Naolan'ny TV-mpanjakana shinoa ny fanamarihan'ny siantifikan'ny OMS tao amin'ny horonantsary niely haingana

Pikantsary avy amin'ny lahatsarin'ny CCTV ao amin'ny Miaopai. Via Youtube.

Ny tantara etoana dia mifototra amin'ny fikarohana nataon'ny Factcheck Lab, sampan-draharaha fanamarinam-baovao sady fampitam-baovao miara-miombon'antoka amin'ny Global Voices. Mpikambana ao amin'ny ekipa fikarohana ihany koa n fikambanana.

Nipoitra nanomboka tamin'ny 22 Septambra tao amin'ny aterineto miteny shinoa ny tati-baovao sy ny lahatsoratra media sosialy mampilaza zava-diso ny lehiben'ny siantifika ao amin'ny Sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS), ny Dr. Soumya Swaminathan, fa “voamarina ho manana fiantraikany” ny vaksinin'ny COVID-19 an'i Shina.

Manonona ny lahatsary iray minitra vokarin'ny China Central Television ho an'ny fampiharana fizarana lahatsary Shinoa, Miaopai ho loharanom-baovao ireo tatitra sy lahatsoratra ireo. Mampiseho ny kabarin'i Tedros Adhanom Ghebreyesus, tale jeneralin'ny OMS, mikasika ny maha zava-dehibe ny fivoaran'ny vaksiny COVID-19. narahin'ny fanamarihan'ny Dr. Swaminathan.

Tao amin'ny lahatsary CCTV, izay ahitana fanazavana milaza hoe “lehiben'ny siantifika ao amin'ny OMS, voaporofo fa manana fiantraikany ny vaksiny COVID-19″ (世卫组织首席科学家:中国的新冠疫苗已被证明有效), izao ny kabarin'i Swaminathan:

As you know, they also have a very active vaccine development programme and several of their vaccine candidates are in advanced stages of clinical trial, so this is also of interest to us, so we're following those very closely. Some of their candidates actually prove to be successful in the clinical trials that are going on.

Araka ny fantatrareo, manana programa famolavolana vaksiny tena mavitrika izy ireo ary maro amin'ireo kandidà vaksinin'izy ireo no an-dalam-pivelarana mankany amin'ny fanandramana ara-pitsaboana, sady mahaliana izany ho anay, ka manjohy izany akaiky izahay. Voaporofo ankehitriny ny sasany amin'ireo kandidà fa mahomby amin'ny andrana ara-pitsaboana eo an-dalana.

Na dia izany aza, nasiana fanitsiana ny kabary orizinalin'ny Dr. Swaminathan: Raha ny marina, dia manomboka amin'ny teny hoe “raha,” ny fehezan-teniny farany, saingy ataon'ny mozikan'ny lahatsary ho heno tahaka ny miteny izy hoe “voaporofo” fa tsy “porofo”.

Toy izao manaraka izao ny fanamarihana feno nataon'i Dr. Swaminathan:

We've been engaged in discussions with China for the last several months because, as you know, they also have a very active vaccine development programme and several of their vaccine candidates are in advanced stages of clinical trial so this is also of interest to us so we're following those very closely. We've had very constructive and open discussions with them and they have always been reiterating their commitment to global access if some of their candidates actually prove to be successful in the clinical trials that are going on [emphasis added]. So I think the conversations are going on, it's still open and we're hopeful that more countries are going to join.

Nifamato resadresaka tamin'i Shina izahay volana maro izay, satria, araka ny fantatrareo, manana programa famolavolana vaksiny tena mavitrika izy ireo ary maro amin'ireo kandidà vaksinin'izy ireo no an-dalam-pivelarana mankany amin'ny fanandramana ara-pitsaboana, sady mahaliana izany ho anay ka manjohy izany akaiky izahay. Nanana fifanakalozan-dresaka misokatra tamin-dry zareo izahay ary nohitrikitrihan-dry zareo ny firotsahany hahazoan'ny manerantany azy raha misy amin'ireo kandidàn-dry zareo manaporofo tokoa ho mahomby amin'ny andrana ara-pitsaboana eo an-dalana amin'izao fotoana izao [nampiana ny fanasongadinana]. Koa mihevitra aho fa mandeha ny resaka amin'izao fotoana, mbola misokatra ary manantena izahay fa mbola hisy ny firenena hanatevin-daharana.

