny kabarim-pankahalàna ao India ny Facebook taorian'ny nitateran'ny  WSJ fa nisafidy handeha amina zotra iray hafa ilay orinasa, eny fa na taorian'ny nanairana azy momba ny nivoahan'ny lahatsoratra iray fankahalàna silamo nalefan'ny mpikambana iray avy amin'ny elatra havanan'ny BJP aza. Nataony io, hoy ny WSJ, mba hiarovany ireo tombontsoan'ny fandraharahàna ataony ao amin'ny firenena.

Ny mpitarika ny BJP voaresaka eto dia i T Raja Singh [6], mpanao lalàna avy ao amin'ny fanjakana indiàna ao Telangana. Asongadin'ilay tatitry ny WSJ ireo lahatsoratra nosoratan'i Singh izay ao anatin'izany no anondroany ireo miozolmàna ho “mpamadika” ary voalaza koa fa toa nilazàny ny amin'ny tokony “hitifirana” ireo rohingyas miozolmàna ao India. Tsy nesorina ireny lahatsoratra ireny noho ny fanoherana nataon'i Ankhi Das [7], filoha mitarika ny pôlitika ankapobe ny Facebook India, hoy hatrany io loharanom-baovao io.

Nolavin'i Das ny fanondroana an'i Singh ho toy ny ‘olona mamoa-doza’ ao amin'ny Facebook. Voalaza fa niteny izy [8] hoe ‘mety hanohintohina ny tombontsoa ara-barotr'ilay orinasa ao India ny  fanitsakitsahana nataon'ireo pôlitisiàna avy amin'ny antokon'ny praiminisitra Narendra Modi.’

Taorian'ny niatrehany fanehoankevitra henjana avy amin'ireo antoko ao anatin'ny fanoherana ao India noho ny voalaza fa fitanilàny amin'ny antoko eo amin'ny fitondràna, mandrisika araka izany ny herisetra sy ny kabarim-pankahalàna eo amin'ny sehatra arosony, noraràn [9]‘ilay orinasa i Singh tany am-piandohan'ny volana Septambra. Raha nanazava ny anton'ny naha-taraiky ilay fandraràna an'io pôlitisiàna io tao aminy, nolazain [10]‘ny Facebook tamin'ny CNN fa “midadasika ny dingana fanombànana ny lanjan'ny fanitsakitsahana ary izany no nitondra anay handray ny fanapahankevitra hanafoana ny kaontiny”

Kanefa, nanambara [11] i Singh fa hatramin'ny Aprily 2019 izy no tsy nanana kaonty Facebook, ka noho izany, tsy hitany izay antony handraràna azy. Mbola nandeha lavidavitra aza i Singh nanampy hoe ny 8 Oktôbra 2018 dia nanoratra taratasy izy ho an'ny departemantam-panjakana misahana ny fanenjehana ny heloka anaty tambajotra, nampahafantatra azy ireo [12] fa nisy nijirika ny kaonty ofisialy Facebook amin'ny anarany.

Tao anaty fanambaràna [13] iray nalefa ho an'ny Times of India, nilaza i Ajit Mohan, tale jeneralin'ny Facebook India fa tsy maka tombony, na dia kely aza, amin'izay kabarim-pankahalàna ny orinasa. Mbola nampiany hoe tsy misy faripiadidiana hahazo tombony amin'izay kabarim-pankahalàna ary ny Facebook dia miezaka manao izay vitany mba hampanajàna ireo fenitra ara-piarahamonina ao aminy. Nitondra fanazavàna ihany koa i Mohan momba ny anjara notànan'i Ankhi Das. Nambarany fa i Das dia mitarika andiany iray misahana ny pôlitika ankapobeny izay mihataka sy mahaleotena tsy miankina amin'ny andiany misahana ny pôlitika momba ny votoaty. Nampiany fa, ao anatin'ity raharaha manokana ity, ny andiany misahana ilay pôlitika ankapobeny ao India dia tsy tompon'ny fanapahankevitra .

Ny 2 Septambra, i Mohan dia niseho [14] ihany koa teo anoloan'ny Kaomity maharitry ny antenimiera  ao India izay tarihan'ny filohan'ny kaongresy Shashi Tharoor mba hiresaka [14] ireo olana momba ny  ‘’fitandroana ireo zon'ny olompirenena’’ sy ny ‘‘fampiasàna tsy araka ny tokony ho izy’’ ilay sehatra.

Facebook dia miatrika ihany koa fanadihadiana ataon'ny antenimiera mpanao lalàna ao New Delhi. Natsangana ny kaomity iraisan'ny governemanta ao New Delhi hanadihady ny anjara toerana raisin'ny kabarim-pankahalàna eny anivon'ny media sôsialy sy ny fifandrohizany amin'ireo korontana ao Delhi [15].  Kanefa, ilay goavan'ny media sôsialy nitondra [16] ny raharaha ho eny amin'ny Fitsarana Antampony ao India, nangataka ny tsy hiseho eo anoloan'ny antenimiera mpanao lalàna, tamin'ny filazàna fa efa niatrika ireo andiana parlemantera teo amin'ny firenena izy ary ny fandrindràna ireo goavan'ny teknôlôjia dia andraikitry ny manampahefana ao anatin'ny Firaisamben'i India.’

Mandritra izany fotoana izany, mirehidrehitra ihany koa ny fangatahana [17] hanaovana fanadihadiana ny fahaiza-mitarik'ilay goavan'ny teknôlôjia ao India. Kanefa, tsy misy mihitsy torohay ao anatin'ny sehatra natao ho an'ny daholobe mba hahafantarana raha toa ny Facebook ka nametraka fandihadiana amin'ny sehatra avo ho entina mamaritra raha tena maka tombony tokoa izy amin'ny fanolorana sehatra ho an'ireo kabarim-pankahalàna avy amin'ireo mpikambana ao amin'ny antoko eo amin'ny fitondràna.