Tariky ny Al Jazeera Balkàna, voatafika nandritra ny hetsipanoheran'ny antoko avy amin'ny elatra havanana tao Skopje

La journaliste Milka Smilevska s'exprime sur la chaîne Al Jazeera, avec la ville de Skopje en arrière-plan.

Ny mpanao gazety, Milka Smilevska, solontenan'ny Al Jazeera Balkàna ao Skopje, Makedônia avaratra. Sary nahazoana alàlana avy aminy.

Ity lahatsoratra ity dia niainga avy amin'ny tatitra notontosain'ny  Meta.mk News Agency, mpiaramiasa aminay, tetikasa iray an'ny Orina (Foundation) Metamorphosis

Mankany amin'ny lahatsoratra amin'ny fiteny anglisy ny rohy rehetra tsy nasiana fanamarihana manokana.

Ny 9 Septambra,  nandritra ny hetsipanoherana iray nokarakarain'ny antoko mpanohitra avy amin'ny elatra havanana VMRO-DPMNE, tao afovoan-tanànan'i Skopje, renivohitr'i Makedônia Avaratra, mpanao gazety roa an'ny Al Jazeera Balkàna no voatafika sy voasakantsakana tamin'ny fanatanterahany ny asany.

Raha iny teo am-pandraisana ny fanambaràna nataon'ny iray tamin'ireo mpanao hetsipanoherana iny ilay mpanao gazety, Milka Smilevska sy ny mpakasariny, Jorde Angelovik, no nanatona azy ilay nanao herisetra (iray ihany tamin'ireo mpandray anjara tamin'ilay hetsika) ary nanontaniany aloha i Milka Smilevska raha toa ka manangona vaovao ho an'ny Al Jazeera Balkàna, avy eo dia natosiny, notereny nalatsaka tamin'ny tany ny mikrô.

Avy hatrany dia nanao tatitra momba ilay tranga ho an'ny manamboninahitry ny pôlisy teo akaiky teo ilay mpanao gazety, avy eo dia nitondra ny pôlisy ho eny amin'ilay nanao herisetra taminy tao anatin'ireo vahoaka marobe. Ary dia nirosoan'ny pôlisy ny fisamborana ilay nanao herisetra.

Tao anaty lahatsoratra navoakany Facebook [mk] i Milka Smilevska no nanoritsoritra ny momba ny zava-nitranga, misy rakitra lahatsary miisa roa mampiseho ny fizotr'ireo hetsika.

Capture d'écran montrant un homme en gros plan, de profil, lors d'une manifestation à Skpoje.

Pikantsary avy amin'ny lahatsary nalefan'ilay mpanao gazety, ahitàna ny endrik'ilay nanao herisetra taminy. Fampiasàna ara-drariny.

Dečkoto na prvoto video što go prijaviv na policaecot, ne napadna so kolegata Jorde i mi go butna mikrofonot dodeka snimav izjava, prethodno me praša dali sum od Al Jazeera i toa beše povod za napadot. Policijata go privede i kje mu podnese prijava. Jas nema da go tužam. Na vtoroto video se sluša koga mikrofonot pagja. Koga go privede policaecot ne sakaše da se legitimira.

Nema potreba od agresija, borbata treba da e so argumenti i dela. Demokratijata znači i različni mediumi, ako nekoj ne vi se dopagja ne go gledajte ili čitate, ne go napagjajte fizički.

Notoriako tany amin'ny pôlisy ilay ranamana hita ao anatin'ilay lahatsary voalohany, satria namely anay lery, i Jorde mpiaramiasa amiko sy ny tenako, ary nalatsany tamin'ny tany ny mikrô raha ilay izaho teo ampandraisana ny fanambaràna iny indrindra. Nanontany ahy izy aloha raha toa aho ka mpanao gazety avy amin'ny Al Jazeera, dia izay no nataony antony namelezana ahy. Nosamborin'ny pôlisy ilay nanao ny herisetra ary ny polisy no hanohy ny dingana fanenjehana araka ny lalàna. Tsy hanaraka azy amin'izay fahavoazana sy fitakiana onitra aho. Henonareo ao anatin'ilay lahatsary faharoa ny feon'ilay mikrô latsaka. Rehefa nanatona azy ny pôlisy dia tsy nanaiky hanome antonta-taratasy momba azy ranamana.

