- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Any Pero, mihira rap manohitra ny herisetra ara-nofo ny tanora tompotany

Sokajy: Amerika Latina, Però, Hevitra, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta

“Mijaly ireo tovovavy”. Pikantsary avy amin'ny horonantsary “Warmallan amaraq mamaqa” (Zazavavy, fa tsy renim-pianakaviana). Lahatsary avy amin'i Kusi Kawsay nalefa tao amin'ny YouTube [1].

Tamin'ny 6 Septambra, nanamarika ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy Tompotany [2] ireo mpianatra amin'ny lisea avy ao amin'ny faritra Cusco any Però tamin'ny alàlan'ny famoronana horonantsary rap mitaky [3] ny zon'ny zazavavy, ao anatin'izany ny fahazoana ny fehezam-pitsaboana vonjy taitra sy ny fanalan-jaza ara-pahasalamana amin'ny tranga fanolanana.

Ao amin'ity horonantsary [1] ity izay nozaraina niaraka tamin'ny tenirohy #WarmallanAmaraqMamaqa [4] (teny Quechua milaza  “#Zazavavy, fa tsy renim-pianakaviana”) dia nihira rap momba ireo tatitra miisa 700 nahitana fanolanana natao tamin'ireo tovovavy nandritra ny fihibohana COVID-19 ireo mpianatra avy amin'ny ivontoeram-panabeazana Kusi Kawsay [5]. Araka ny angondrakitra [6] ao amin'ny Fandaharanasa Nasionaly Aurora avy amin'ny Ministeran'ny Vehivavy sy ny Mponina Marefo, tranga herisetra miisa 6072 [6] mihatra amin'ny ankizy hatramin'ny 17 taona no notaterina nandritra ny fotoana nitokana-monina ara-tsosialy tamin'ny COVID-19 tany Però nanomboka ny 16 Marsa ka hatramin'ny 31 Aogositra.

Nampian'io tatitra io ihany fa ny 16,2 isanjaton'ny zaza tsy ampy taona no niharan'ny herisetra ara-nofo, ka ny 92,9 isanjato amin'izany no zazavavy ary 7,1 isan-jaton'ny no ankizilahy. Ny faritra Cusco no faritra fahatelo manerana ny firenena manana taha ambony amin'ny herisetra ara-nofo atao amin'ny zaza tsy ampy taona, ahitana 9,7 isan-jato amin'ny totalin'ny tranga efa voatsara.

Sary [6] avy amin'ny Ministeran'ny Vehivavy sy ny Mponina Marefo, sehatra ho an'ny daholobe.

Ny horonantsary feno, nozaraina tamin'ny 6 Septambra dia azo jerena ao amin'ny kaontin'ny sekoly Kusi Kawsay ao amin'ny Twitter sy ao amin'ny YouTube [1]. Nihira rap tamin'ny teny Espaniôla sy Quechua ireo zatovo.

Horonantsary fanentanana #WarmallanAmaraqMamaqa nataon'ny tovovavy kely avy any Kusi Kawsay. Takianay ny fanajana ny zon'ireo tovovavy tantsaha sy tompotany.??

Nosoratan'i Elizangela, tanora 13 taona ny tononkira, izay ahitana ny hoe “Aharihariko ny tahotra” sy ny hoe “anisan'ny fanjanahan-tany ny fanaovana ambanin-javatra ny vehivavy” ary ny hoe “tsy hangina velively”:

1/7 Nosoratan'i Elizabeth, 13 taona, ny tononkiran'ny hira rap, fanentanana ataon'ny tanora #WarmallanAmaraqMamaqa (Zazavavy, fa tsy renim-pianakaviana amin'ny fiteny Quechua). Noforonin'ny tanora avy amin'ny sekoly Kusi Kawsay ity horonantsary fanentanana ity mba hitakiana ny fiarovana ny zazavavy tantsaha sy tompotany. Araho tsy tapaka ny vaovao!✊?

Ao amin'ny Distrikan'i Písac [13] no misy ny sekoly Kusi Kawsay, efa ho 3.000 metatra ambonin'ny haabon'ny ranomasina, ary mifantoka amin'ny fanabeazana ireo ankizy tompotany avy amin'ny vondrom-piarahamonina manodidina eo. Manambatra ny singa ao amin'ny fanabeazana Waldorf [14] sy ny fomban-drazana Andeana ny filozofian'ny [5] sekoly ary miezaka manatsara amin'ny ankapobeny ny fahaiza-manao ara-javakanto, ara-tsaina ary ny fampiharana ny fahaiza-manao:

La filosofía educativa de Kusi Kawsay está basada en la tradición andina a lo cual ha integrado algunos elementos de la pedagogía Waldorf. Actualmente atiende a un estimado de 95 niñas y niños del Valle Sagrado de los Incas en Pisac, Cusco. Actualmente cuenta con tres niveles: inicial, primario y secundario.

Miorina amin'ny fomban-drazana Andeana ny filozofian'ny fanabeazana Kusi Kawsay, ary nampiditra singa vitsivitsy avy amin'ny pedagojia Waldorf. Amin'izao fotoana izao dia mampianatra zazavavy sy zazalahy miisa 95 avy any amin'ny Lohasaha Masina Incas any Pisac, Cusco ny sekoly. Misy telo ny ambaratongam-pampianarana ao: ambaratonga voalohany sy faharoa ary lisea.