Ny fanamarihana dia nivoaka tao amin'ny valandresaky ny OMS virtoaly ho an'ny mpanoratra an-gazety tamin'ny 21 septambra. Ny fandikana an-tsoratra manontolo maharitra ora iray sy 30 minitra dia azo idirana ato.

Ny kaoferansa dia nokendrena hanolorana fanavaozam-baovao momba ny fandraisana an-tanana 18 miliara USD notarihan'ny OMS sy ny fikambanana lehibe hafa maro hanapariahana ny vaksiny COVID-19 manerana izao tontolo izao. Hatramin'izao fotoana izao dia firenena 156 no nanasonia ny programa; nefa na i Shina na i Etazonia samy tsy ao anatin'izany.

Araka ny efa nampoizina, nahazo fanohanana ara-pitiavan-tanindrazana ny horonantsarin'ny CCTV sy ireo tati-baovao sy lahatsoratra naterak'izany horonantsary izany. Nahazo tia mihoatra 337.000 ny lahatsoratra iray ao amin'ny Weibo avy amin'ny Daily Economic News. Ireto ambany ireto ny sasany amin'ireo fanehoan-kevitra malaza:

为您骄傲,我的国。这是国庆中秋最好的礼物

Afa-mirehareha aminao mihitsy aho ry tanindrazako. Izao no fanomezana tsara indrindra ho an'ny Fetim-pirenena sy ny ivon'ny fetibe mihintsan-dravina.

中国速度,你无法想象,为祖国自豪,

Tsy azonao vinaniana ny halakin'i Shina. Tena afa-mirehareha ny aminao mihitsy aho ry reny tanindrazako.

中国拯救了全世界

Manavotra izao tontolo izao iray manontolo i Shina.

Rehefa navoitran'ny mpanamarina ny zavamisy fa nasiam-panovana ny tenin'i Dr. Swaminathan, dia nisy sehatra media sosialy vitsivitsy namafa ny lahatsorany. Ao anatin'ireo namafa ny ao amin'ny Ligin'ny tanora komonista ao Shina, fa efa nopihan'ny mpisera Twitter @Emi2020JP sary talohan'ny nanjavonany tao amin'ny Weibo:

Tedros no tokony tsindronina vaksiny voalohany.

Tahaka an'i @Emi2020JP, maro ireo mpisera Twitter no mino fa nanome tolotanana an'i Shina ny OMS amin'ny familanana ny horonantsary [mg], ary namoaka fanehoan-kevitra amim-pahatezerana tamin'i Tedros:

谭德塞就是痰罐刷

Borosin-kabone i Tedros!

我出錢給扊得塞多打几支!

Handoa vola aho hanindronana fanampiny an'i Tedros!

昨天我妈还说,国内新闻报道美国向中国购买大量疫苗。我听后连解释的欲望都没有了。谁他们自己意淫吧。

Omaly ny reniko niteny ahy, nolazain'ny vaovao eto an-toerana fa hividy vaksiny maro dia maro avy eto Shina i Etazonia. Tsy mila manazava akory aho. Avelao ry zareo hiaina amin'ny nofinofiny.

從散播病毒隱匿疫情到幫中國推銷疫苗真的是一條龍服務喔!

Servisy tena tsara dia tsara tokoa, miainga amin'ny fitantarana ny fielezan'ny viriosy ka hatramin'ny fandefasana an-tsena ny vaksinin'i Shina!

Maro ireo sehatra famoaham-baovao shinoa, anisan'izany ny CGTN sy ny CCTV, no namafa ilay horonantsary nivoaka teo aloha tao amin'ny kaonty media sosialin-dry zareo. Saingy mbola mivezivezy ao amin'ny media sosialy ny dika petaka, toa ity tsanganana iray hitan'ny rehetra ao amin'ny WeChat ity.

Nampivangongo ny tatitra nataony manokana mifototra amin'ny horonantsary ao amin'ny Facebook, Instagram ary WhatsApp ny fampitam-baovao Pro-Beijing ao Hong Kong, toa ny Speak Out HK (港人講地)sy Today Review (今日正言).

Manodidina ny 200 eo ho eo ny karazam-baksiny COVID-19 andalam-panandramana ara-pitsaboana manerana izao tontolo izao, ary maro amin'ireo no vokarin'ny laboratoara shinoa. Tsy misy amin'ireo ny efa nahadingana amim-pahombiazana ny dingana fahatelo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.