Tsy ilaina mihitsy ny manao herisetra, ny tolona [pôlitika] dia tokony atao miaraka amin'ny fandresena lahatra sy asa. Ny demaokrasia koa dia [ny fisiana] media isankarazany, ary raha tsy tianao ny sasany amin'izy ireny, aza mijery azy na aza mamaky azy akory, ary koa aza mikasi-tànana azy

Samy nanameloka ilay fikasihan-tànana ny tariky ny Al-Jazeera daholo ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety ao Makedônia (AJM) sy ny Sendikan'ireo Mpanao Gazety sy Mpiasa amin'ny fanaovana gazety, ary nangataka tamin'ny ministeran'ny atitany mba hanafay ilay nanao herisetra, izay afaka hitan'ny be sy ny maro ny sariny. Namoaka  fanambaràna iray niombonany ry zareo, izay milaza hoe :

Ваквиот однос кон новинарите кои се на работна задача на терен е неприфатлив и потребно е да биде строго казнет од страна на Министерството за внатрешни работи затоа што насилството кон новинарите не е дозволив во демократски земји. Доколку ваквите инциденти се толерираат во иднина има ризик да се охрабрат нови посериозни насилства кон новинарите, а со тоа дополнително да се загрози нивната безбедност, правото на слобода на изразување како и правото на информирање на граѓаните.

Tsy azo ekena izao fitondrantena manoloana ny mpanao gazety eo am-panatanterahana ny asany izao ka tokony ho faizin'ny ministeran'ny atitany, satria ny herisetra atao amin'ny mpanao gazety dia tsy azo atao any amin'ireo firenena demaokratika. Raha leferina ireny tranga ireny, dia betsaka ny vintana hoe hanosika ny fisiana herisetra hafa henjankenjana kokoa atao an'ireo mpanao gazety amin'ny hoavy tsy ho ela izy ireny, ary hanohintohina ny fahatonian-dry zareo, ny fahalalahany maneho hevitra ary ny zony hampita vaovao ho an'ny olompirenena.

Ny antoko  pôlitika VMRO-DPMNE, tomponandraikitra tamin'ny fikarakarana ilay hetsipanoherana, dia namoaka ihany koa fanambaràna an-gazety [mk] manameloka ireo endrika herisetra sy fanelingelenana ny asan'ny mpanao gazety. Nangataka tamin'ny manampahefana ilay antoko pôlitika mba hitondra fanazavàna momba izay toejavatra manodidina ilay tranga niseho nandritra ilay fihetsiketsehana.

Ny antoko SDSM, eo amin'ny fitondrana, dia namoaka ihany koa fanambaràna an-gazety nanamelohany ilay herisetra [mk]. Ampangainy ilay antoko mpanohitra ho « manindry aloka sy manimba ireo fifandraisana amin'ny mpanao gazety », no sady nohamafisiny ihany koa hoe tsy ho afa-tsiny manoloana ireo mpanao gazety niharan'ny herisetra ny VMRO-DPMN noho iny raharaha iny.

Tao anaty fandalinan-dahatsoratra navoakan'ny gazetim-panadihadiana Prisma Media, nivoaka tamin'ny 11 Septambra, tamin'ny antsipirihany no nosoritsoritan'ilay mpanao gazety, Milka Smilevska ilay zava-nitranga, ary nampiany hoe nifandray nivantana niala tsiny an-telefaona  taminy ireo mpikarakara ilay hetsika. Notsipihany ireo fahasahiranana hafa atrehan'ireo mpanao gazety rehefa tsy maintsy hiatrika hetsika pôlitika ry zareo any aoriana ka mifandray amin'ny tranga tahaka ireny.

Токму поради ваквата ситуација и ваквите реакции, новинарите се обесхрабруваат да реагираат бидејќи не сакаме етикети, кои секако ни ги лепат. Не сакаме да нè ставате ни во едни, ни во други табори, ние сме само новинари повеќето од нас во нашата работа сме водени од јавниот интерес.

Се надевам дека ова ќе биде добар пример за сите новинари и медиумски работници, дека без оглед на сѐтреба да реагираме и да не молчиме кога некој ќе нѐ нападне на терен.

Ny toedraharaha tahaka izao indrindra sy ny fanehoankevitra tahaka ireny no mampihena ny risipon'ireo mpanao gazety tsy hihetsika amin'ny raharaha tahaka ireny, satria tsy tianay ny hosorana ho toy ny mpomba an'itsy na iroa, na dia mazàna aza no misy izany. Tsy te-hiandany na amin'iza na amin'iza izahay, mpanao gazety tsotra fotsiny izahay ary ny ankamaroanay dia ny tombontsoan'ny be sy ny maro hahazo vaovao no mitarika anay amin'ny asa ataonay.

Antenaiko fa mba ho ohatra ho an'ireo rehetra mpanao gazety sy mpiasa matianin'ny media ity raharaha ity, maneho fa na inona na inona zavamiseho sy vanim-potoana, tsy maintsy mihetsika isika ary tsy hikombom-bava rehefa misy herisetra manjo antsika eny am-panatanterahana ny asantsika eny an-kianja.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.